Songadim-baovaoSosialy

ANTONTANISA COVID-19 : 114 ireo tranga vaovao teto Analamanga tao anatin’ny herinandro

Miakatra ny tarehimarika. Teo anelanelan’ny 20 ka ha tramin’ny 26 Novambra 2021 teo fotsiny dia tafakatra 258 ireo tranga vaovao manerana ny Nosy. 114 tamin’ireo dia teto Analamanga avokoa, araka ny tatitry ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ity farany izany manamafy ny tokony hiarovan’ny rehetra tena, amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fepetra sakana rehetra, hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.

Tao anatin’ny fitiliana miisa 5879, niisa 258 ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus, nanomboka ny 20 ka hatramin’ny 26 Novambra 2021, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Minisiteran’ny Fahalasamam-bahoaka. Isany ahitana tranga betsaka indrindra amin’ireo ny eto amin’ny Faritra Analamanga, izay nahitana tranga 114. Nanaraka an’Analamanga kosa ny Faritra Vakinankaratra izay nahitana tranga 54. Niisa 30 tao Melaky, 23 tao Matsiatra Ambony, 27 tao Anosy.

Nandritra io elanelam-potoana io, niisa 148 ireo sitrana soa aman-tsara, tsy nisy ny maty, raha toa kosa ka 13 ireo maneho tranga misy fahasarotana. Izany hoe, niakatra tao anatin’ny andro vitsy monja ireo marary maneho tranga misy fahasarotana, satria vao Alakamisy 25 novambra 2021 ny Minisitera no nilaza fa enina ireo manao « formes graves » manerana ny Nosy.

« Tsy voatery hitondra soritra aretina »

Anisan’ny fomba fiasa vaovao napetraky ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny « contact tracing », izay hanamafisana ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina. Lasa napetraka ao anaty fafana fanehoana ny antontanisa isan-kerinandro ny mahakasika an’io paikady vaovao io, miaraka amin’ny fanehoana ireo tranga vaovao. Nitondra fanazavana mahakasika izany indrindra ny Tale Jeneralin’ny Tolotra ara-pahasalamana, ny Dokotera Rado Razafimahatratra, ny faran’ny herinandro teo. Notsindriany fa ny tranga vaovao na « nouveau cas », dia ireo olona nahatsiaro narary na nanana  soritra aretina ka tonga manatona eny amin’ny hopitaly. Rehefa atao ny fanadihadiana sy ny fitiliana dia voamarina fa mitondra ny tsimokaretina ilay olona.  Ireo olona ireo indray avy eo no hatao fanadihadiana hitadiavana izay olona nifanerasera aminy, miainga avy ao an-tokatranony, sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo manodidina azy rehetra, ireo no antsoina hoe « contact tracing ». Izany hoe, atao fanadihadiana ilay olona voa, dia hatao fizaham-pahasalamana ihany koa ireo olona nifanerasera taminy, hanaovana fitiliana. Rehefa mivaly io filitiana io vao azony antontanisa eo amin’ilay hoe «  contact tracing ». Izany no midika fa tsy voatery ho mitondra ilay tsimokaretina ireo “contact tracing” ireo. “Raha ireo voka-pitiliana ireo no jerena dia tena voamarina tanteraka ny mbola fisian’ny valanaretina eny anivon’ny fiarahamonina”, araka ny fanazavan’ny Dokotera Rado Razafimahatratra.

Mirongatra koa ny areti-tratra… tsy voatery ho Covid-19

Etsy ankilany, maro ireo olona miroaroa saina ankehitriny manoloana ny fisian’ireo fiara mpitondra marary mivezivezy eto an-drenivohitra, sy ny fahafenoin’ny hopitaly mandray zaza. Tsara ho fantatra fa ao anatin’ny vanim-potoana manasara-taona isika izao, araka ny fanazavan’ny Dokotera Rado Razafimahatratra. Dikany, betsaka ny doro tanety, ary maloto ny tontolo iainana. Noho izany, io fahalotoan’ny tontolo iainana io no manafaingana ny fivoaran’ny areti-tratra, izay tsy voatery ho coronavirus. Mety ho grippe izany. Raha toa ka maneho soritra aretina ireo olona na ireo zaza tonga eny amin’ireny hopitaly ireny, dia tsy maintsy tonga dia hanaovana fitiliana avy hatrany, mba hahafahana mandray fepetra mifanaraka amin’izay, hoy hatrany ny fanazavana.

ADIDIN’NY REHETRA NO MIARO TENA!

Nanamafy ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo, fa adidin’ny rehetra no mitandro ny fahasalamana. Ny fanajana ireo fepetra sakana no fototra iray voalohany hiarovana ny tsy hiparitahan’ny valanaretina eny amin’ny fiarahamonina. Manomboka amin’ny fanaovana arotava izany. Tsy tokony hiandry fampitahorana vao hiaro tena. Na aiza na aiza dia tokony hajaina hatrany ny fepetra. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanasana tanana matetika, sy ny fanajana ny elanelana iray metatra. Ankoatra ny CVO, zava-dehibe ihany koa ny fanaovana ny vaksiny. Ity farany izay fepetra iray hahafahana miaro tena tsy ho tonga amin’ny tranga misy fahasarotana raha sanatria misy soritra aretina coronavirus. Tsy an-tery fa an-tsitrapo ny vaksiny, ho an’ny olona 18 taona no ho mihoatra.

Fermer