Songadim-baovaoSosialy

ANTONTANISA COVID-19 : 62 ireo « formes graves », eto Analamanga ny 47, any Matsiatra Ambony ny 10

Na dia hita aza fa efa misy fihenany, mbola misy hatrany ireo tranga vaovao voamarina ho mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto amintsika. Araka ny antontanisa nivoaka omaly, mbola miisa 62 amin’ireo marary manaraka fitsaboana ankehitriny no ao anatin’ny tranga misy fahasarotana. Eto Analamanga no ahitana betsaka indrindra amin’izany, satria ny 47 amin’ireo dia mbola eto avokoa.

Ankoatra ireo tranga vaovao izay mbola eto Analamanga sy Matsiatra Ambony no ahitana betsaka azy, dia mbola amin’ireo Faritra roa ireo ihany koa no ahitana tranga misy fahasarotana betsaka indrindra, raha ny tarehimarika nivoaka omaly. Tamin’ireo « formes graves » miisa 62, teto Analamanga ny 47, ary tany Matsiatra Ambony kosa ny 10. Nisy marary naneho tranga misy fahasarotana niisa roa tao Atsimo Andrefana, raha toa ka « formes graves » miisa iray avy kosa no nisy tao Vakinankaratra sy Bongolava ary Anosy. Dikany, na dia efa nisy aza ireo fanakatonana CTC-19 isan-karazany teto amin’ny Faritra Analamanga, dia mbola ahitana ireo marary manaraka fitsaboana betsaka indrindra ihany ny eto afovoan-tany. Raha ny tarehimarika omaly, efatra ireo tranga vaovao teto Analamanga, raha toa kosa ka niisa enina izany tao Matsiatra Ambony.

98,60% ny taham-pahasitranana

Etsy ankilany, niisa 19 ireo sitrana, araka ny antontanisa nivoaka omaly hatrany. 11 tamin’ireo no teto amin’ny Faritra Analamanga, efatra tao Matsiatra Ambony, ary tany amin’ny Faritra hafa ny sisa. Hatreto, tafiakatra 98,60% ny taham-pahasitranan’ny Covid-19 eto amintsika, araka ny fanadihadiana. Izany hoe, tamin’ireo olona niisa 42 137 voamarina fa nitondra ny Coronavirus teto amintsika, dia 41 548 ireo sitrana soa aman-tsara, ka nahazoana io salanisa io. Etsy ankilany, 2,15% ny taham-pahafatesana eto Madagasikara. Salanisa izay azo ambara ho ambany ihany. Tsy fanamaivanana ireo mpiray tanindrazana lavo akory, fa entina hilazana fa nisy fahombiazany ny paikady natao hiatrehana ny valanaretina teto an-toerana. Niampy an’ireo marary roa vaovao lavo, araka ny tatitra omaly, tafiakatra 902 ny fitambaran’ireo matin’ny Covid-19 teto Madagasikara.

Nakatona ny CTC-19 Mahamasina sy Andoharanofotsy

Araka ny efa nambaran’ny Filoha dia mbola tsy resy tanteraka ny valanaretina eto amintsika. Izany no antony tsy mbola nanafoanana ny Hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny Tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara, mba hahafahana mampanaja ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Noho ny efa fihenan’ireo marary tsaboina kosa anefa, dia nanapa-kevitra ny teo anivon ‘ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny hanakatona, nanomboka omaly, ny CTC-19 Mahamasina sy ny CTC-19 eny Mandrimena Andoharanofotsy. Araka ny fanazavana dia efa nafindra eny amin’ny CTC-19 Village Voara na eny amin’ny Hopitaly avokoa ireo marary sisa tavela tamin’ireo toerana nakatona ireo, miankina amin’ny hamafin’ny trangan’aretina niseho taminy.

Fermer