Songadim-baovaoToekarena
ANTSONJAY AMIN’NY AIR MADAGASCAR : Filam-boatsihary ny an’ny Frantsay !
Taitra sy gaga avokoa ny rehetra ny faran’ny herinandro teo nahita ny fanafoanana ny sidin’ny Air Madagascar tokony hihazo an’i Lafrantsa omaly Alatsinainy 28 Septambra. Omaly, namoaka fampitam-baovao ny avy ao amin’ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara fa nisy tokoa ny fandraran’ny Frantsay ny zotra Air Madagascar tsy higadona any Frantsa noho ny tsy faneken’ny fitondrana malagasy ny hitondran’ny sidina Air France mpandeha avy any Paris hihazo an’Antananarivo. Araka izany, nandrara ny fahatongavan’ny zotra Air Madagascar ny alatsinainy 28 septambra higadona any Paris ihany koa Lafrantsa. Mba hisian’ny fampitoviana lenta ara-barotra eo amin’ny kaompania roa tonta, ka samy ho afaka hitondra mpandeha mandroso sy miverina no anton’izany, araka ny fanambarana hatrany.
Tsy sambany io
Ny tsara hotsindriana dia tsy vao sambany ny Frantsay no nanao izao karazana antsojay izao tamin’ny Kaompaniam-pitaterana Air Madagascar, sy tamin’ny lafiny rehetra niainga avy eto Madagasikara mihitsy. Izay no hilazana fa filam-boatsihary ny an’ny Frantsay satria tsy mitovy mihitsy ny zavamisy eto Madagasikara sy any Frantsa raha ny fivoaran’ny valanaretina no asian-teny. Madagasikara izao dia tafiditra ao anatin’ny atao hoe “fivoarana tsara”, izany hoe, efa madiva ho resy ny aretina. Etsy ankilany anefa, mbola tena ao anatin’ny aretina tanteraka I Lafrantsa, ary sokajiana ho anisan’ireo firenena anatin’ny “Onja faharoa” izy amin’izao fotoana izao. Dikany, mitombina tanteraka ny fepetra hapetraky ny Fitondram-panjakana malagasy mba tsy hampitombo indray ny olona mitondra ny aretina eto amintsika. Raha tsiahivina, anisan’ny antsonjay efa nisy koa ny nampidiran’ny Frantsay an’i Madagasikara ho « Lisitra mena » noho ny Covid-19 na dia vitsy aza ny mararin’ny Covid-19 teto Madagasikara mihoatra amin’ny Firenena maro izay tsy nampidirin’izy ireo tao anaty « lisitra mena » akory. Efa nisy koa ny raha tsiahivina ny famoahan’ny fanjakana frantsay ny naoty fandrarana ny fivarotana sy fanjifana ny Tambavy CVO avy aty Madagasikara tao Lafrantsa. Filam-boatsihary sy fikatsahana tombontsoa ary tsy fahazakana ny mety fahombiazan’I Madagasikara ny an’ny Frantsay raha tsorina, andrasana ny tohin’ny raharaha…



