Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

ARIVONIMAMO II: Fasana iray vaky, razana miisa 20 novorahina

Nitrangana vaky fasana tao Ambohimasina, fokontany Betafo, kaominina ambanivohitra Arivonimamo II, distrikan’ Arivonimamo. Nahazo antso rahateo, ny zandary tao Arivonimamo, ny afakomaly tolakandro, tokony ho tamin’ny 3 ora. Nidina ifotony avy hatrany ny zandary tao an-toerana,  izay notarihin’ny Zandary fototra kilasy ambony Razafindrakoto Gabin, niaraka tamin’ny Ben’ny Tanànan’ Arivonimamo II, sy ny sefo fokontany Betafo. Fasana iray no hita fa vaky, izay ana fianakaviana iray monina ao Inanibe, fokontany Manerinerina, kaominina ambanivohitra Ambohibary, distrikan’Antsirabe II ,sy ana raim-pianakaviana iray monina ao Belanitra, fokontany Betafo, kaominina ambanivohitra Arivonimamo II, distrikan’ Arivonimamo. Nahatratra 50 ny razana tao anatin’ny fasana ka ny 20 tamin’ireo razana ireo no novorahina sy nahitana fahaverezana. Ny ambiny kosa, tsy voakitika. Tao aorian’ny fizahana natao, dia naverina nohidina ny fasana.Nentanina ireo olona manodidina sy ireo tompom-pasana,  mba hanara-maso ny fasan-drazana, ary hanao fiambenana hiadiana amin’ny tranga toy izao. Hamafisina ny angom-baovao, ary misokatra ny fanadihafiana hitadiavana ireo nahavanon-doza.

Miverina mahazo laka…

Manomboka miverina mirogatra indray ny resaka vaky fasana ity tato ho ato. Vao ny  09 jolay lasa teo,  no nahazo antso avy tamin’ny lefitra voalohany ny Ben’ny tanàna ny kaominina Anakao, ny lehiben’ny Tobim-paritra ny zandarimaria ao Beheloka fa misy fasana vaky ao atsinanan’ny kaominina Anakao, amin’ny toerana fandevenan’ny foko Sara sy Tetsivoky. Niditra avy hatrany teny an-tsehatra ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena, hanao fitsirihana izay voalaza. Razana miisa enina no voasokatra ka ny foko Sara iray ary foko Tetsivoky miisa dimy. Ilay foko Sara iray, izay tsy fantatra anarana. Ny fasana faharoa, dia fasan’I Bozy sy ny zafikeliny efatra taona. Ny fasana fahatelo kosa indray, dia an’I  Taroviko-piasy-tety. Fasana miisa telo no vaky. Raha ny angom-baovao, dia ny taolan’ilay zaza 4 taona no tsy hita. Teo daholo ny taolana rehetra, afa-tsy ny maso ihany no tsy hita tamin’ireo razana miisa dimy nosavaina. Misokatra ny fanadihadiana manoloana izao tranga izao sy ny fikarohana an’ireo izay nahavanon-doza.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer