Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

ANTSIRABE : May hatramin’ny 95% ny Tsena Sabotsy

« Vonjeo Antsirabe ! May tsena sabotsy! », hoy ny Solombavambahoakan’Antsirabe Namana Désiré omaly teo anatrehan’ny fijoalajoalan’ny afo tao amin’ny Tsena Sabotsy ao an-tampon-tanànan’Antsirabe. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, nanomboka tamin’ny 5ora sy sasany hariva omaly no nisy firehetana tao amin’ny Tsena Sabotsy. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso tany an-toerana, dia nanomboka teo amin’ny mpivarotra fanaka aty amin’ny ilany andrefana, atsimon’ny Tsena Sabotsy no niandohan’ny afo. Nihitatra nankany amin’ny mpivarotra vorona, avy eo nankany amin’ireo mpivarotra PPN nankaty avaratra. Rehefa nanontaniana ireo mpivarotra PPN dia herinaratra no heverin’izy ireo fa nahatonga ny afo, izay nisiana fipoahana vata fampangatsiahana.

Niara-nisalahy tamin’ny famonoana ny afo ny sampana mpamonjy voina any an-toerana sy ny fokonolona. Na izany aza, tafiakatra hatrany amin’ny 95%-n’ny fahamaizan’ny tsena sabotsy, araka ny tatitra hatramin’ny ora nanoratanay omaly. Nanampy trotraka ny olana efa nisy omaly koa ny fanararaotana ataon’ny olona sasany amin’ireo entana mba tafavoaka, izay misy mangalatra sy mandroba ihany koa.

Tsara ho fantatra fa ahitana ireo karazana entana rehetra ao amin’ity tsena sabotsy ao Antsirabe ity, toy ny Fanaka, legioma, friperie, akanjo vaovao, hazandrano, ary ireo entana ilaina andavanandro isankarazany “PPN”. Midika izany fa goavana dia goavana ny fahavoazana ho an’ireo mpisehatra voakasika rehetra amin’ity tsena ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer