Fanadihadiana ManokanaSosialy

ARETIN’NY PRÔSTATY: Voalohany amin’ireo homamiadana mpahazo ny lehilahy eto Madagasikara

Tsy voaresaka matetika eto amintsika ny homamiadana mpahazo ny lehilahy. Homamiadana voalohany tena mpahazo azy ireo ny homamiadan’ny prôstaty. Hamafisina manokana mandritra ity volana ity ny fanentanana izany amin’ny alalan’ny hetsika “Sovambra”.

Karazana homamiadana voaresaka matetika sy hanaovana fanentanana betsaka indrindra ireo homamiadana mpahazo ny vehivavy, indrindra ireo homamiadan’ny nono sy ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza. Natokana hanamafisana ny hanentanana momba ny fampahafantarana izany sy ny fitarihana ny olona harisika amin’ny fanaovana fitiliana ny isaky ny volana oktobra. Iray amin’ireo fikambanana tsy miankina mpampiroborobo ny hetsika “octobre rose”, araka izany, ry zareo “Fondation Akbaraly Madagascar”. Andrasana ankehitriny ny antontanisa farany amin’ny vokatry ny hetsika notanterahan’izy ireo nandritra iny volana oktobra iny, raha toa ka nofaranan’izy ireo tamin’ny fomba ofisialy tany Fianarantsoa ny hetsika mifandraika amin’izany tamin’ny alakamisy lasa teo. Antontanisa farany eto am-pelatanana ny hoe vehivavy miisa 5 000 no vita fitiliana sy fanentanana momba ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza teo anelanelan’ny fiandohana sy fisasahan’ny volana oktobra lasa teo.
Tsy resahana sy tsy faheno matetika kosa anefa ny homamiadana mpahazo ny lehilahy. Araka ny tatitry ny AROM (Association d’appui à la Radiothérapie et l’Oncologie de Madagascar), niainga avy amin’ny tomban’ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS) tao anatin’ny fanadihadiana notanterahana tamin’ny 2020, dia ny homamiadan’ny prôstaty no homamiadana voalohany mpahazo ny lehilahy eto Madagasikara. Io homamiadan’ny prôstaty io no homamiadana fahatelo mpamely ny Malagasy. Izany hoe manodidina ny 10% ny antontanisan’ny olona mararin’ny homamiadan’ny prôstaty eto Madagasikara, hoy hatrany ny tatitry ny AROM. Tsara ny mahafantatra fa taova voajanahary misy amin’ny lehilahy rehetra ny prôstaty. Maro ny aretina mety hahazo io taova io ary anisan’izany sy tena misongadinba ny homamiadan’ny prôstaty.

Ny fandrosoan’ny taona, fifohana sigara…
Rehefa izany, antony 3 no mety mahatonga ny homamiadan’ny prôstaty any amin’ireo lehilahy. Voalohany amin’izany ny hoe mety tarazo na nolovaina tamin’ireo fianakaviana teo aloha izany. Mahatonga ny homamiadan’ny prôstaty ihany koa ny fandrosoan’ny taona. Ary antony fahatelo farany ny fifohana sigara.
Mety ho fitrangan’ny homamiadan’ny prôstaty any amin’ny lehilahy iray ny mamany matetika, indrindra amin’ny alina izay mety hihoatra ny in-droa. Manampy izay, manena na mangirifiry na ihany koa mety misy rà rehefa mamany.
Raha tojo ireo fambaran’aretina ireo, tokony hanatona dokotera mpitsabo avy hatrany ny olona mba hatao fizahana. Mety hisy fitiliana rà na fitarafana atao aminy ka amin’ny alalan’izany no hanamarinana fa voan’ny homamiadan’ny prôstaty ny lehilahy iray na tsia.
Mba tsy hahatongavana any amin’ireo dingana ireo, fisorohana tsara indrindra ny fanatsaharana ny fifohana sigara. Ferana ihany koa ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola. Tsy adinoana ny fihinanana hatrany ireo sakafo ara-pahasalamana sy ny fanaovana fanatanjahantena.

Hetsika “Sovambra”
Raha toa ka “octobre rose” no volana natokana hanamafisana ny fanentanana momba ireo homamiadana mpahazo ny vehivavy dia nosafidiana kosa hampahafantarana bebe kokoa ny homamiadan’ny prôstaty mpahazo ny lehilahy ity volana novambra ity: volana natokana ho an’ny ady amin’ny homamiadan’ny prôstaty. Rehefa izany, mikarakara ny hetsika “Sovambra” na “somotra amin’ny volana novambra” ry zareo ao amin’ny fikambanana AROM. Tanjon’io hetsika io ny hampahafantarana ny fisian’ny homamiadan’ny prôstaty sy ny fitiliana izany. Fanamafisana ny fanentanana ny lehilahy ihany koa mahakasika ny fitiliana ny homamiadan’ny prôstaty sy ny maha zava-dehibe ny fitiliana mialoha. Ary tanjona fahatelo farany ny hanapahana ireo fady mifandray amin’ny homamiadan’ny lehilahy.
Vontoatin’ny “Sovambra”, araka izany, ny hanentanana ny lehilahy hanalava sy hikarakara somotra mandritra ny 30 andron’ny volana novambra. Amin’ireo daty 3 nofaritan’ny AROM, mila maka sary ny lehilahy iray ary alefa hafatra miafina amin’ny pejy facebook-n’ny AROM. Izany hoe ny 04 novambra, ny 18 novambra, ary ny 03 desambra 2024. Hisy ny fanomezana sy fankasitrahina omena ireo izay tena maharesy lahatra sy nahitana fivoarana amin’ny fikarakarana ny somotrany. Isan’ny fanentana havoitra ny hoe “Ndao ny lehilahy indray no resahana” sy ny “Zava-misy ny homamiadan’ny prôstaty”. Fanentanana manokana avy amin’ny AROM ny hoe “misy fomba fitiliana mahomby ny homamiadadn’ny prôstaty. Ary manamora ny fitsaboana ny fitiliana aloha ny aretina”. Ankoatra ny Sovambra dia misy ihany koa ny hetsika karakaraina ao amin’ny pejy facebook-n’ny AROM hatrany.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer