PolitikaSongadim-baovao

ANTOKO TGV : Ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana izao no laharam-pahamehana fa tsy fikaonan-doha

Mikasika ny fikasan’ny mpanohitra hanatanteraka fikaonandoham-pirenena, nanambara omaly ny Sekretera nasionalin’ny Antoko TGV avy ao amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa Razafinjato Aureline, fa ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana no imasoana amin’izao fotoana izao. Ny Fanavaozana ny lisi-pifidianana izay mitaky asa be, hoy izy, satria mbola maro ny olom-pirenena no tsy manana sora-piankonana ary karapanondrom-pirenena. Miantso ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena, toy ny fikambanana, fiangonana ary  rafi-piarahamonina rehetra ary antoko politika mba ifanome tanana mba ahafahan’ny olom-pirenena manana zo ifidy ary ho tafiditra anatin’ny lisi-pifidianana, hoy ny fanambarana. « Raha misy soso-kevitra hafa dia tokony apetraka ao anatin’ny vina-piarahamonina atolotra amin’ny fifidianana. Raha soso-kevitra fampandrosoana kosa dia azo atolotra ny rafitra toy ny Governora izay manao ny asa fampandrosoana », hoy hatrany ny fanazavana. Ilaina ny fiaraha-mientana indrindra tao aorian’ny krizy noho ny covid-19 sy ny tondra-drano teo ireny.

Fiofanana fahaiza-mitarika

Nandritra ny fiofanana momba ny fifidianana sy ny fahaiza-mitarika eny amin’ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy ataon’ireo mpitarika TGV amin’ny distrika 119 no nivoahan’izany fanehoan-kevitra izany. Fiofanana izay iarahana amin’ny Friedrich Ebert Stiftung, izay mampiroborobo ny demokrasia sosialy. Tsy maintsy irosoana ny fifidianana amin’ny 2023 ary hahamatihanina ireo mpikambana amina antoko politika no tanjona amin’ny fiofanana araka ny nambaran’i Mireille clémence Andriambolanoro, mpandrindra ny fandaharan’asa eo anivon’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES). Hampahafantarina mandritra ny fiofanana ny momba ny lalàna ary ny tsara ho fantatra momba ny fiomanana amin’ ny fifidianana sy ny fahaiza-mitarika. Nomarihin’ny teo anivon’ny FES ihany koa fa misokatra amin’ny antoko hafa ny fiofanana toy izao.

Ny sekretera nasionalin’ny antoko Tanora Gasy Vonona, Razafinjato Aureline dia nilaza fa zava-dehibe ny  fanomezana tantsoroka hoan’ny mpitarika ny antoko. Ary nampahatsiahiviny fa efa nisy ny fiofanana ben’ny tanàna sy ny mpitarika TGV eny anivon’ny Faritra. Nilaza ihany koa Razafinjato Aureline fa  tafiditra amin’ny  fiomanana amin’ny fiatrehana ny  fifidianana ny fiofanana toy izao. Madagasikara dia tafiditra amin’ny firenena manao fifidianana  tsy misy  korontana, raha ny efa hita  tamin’ny 2013 ary 2018, hoy izy, ary tokony hotohizana izany.

Fermer