Songadim-baovaoSosialy
ANTONTANISA COVID-19: 101 ireo tranga vaovao, olona 01 namoy ny ainy
Olona miisa 101 indray no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus, raha ny fitiliana natao ny Alatsinainy teo. Mbola ny Faritra Analamanga hatrany no tena mbola misy tranga betsaka, izay nahitana olona voamarina miisa 60, raha toa ka 09 ny any Atsinanana, nahitana olona miisa 03 koa ny tao Diana, raha olona iray ny ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Olona 09 no nahitana tranga vaovao tao Boeny, raha toa ka 18 ny tao Sava, ary 01 ny ao amin’ny Faritra Betsiboka. Fitiliana mitotaly 883 no nahazoana ireo atontanisa ireo. Ankoatra izay, olona iray indray no namoy ny ainy, tao amin’ny Faritra Diana, raha ny fampitam-baovao. Mbola misy ihany koa ireo olona ao anatin’ny « formes graves » izay natotaly 99. 74 tamin’ireo no hita ato amin’ny Faritra Analamanga, raha 13 ny any Atsinanana, 01 no any Diana, raha 09 any Boeny, nahitana tranga 02 kosa ny any amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana.
Olona miisa 120 no sitrana soa aman-tsara noho ny fanarahana tsara ny fitsaboana. Tamin’ireo, olona miisa 62 no sitrana teto Analamanga, 16 any Atsinanana, 25 any Diana, 02 Boeny, ary 05 any amin’ny Faritra Sofia. Ireo no atontanisa izay nivoaka omaly, vokatra ny fitiliana natao ny Alatsinainy teo. Mbola manentana hatrany amin’ny fanarahana ireo fepetra sakana ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ihany koa, manentana ny hamonjen’ireo izay ahitana soritra aretina ny tobi-pahasalamana mba hisorohana amin’ny mety hitrangan’ny « formes graves ».
Néla (mpianatra asa)




