SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ANTONTANISA COVID-19: 5 no lavo, 234 ireo tranga vaovao tao anatin’ny herinandro
Nanaitra ny maro ny nahita ny tatitry ny fivoaran’ny antontanisa mahakasika ny valanaretina Covid-19 eto amintsika, omaly. Araka ny tarehimarika farany mantsy, tafiakatra dimy ireo no namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro, ary niisa 234 kosa ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina.
Analamanga no lohalaharana amin’ny Faritra betsaka tranga voamarina indrindra, araka ny tatitry ny CCO farany, omaly. Olona 93 mantsy no nahitana ny tsimokaretina Covid-19 teto afovoan-tany tao anatin’ny herinandro. Nanaraka azy kosa ny Faritra Boeny, tamin’ireo tranga vaovao niisa 48. Nitombo koa ireo olona nahitana ny tsimokaretina tao Matsiatra Ambony, satria nahatratra 25 ireo tranga voamarina, raha ny antontanisa farany. Nanampy ireo ny tranga voamarina niisa 16 tao Analanjirofo, 11 tao Vatovavy Fitovinany, 11 tao Menabe, 9 tao Vakinankaratra, 2 avy tao Atsimo Andrefana sy Diana, ary 1 tsy voafaritra mazava ny faritra nahitana azy. Mitotaly 234, araka izany, ireo tranga vaovao ireo manerana ny Nosy. Tetsy ankilany, nitombo isa koa ireo marary maneho tranga misy fahasarotana satria tafiakatra 23 ireo nanerana ny Nosy. Maro indrindra amin’ireo ny eto Analamanga izay mahatratra 11, 9 kosa ny ao Vatovavy Fitovinany, ary 9 ao Vakinankaratra. Isany nanamarika ity antontanisa mivoaka isan-kerinandro ity kosa ny isan’ireo lavo satria tafiakatra dimy izy ireo, tao anatin’ny herinandro monja. Telo tamin’ireo lavo ireo no teto Analamanga, 1 tao Matsiatra Ambony, ary 1 tao Melaky.
sitrana149
Na eo aza anefa ireo antontanisa mahatonga fanahiana isankarazany ireo, tafiakatra 149 ihany koa ireo marary sitrana nanomboka ny 02 Janoary ka hatramin’ny 08 Janoary. Anisany betsaka indrindra tamin’ireo sitrana ireo ny teto Analamanga izay nahitana olona 131. 6 avy kosa ireo sitrana tao amin’ny Faritra Diana, Boeny, ary 3 avy tao Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony. Araka ny fanazavana, 1607 ireo fitiliana vita nahazoana ireo tarehimarika rehetra ireo. Hatreto izany, 102 830 ny fitambaran’ireo fitiliana vita teto Madagasikara. 18 001 kosa ny fitambaran’ireo olona efa nitondra ny tsimokaretina, raha toa ka 17 447 ny fitambaran’ireo efa sitrana, ary 267 ireo lavo. Ho antsika eto Madagasikara manokana, noho izany, mbola 287 ireo mbola manaraka fitsaboana. Tarehimarika izay hanentanana ny tsirairay hatrany amin’ny tokony hanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra, mba tsy hidirana amin’ny onja faharoa intsony indray.




