Songadim-baovaoSosialy

ANTONTANISA COVID-19: Tetsy Befelatanana sy Anosiala avokoa ny 109 tamin’ireo “formes graves” 239

Ny fiandrasana ela loatra ny fihombon’ny aretina matetika no mahatonga ny marary iray ho tonga any amin’ny tranga misy fahasarotana (formes graves) amin’ny Covid-19. Ho an’ny tatitry ny antontanisa omaly, 239 ireo voamarina fa ao anatin’ny tranga misy fahasarotan. Ny 109 tamin’ireo dia fantatra fa tsaboina etsy amin’ny Hopitaly Befelatanana sy ny Hopitaly eny Anosiala avokoa.

Ny Faritra Analamanga hatrany no lohalaharana amin’ireo toerana ahitana betsaka ny trangana Coronavirus efa tao anatin’ny andro maromaro izay. Mbola eto afovoan-tany koa anefa no ahitana betsaka indrindra ireo marary maneho tranga misy fahasarotany, araka ny loharanom-baovao. Tamin’ireo “formes graves” niisa 239 notaterina omaly, dia fantatra fa ny 71 tamin’ireo dia tsaboina etsy amin’ny Hopitaly Befelatanana avokoa, raha toa ka eny amin’ny Hopitalin’Anosiala kosa ny 38. Ankoatra ireo, 30 ireo tranga misy fahasarotana voamarina teny amin’ny Hopitaly manarapenitra Andohatapenaka, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Ankoatra ireo anefa, teo anelanelan’ny 1 hatramin’ny 5 eo kosa ireo “formes graves” tao Anosiavaratra, Fenoarivo, Antsirabe, Andrainjato, Tolagnaro, Analajirofo, Sava, raha toa ka fito avy izany tao amin’ny HJRA sy ny HOMI. Ho an’ny any amin’ny Faritra Atsinanana, 20 ireo ao anatin’ny tranga misy fahasarotana tao Morafeno, raha ka miisa 9 izany ao Analakinina. Miisa enina kosa izany ao amin’ny hopitaly Mitsinjo Betanimena Toliara. Ary 23 ao amin’ny Faritra Boeny.

Mitombo isa ireo lavon’ny coronavirus, marary miisa 2 131 mbola manaraka fitsaboana

Malagasy 15 no fantatra fa  indray lavon’ny covid-19 tao anatin’ny 24 ora, araka ny antontanisa nivoaka farany omaly. Mahery vaika ary tena mamono haingana ny coronavirus ka mila mitandrina ny rehetra. Nandritra ny fampitana mivantana ny tarehimarika fivoaran’ny valanaretina no nahafantarana fa miisa 2 131 ireo marary mbola manaraka fitsaboana. Tsy mitsahatra manohy ny fakana singa ahafahana mitily ny covid-19 ihany koa anefa ny Fanjakana, fa miezaka manao izay tratra, mba tsy hitarazohan’ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ny marary. Nivoitra nandritra izany fa fitiliana mitotaly 972 no natao nahafana nanamarina fa misy olona 270 indray voaporofo fa mitondra ny tsimokaretina, ary tsy miova fa dia mbola laharana voalohany hatrany  ny teto amin’ny Faritra Analamanga, izay nahitana tranga vaovao miisa 150. Ity tarehimarika farany ity ihany koa no naneho fa ahitana olona 31 mitondra ity tsimokaretina coronavirus ity any amin’ny Faritra Atsinanana, raha 14 izany ao Diana, miisa 12 ihany koa no vaoporofo fa hianjadian’ny covid-19 ao Boeny, sivy tao Matsiatra Ambony ary enina tao Analanjirofo. Samy nahitana olona roa avy mitondra ny coronavirus kosa tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy tany amin’ny Faritra Menabe. Mihazakazaka ny toe-draharaha ka tsy tokony handrihandry manana aretina fa vantany vao maneho ny soritraretina dia avy hatrany dia tokony manatona toeram-pitsaboana. Tsy mikely soroka manao izay azony atao anavotana ny ain’ireo mpiray tanindrana ihany koa ireo mpitsabo malagasy ary fantatra fa miisa 224 ireo marary no sitrana soa aman-tsara. Marihina fa niisa 56 ireo sitrana rehefa nisotro CVO tao amin’ny Faritra Boeny. Ady hiombonana ny fisorohana ny fiparitahan’ny covid-19 ka aoka samy hanaja ny fepetra sakana.

Sata (mpianatra asa) sy LR.

Fermer