PolitikaSongadim-baovao

ANTONTAN-TARATASY ILAIN’IREO HIROTSA-KOFIDIANA: Miantso ireo sampan-draharaha hanamora ny fanomezana izany ny HCC

Hentitra omaly ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana raha nilaza fa handraisana fepetra ireo sampandraharaham-panjakana minia mamezivezy ireo olona hirotsa-kofidiana kanefa tsy misy antony mazava, ao anatin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana. Tsy tokony ho avy amin’ireny sampan-draharaha ireny, hoy izy, no hahatonga ny kandida iray  hilaza fa tsy noraisina ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana.

Efa nanomboka ny 23 Aogositra 2023 teo ny fahafaha-mametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity eto Madagasikara. Ny 06 septambra izao izany no ho tapitra. Hatramin’ny omaly anefa, kandida miisa roa ihany no mbola nahatafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany. Nisy, araka izany, ny hafatra nataon’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly. Ny voalohany tamin’izany ny miantefa amin’ireo sampan-draharaham-panjakana iankinan’ny famenoana ny taratasy amin’ny firotsahan-kofidiana. Noraisiny ho ohatra ny taratasy fanamarinana fandoavan-ketra, eo koa ny ao amin’ny “Trésor” izay andoavana ny petrabola 200 tapitrisa ariary. Noresahin’ny Filohan’ny HCC koa mahakasika ny “casier judiciaire”, ny fanamarinam-ponenana izay hahalalana fa nipetraka 6 volana teto Madagasikara ireo kandida ireo fa tsy tany ivelany. “Manentana an’ireo sampandraharaha ireo mba tsy hampivezivezy ny kandida. Mba tsy tokony ho izay no haha voailika ny kandida iray”.

Tsara ho fantatra fa mbola manana 7 andro eo ny kandida hanaterana ny antontan-taratasiny. Ny 6 septambra amin’ny 6 ora hariva no fara-fandraisana izany eny amin’ny HCC Ambohidahy. Izay mahafeno ny antontan-taratasy rehetra ihany no ho voatazona ho isan’ny kandida amin’ny farany. Tsy ho voatazona izay tsy nahafeno ny anton-taratasy takina na dia nahaloa ny anto-bola 200.000.000 ar aza hoy ny filohan’ny HCC.

Zom-pirenena

Mahakasika ny « certificat de nationalité », izay mahabe resaka ankehitriny, dia nambaran’ny Filohan’ny HCC fa ny mpitsara irery ihany no afaka manapa-kevitra ny hanomezana ny taratasy fanamarinana ho an’ny olona iray na tsia. Miankina tanteraka amin’ny mpitsara, noho izany, ny fahazoana izany, araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-87, 88, ary ny 89. Raha toa ka tsy manome ny fitsarana, dia mazava ny andininy faha-89 ao amin’ny “code de la nationalité” dia afaka manao ny fangatahany any amin’ny minisitry ny fitsarana ny kandida, dia io Minisitra io avy eo no tompon’ny teny farany raha ohatra ka tsy afapo any amin’ny fitsarana ady madio ny mpangataka ny certificate de nationalité.

Fermer