Songadim-baovaoSosialy
ARETIN’NY MASO : Tanora ny 20%-n’ireo voan’ny katarakta eto amintsika
Lasa vesatra ho an’ny ankohanana sy ny fiarahamonina ny olona voan’ny aretina katarakta noho ny olana ara-pahitana misy eo aminy, araka ny fanambaran’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Raha toa ka ny zokiolona manomboka amin’ny 65 taona hatrany no voaresaka matetika ho voan’ity aretina ity, dia fantatra ihany koa izao fa efa maro ireo tanora no iharan’izany eto Madagasikara. Saika ireo tanora diabetika no matetika lasibatra.
Manodidina ny 1 000 000 ariary eo ny fandaniana tsy maintsy hatao raha hiatrika fandidiana ny mararin’ny katarakta iray, araka ny tarehimarika navoakan’ny mpitsabo. Isan’ny sakana tsy hahafahan’ireo marary mitsabo tena araka izany ny tsy fananana enti-manana. “Tany amin’ny efa-taona tany aho no efa nanomboka voan’ny katarakta. Ny fomba nahitako azy, rehefa nakatoko ny maso ilany, dia manjavozavo no itan’ilay maso ilany. Efa nisy fotoana aho nanatona dokotera fa nilaza tamiko izy hoe tsy mbola masaka tsara ilay katarakta dia aleo miandry kely”, hoy Randrianoelina Robertson, 76 taona, isan’ireo nararin’ny katarakta niresaka taminay.
Amin’ny ankapobeny, ireo olona efa nahazoazo taona, mihoatra 65 taona no tena voan’ny areti-maso katarakta. Mihoatra ny 80%-n’ny katarakta dia any amin’ireo zokiolona avokoa, hoy ny Profesora Lea Raobela, lehiben’ny sampandraharahan’ny fitsaboana maso eo anivon’ny HJRA. Tsy voafetran’ny taona anefa ny fahavoazan’ity aretina ity, araka ny nambarany hatrany. Ireo 20% hafa, izay saika tanora avokoa ny ankabeazany, dia vokatry ny aretina hafa amin’ny vatan’ny olona. Isan’ny aretina matetika mahatonga ny katarakta ny diabeta. Izany hoe, ny “diabeta no mahatonga ny katarakta ho an’ny olona tanora”, hoy Profesora Lea Raobela. Mety hahatonga ny katarakta ihany koa anefa ny dona mahazo ny maso. Na izany aza, misy koa katarakta avy any an-kibon-dreny. Raha ho an’i Madagasikara manokana, dia manodidina ny 1 isan-jaton’ny mponina no voan’ny katarakta, araka ny fanazavan’ity tomponandraikitra ity hatrany.
Olona 450 hisitraka fandidiana maimaimpoana
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny hopitaly HJRA ny asa fitsaboana manakaiky vahoaka, dia ny fijerena maimaimpoana ny maso. Vokatry ny fiarahamiasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fahalasamana, ny Lions Club Madagascar, ny Vondrona Filatex, ary ny Fondation Elena Barraquer no nahatontosana izany, raha ny fanazavana. Fandidiana maimaimpoana ireo marary tratran’ny katarakta no atao. Zava-dehibe ny fanatanterahana izany, hoy ny ale Jeneralin’ny Famatsiana ara-pahasalamana (DGFS), satria ny fahasahiranana ateraky ny tsy fahitana dia mitondra vesatra lehibe eo anivon’ny fianakaviana. Lasa tsy manana fahaleovantena intsony ilay marary, lasa miankin-doha amin’ny olon-kafa. Ny fandidiana ihany hatreto ny fitsaboana tsara indrindra azo atao ho an’ireo tratran’ny katarakta.
Manodidina ny 90 isan’andro ireo olona ho atao fandidiana etsy amin’ny HJRA. Izany hoe, hiisa 450 ireo hisitraka izany fandidiana izany mandrapa tapitry ny hetsika, ny 15 Aprily izao. Marihina fa maimaimpoana daholo ny fandraisana an-tanana sy ny fitsaboana amin’izany rehetra izany. Ary maharitra 10 minitra eo ny faharetan’ny fandidiana marary iray.
Tsara ho fantatra fa ny Vondrona Filatex no niantoka ny fahatongavan’ireo fitaovana ampisaina amin’ity hetsika ity teto Madagasikara. Mbola ny Filatex ihany koa no nisahana ny fanafarana ny mpiara-miombona antoka, Fondation Elena Barraquer, avy any Espaina. Nilaza ny teo anivon’ny Vondrona Filatex fa ny fahatsapana ny fahasahiranan’ireo mararin’ny katarakta, izay lasa vesatra ho an’ny fianakaviana no nanosika azy ireo niantso ny Fondation Elena Barraquer. “Inoana fa afaka hanampy fianakaviana maro izany fandidiana 450 izany izay vitaina ao anatin’ny hetsika”, hoy Lalaina Randrianarivelo, tomponandraikitry ny seraseran’ny Vondrona Filatex.



