
Politika
ASA FAMPANDROSOANA : « Efa tonga saina ny vahoakan’Ambatondrazaka »
Efa miova ny fijerin’ny vahoakan’Ambatondrazaka ankehitriny. Tsy mihinana am-bolony izay voalazan’ny avy amin’ny fanoherana fotsiny ihany, izay misora-tena ho to teny sy hankatoavin’ny vahoaka. Nanamafy izany ny Depioten’Ambatondrazaka, José Alain Rakotondrazafy, izay nilaza fa efa tonga saina izao ny vahoaka, niainga tamin’ireo asa fampandrosoana rehetra efa vita sy mbola andalam-pamitana ary mbola hapetraka ao Ambatondrazaka.
Ny 23 Oktobra teo no nandalo tao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka ny Filoha Andry Rajoelina. Nisy fijerena ireo fotodrafitrasa mbola andalam-pamitana. Teo koa ny fitokanana ireo efa asa vita, toy ny Epp Manarapenitra. Ny faran’ny herinandro teo, nivahiny tao amin’ny fahitalavi-pirenena ny Solombavambahoakan’I Miarinarivo Itasy, Fetra Rakotondrasoa, sy ny Solombavambahoakan’Ambatondrazaka , José Alain Rakotondrazafy. Ity farany izay nanao vaky bantsilana ireo hevitra entin’ny mpanohitra hanenjehana ny Fitondram-panjakana, tamin’ireo asa fampandrosoana sy fotodrafitrasa napetraka ao amin’ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro. Nambarany fa tsy mitombina ny resaka voizin’ny mpanohitra izay milaza fa mitokana zavatra tsy vita akory ny Filoham-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny Kianja Manarapenitra ao Ambatondrazaka, izay nolazain’ny avy amin’ny fanoherana fa notokanan’ny Filoha. “Tsy fitokanana no natao tao amin’ny Kianja Rasolonjatovo fa fijerena ny firoson’ny asa fanamboarana. Efa ny 90%-n’ny asa izao no vita, ary tsy ho ela dia tokony ho tokanana koa izany kianja izany”, hoy ny Depioten’Ambatondrazaka. Ankoatra izay koa, nilaza ny avy eo anivon’ny fanoherana fa vola avy amin’ny Fanjakana Japoney no nanaovana ny Epp Manarapenitra ao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka. Nitsipaka izany ny Solombavambahoaka avy any an-toerana izay nilaza fa “tafiditra soa aman-tsara tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2019 ny fanamboarana ny Epp Manarapenitra ao Ambatondrazaka. Ary efa Velirano nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny hanao izany ka rariny raha ny tenany no hitokana izany”.
Finiavana politika
Teo anatrehan’izany rehetra izany, nilaza ny depioten’Ambatondrazaka fa “efa tonga saina ny vahoakan’Ambatondrazaka”. Efa tsy manaiky rebireben’ny resaka aely sy fandoton-tsaina maro samihafa intsony ny vahoaka, hoy izy. Nanam-porofo izany rahateo ny famoriam-bahoaka nataon’ny mpanohitra tany an-toerana izay tsy nahavory olona, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Filoham-pirenena tany. Ho an’I Fetra Rakotondrasoa, ankoatra ny fitsinjovana ny lafiny toekarena, finiavana hanova ny tantara sy ny fanaovana politika eto amintsika no tanjon’ny Fitondram-panjakana raha nanao ireny karazana fotodrafitrasa ireny tao Ambatondrazaka. Nambarany fa efa samy nilokaloka hanao ny lalam-pirenena faha-44 avokoa ny mpitondra rehetra nifandimby teo aloha. Nijanona ho fampanantenana hatrany anefa izany, afa-tsy amin’izao fitondrana ankehitriny izao. Vonona hanova hametraka fanovana ny mpitondra ankehitriny, hoy izy. Ho an’ity tompon’andraikitra ity, ny asa fanoherana dia tokony hitodika mankany amin’ny tombontsoam-bahoaka, fa tsy fikatsahana tombontsoa politika manokana. Raha ny fahavitan’ny lalam-pirenena faha-44 sy ny manainga zipo, hoy izy, dia tsy misy antony tokony hanoherana ny hanaovana izany mihitsy satria tombontsoam-bahoaka izany. Mbola notsiahiviny koa fa nanana fito taona ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana nanaovana ny lalam-pirenena faha-44 kanefa tsy vitany izany. Ary tsy mitombina koa ny filazana fa ny krizy 2009 no tsy nahavitana izany satria ny fampifangaroana ny orinasa manokana sy ny orinasa tokony hanao ny asa no antony tsy nahatanteraka ny asa. Noho izany, hambom-po politika diso toerana ny an’ny mpanohitra, raha ny lalam-pirenena faha-44 sy ny fampandrosoanan’Ambatondrazaka no resahina.



