Vaky Bantsilana
Antoko politika tsy sahy mirotsa-kofidina hoe…
Tsy tako-nafenina tahaka ny masoandrobe lohataona ny didy fanapahana navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana momba ny fitorian’ireo senatera avy amin’ny fanoherana sy ny fiarahamonim-pirenena iray, momba ny fanatontosana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra hoavy izao.
Tsy tako-nafenina tahaka ny masoandrobe lohataona ny didy fanapahana navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana momba ny fitorian’ireo senatera avy amin’ny fanoherana sy ny fiarahamonim-pirenena iray, momba ny fanatontosana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra hoavy izao. Tsy misy fanoherana ny lalàmpanorenana velively ny fanatanterahana ny fifidianana amin’io daty voalaza io. Azo raisina fa tsy mitombina, araka izany, ny karazana sakantsakana tadiavin’ny sasany hatao. Ny tena marina kokoa, manao tsipaky ny miala maina ireo loholona avy amin’ny fanoherana satria tahaka ny sokina nanani-bato, ka tapi-dalan-kalefa. Inona indray ny karazana sakantsakana kendren’izy ireo raha tampina tanteraka ny domy ho an’ireto ekipan’ny filohan’ny antenimierandoholona ireto?
Ireto mitonona ho mpanohitra ireto, dia efa matetika manao toy ny lelon-jaza, mitranga mihemotra amin’ny raharaham-pirenena, indrindra ny resaka fanasoavam-bahoaka. Mila tsapan’ny rehetra fa aim-pirenena ny resa-pifidianana. Tafiditra ao ny fifidianana loholona, na dia mpifidy vaventy aza no mifidy azy ireo. Aza hadinoina fa ny vahoaka no nametraka ireo mpifidy vaventy ireo, ka tsy azo tsinontsinoavina velively ny vokatry ny latsa-bato hotanterahina. Io fifidianana io ihany koa no hahafahan’ny mpifidy vaventy mametraka ny 2/3-n’ireo ho mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona, raha ny 1/3 kosa, tendren’ny Filohan’ny Repoblika. Hazakazaka arahin-tosika, araka izany, ny fifidianana loholona sy hamonjy eny amin’ny Lapa maitson’Anosikely. Tsy sanatria hazakazaka alika akory ka ho vitan’ny tranga lela, fa mitaky finiavana sy fandraisana andraikitra matotra. Tena aim-pirenena mihitsy ny mpanara-maso ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna, satria fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy fijerena ny soa iombonana no tanjona.
Ny fifidianana toa izao no ahatarafana ny fijoroan’ny antoko politika marina, mba tsy halaza tsy ihinanana tahaka lovian-tsahona izy ireo. Nanaitra fotsiny, ohatra, ny fahitana sy ny fandrenesana fa maro avy amin’ny antoko mpanohitra no tsy sahy hirotsa-kofidina. Te hifidy ny lohany amin’ny fanaovana politika, saingy matahotra ny masony, amin’ny fiatrehana fifidianana? Tamin’ny fotoana androny, ohatra, ny antokon’ny fitondrana teo aloha, nirehareha lozan-tany nilaza fa antoko matanjaka indrindra ary manana ny rantsa-mangaikany manerana an’i Madagasikara. Nony tonga anefa ny fiatrehana fifidianana, toa anaran-tsy very tahaka ny kitoza raiki-molaly. Tahotra fitsaram-bahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana sa nanao tahaka ny aviavin’i Betania, ireo antoko, mitonona ho mpanohitra, nidoroboka fa tsy nisy voany?
Ny tsy fananan’ny antokon’ny fitondrana, tamin’izany fotoana, solombavambahoaka maro anisa teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ohatra, no antony tsy nahamarin-toerana azy teo amin’ny Fitondram-panjakana. Vokany, zary mitady fanamarinan-toerana sy ny marimaritra iraisana ka niafara hatramin’ny kolikoly bevata nentina nandanian-dalàna. Ireny iaraha-mahita ireny ny vokany. Antoka iray ho an’ny Fitondrana ankehitriny ny hahazoana maro anisa eny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona. Matetika sakana ho an’ny fandanian-dalàna hatrany ireo loholona ao. Mba tena loholona manana ny hasiny tokoa ny ho voafidy ao, fa tsy lo olona tsy hijery ny tombontsoam-bahoaka, fa ho an’ny tenany manokana. Noho izany, raha mahatsiaro fa tena tany demokratika marina ireo antoko politika avy amin’ny fanoherana, tokony hijoro amin’ny maha mpanohitra azy, fa tsy noho ny tombontsoa fotsiny ihany. Ho an’ireo mpifidy vaventy, goavana indrindra, ny fahaizany mamakafaka ny kabary ataon’ireo kandidà hilatsa-kofidina. Tsy tokony hosodoka amin’ny kabary tsara lahatra sy ny resaka mampandry adrisa, miharo lango malefaka. Mila manana toe-tsaina tia manadihady, indrindra ireo tsy mikendry afa-tsy ny tombontsoany manokana.