PolitikaSongadim-baovao
ANTOKO FREEDOM: Tsy misabaka fa manohana feno ny Filoha Rajoelina
Hetsika fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao sady fanombohan’ny taom-pikatrohana 2023 no notontosain’ny Antoko Freedom tetsy Ivato omaly. Nandritra izany no nanaovan’ireo mpikambana, notarihin’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, fanambarana politika vitsivitsy mahakasika ny fanohanana ny Filoha, ny fiatrehana ny fifidianana, ary ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.
“Ny Freedom dia manohana amin’ny faharesen-dahatra ny Filoha Andry Rajoelina. Nisy fanamby natao tamin’ny 2018, isika tsy miala eny antenantenany, ary hitondra ny Filoha Rajoelina hatrany amin’ny faran’ny fepotoam-piasany”, hoy ny fanambarana niezinezina nataon’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom omaly, teny Ivato. Raha mbola mirotsaka ny Filoha Rajoelina, dia mbola vonona hanohana azy ny Freedom satria io no antoko politika voalohany nangataka ny firotsahan-kofidiany indray amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, hoy hatrany izy. Tsiahivina fa ny Freedom dia ao anatin’ny vovonana IRD. Ankehitriny, nisy ireo antoko hafa nisintaka ny Vovonana. Misy koa ireo efa misababaka sady miara-dalana amin’ny mpanao politika hafa. Fa ny Antoko Freedom dia manaja fitsipika, hoy ny Filoha Nasionaliny omaly.
Tsy zanaka an-trano ny Freedom?
“Tsy maninona na lazaina fa tsy zanaka an-trano aza ny Freedom”, hoy ny Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Mila mitandrina anefa, hoy izy, mba tsy ho diso mpifanandrina ireo izay mihevitra izany, na koa hanary “Jokera”. Niaiky anefa izy fa manahirana ny sasany ny fisiany sy ny ekipa miaraka aminy noho ny fandalan’ny Antoko Freedom ny fahitsiana sy ny fahadiovan’ny fitantanana. “Basy atifikavana ny anay Antoko Freedom, ka izahay tsy maintsy iteny raha vao misy malotoloto tanana… Tsy mety amin’ny Antoko Freedom koa ireo mialokaloka ao anaty Fanjakana hanaovana afera maloto”, hoy hatrany ny fanambarana. Fotoana izay nisaoran’ny Filohan’ny Antoko manokana ny Filoha Rajoelina tamin’ny fanoloana ireo mpikambana sasany teo anivon’ny Governemanta. Tsy izay ihany anefa, hoy izy, fa ireo tomponandraiki-panjakana hafa izay manao ny tsy mety koa, dia tokony haka sisiny, na olom-boatendry, na olom-boafidy. “Aleo olona madio no hiasa ao anatin’ny Fanjakana. Fantatro ny fitiavan-tanindrazana ananan’ny Filoha fa aza lotoinareo amin’ny bizina malotonareo ny Filoha”, hoy izy.
Tsy terena ny fidirana ao amin’ny Antoko Freedom
Nazava ny fanazavan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom, omaly, namaly ireo milaza fa manery ireo mpiara-miasa aminy hiditra ao anatin’ny Antoko Freedom ny tenany, na ireo mpikambana hafa eo anivon’ny Antoko. Tsy misy fanerena ny fidirana ao anatin’ny Freedom, hoy izy. Tsy misy mpikamban’ny Freedom ihany koa nanery mpiasam-panjakana hiditra ao amin’ny Antoko. “Tsy misy mpiasan’ny OMDA, na ORTM, noterena hiditra Freedom izany”, hoy izy. Misy Sata tsy maintsy hajaina ny fidirana eo anivon’ny Antoko. Misy ilay antsoina hoe “Système de Parrainage”. Izany hoe, tsy maintsy misy miantoka ny olona iray vao afaka miditra. Mbola misy aza ny sivana atao amin’ireo mikasa ny hiditra sao olona efa mpivadibadika palitao na tahaka izany.
Marihina fa 10 taona amin’ity taona ity ny Freedom, lasa antoko politika tamin’ny 2016. Dikany, efa nanana ny toerany teto amin’ny tany sy ny firenena hatrany izany Freedom izany. Ny Antoko Freedom rahateo dia miomana amin’ny fiakarana eo amin’ny Fitondrana. Ny Freedom izay Antoko hany tokana manomana ny mpikambana ao aminy hisahana andraikitra eto amin’ny firenena. Foto-kevitra no arahin’ny Freedom amin’ny fanaovana politika. Faharesen-dahatra no hany tokana maha tafiditra mpikambana fa tsy tombontsoa manokana, hoy hatrany fanazavana.
Fiainam-pirenena: Fiakaram-bidim-piainana?
Miara-miaiky isika fa sahirana ny firenena ankehitriny. Miakatra ny vidim-piainana. Fa ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy isika irery ihany no miaina azy, hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Diso, noho izany, ny fiampangana ny Mpitondra ho tsy mahay mitantana. Na any Etazonia, Frantsa, Maurice, na aiza na aiza tsy misy tsy mikaikaika amin’ny fisondrotan’ny vidim-piainana, araka ny nambarany. Ireo olona manenjika ny Fanjakana amin’izany dia efa nitondra kanefa izao indray milaza fa manana vahaolana, ny sasany efa tokony hisotro ronono, ny sasany indray mahazo famatsiam-bola avy any dia taitaitra. Marihina anefa fa tamin’ny andron’izy ireo tsy nisy ady tany okraina sy rosia, ary tsy nisy covid-19.
Solombavambahoaka Fetra R: Handrotsaka kandida isika…
Isan’ireo olom-boafidin’ny Antoko Freedom ny Solombavambahoakan’i Madagasikara lany tao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa. Notsindriany tamin’ireo mpikatroka Freedom omaly fa taom-pifidianana ity taona ity. Mbola betsaka, hoy izy, ireo toerana mbola mila alaina. Ho an’ny fifidianana Filoham-pirenena manokana dia mbola ny Filoha Rajoelina no hotohanana raha mbola hirotsaka izy. Mbola handeha koa anefa ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna, ary ny Solombavambahoaka. “Handrotsaka kandida amin’ireo isika”, hoy ny Depiote Fetra Rakotondrasoa.
Ireo Faritra efa misy ny sampana Freedom ankehitriny: Analamanga, Bongolava, Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany , Itasy, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Boeny, Sofia , Atsimo Atsinanana, Androy, Anosy, Ihorombe, Sava, Menabe, Atsinanana.
Olom-boafidy Freedom: Solombavambahoaka 1, Ben’ny tanàna 72 ary mpanolontsain’ny Tanàna 126




