SamihafaSongadim-baovaoSosialy

ANTOKO FREEDOM: Nitsidika ny « Akany Enfants de Joie » ao Andranomadio Toamasina

Singa iray hahafahana milaza fa miaina ny fikambanana iray ny fanaovana asa sosialy. Ho an’ny antoko Freedom manokana, tsy hetsika mandalo fotsiny ny fanaovana izany fa efa saika fiainan’ny antoko mihitsy. Ny fiandohan’ny herinandro teo, nitsidika ny "Akany Enfants de Joie" ao Andranomadio Toamasina indray ny antoko Freedom.

Zaza kamboty miisa 33 no taizana ao amin’ny « Akany Enfants de Joie » ao Andranomadio Toamasina. Ity  toerana ity izay notsidihin’ny antoko Freedom,  notarihin’ny Filoha Nasionaliny, Lalatiana Andriatogarivo. Ity farany izay sady reny mpiahy ireo ankizy ireo ihany koa. Etsy ankilany, mpianatra 400 ampianarina ao amin’ny sekoly izay miankina amin’ny Akany ary mampianatra ireo zaza sahirana ihany koa no notsidihin’ny antoko. Araka izany, tsy tonga tamin-tanam-polo ny antoko fa nanolotra kojakojam-pianarana ho an’ireo mpianatra miisa 400, boky fianarana isan-karazany, ary vata fahitalavitra iray ahafahan’ireo zaza taizana ao amin’ny Akany mba mijery ireo fandaharana samihafa amin’ny fahitalavitra koa.

Fanarenana ny toeram-pandraisana ireo zaza kamboty

Araka ny fanadihadiana, sahirana ity Akany « Enfants de Joie » ity. Raha ny fantatra mantsy dia saika miankina betsaka amin’ireo malala-tanana ny fampihodinana azy. Mpilatsaka an-tsitrapo avokoa ny ankabeazan’ireo mpampianatra sy tompon’andraikitra ao. Eo anatrehan’izany, nampanantena ny hifanome tanana araka izay tratra ny Filoha Nasionalin’ny Antoko hanarenana ny toeram-pandraisana ireo zaza kamboty ireo izay efa tena simba sy tsy zarizary tanteraka. Tetsy ankilany, nankasitraka manokana ny fahafoizan-tena sy ny fitiavana asehon-dRamatoa Talen’ny Akany sy Atoa vadiny, ary ireo mpiara-miasa aminy Rtoa Lalatiana Andriatongarivo amin’ny fanampiana ireo zaza kamboty na narian’ny raiamandreniny, ireo zaza sahirana mianatra ao amin’ny Sekoly koa. Misy vehivavy 3 sy lehilahy iray koa mipetraka ao amin’ny Akany, izy ireo dia na narian’ny vadiny na maty vady ka efa mananon-tena nefa mamelon-janaka irery avokoa. Horaisin’ny Antoko Freedom an-tanana ny fanampiana azy ireo mba ho afaka hiasa ka hahaleo tena ara-bola.

Fermer