PolitikaSongadim-baovaoToekarena
ASA FAMPANDROSOANA : Hahazo 400 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisampirenena isika
Ny Filankevitry ny Minisitra omaly alarobia 24 Febroary 2021 no namaritra mazava tsara fa mbola mitohy ny fiarahamiasan’I Madagasikara sy ireo mpamatsy vola iraisampirenena, isan’izany ny Banky Iraisampirenena. Ity farany izay vao hamatsy vola indray an’i Madagasikara, mitentina 400 tapitrisa dolara hanampiana ny sehatry ny fitaterana sy ny angovo. Ankoatra izay anefa dia efa misy koa ireo famatsiam-bola azo avy amin’ny mpiara-miombona antoka hafa.
Tato anatin’ny andro maromaro izay dia nahazo laka ny fanasoketana ny Fitondram-panjakana Andry Rajoelina mahakasika ny fiarahamiasa amin’ireo mpamatsy vola iraisampirenena. Nezahana naely fa nisitahan’ny mpamatsy vola ny Firenena malagasy noho ireo fanambarana samihafa navoakan’ny tahirimbola iraisampirenena sy ny banky iraisampirenena vao tsy ela akory izay. Niniana naparitaka mihitsy ny hoe “mariky ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ireny”. Raha tsiahivina anefa, ho fitsinjovan’ny Fitondram-panjakana ny sosialimbahoaka sy ny fiainana andavanandron’ny mponina no tsy nanekena ny vidin-jiro avy amin’ny Banky Iraisampirenena ka nahatonga ny fanambaran’ity farany. Omaly nanambara ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny Filankevitry ny Minisitra fa “mitohy ary mandeha ny fiarahamiasan’I Madagasikara sy ireo mpamatsy vola iraisampirenena”. Isan’izany ny Banky Iraisampirenena izay hamatsy vola mitentina 400 tapitrisa dolara natao ho an’ny sehatry ny fitaterana sy ny angovo tafiditra ao anatin’ilay fandaharanasa “Gouvernance des Infrastructures et la Connectivité”. Eo am-pandinihana miaraka izany ny Fitondrana sy ny Banky iraisampirenena ankehitriny, araka ny fanazavana. “Mitohy ny fiarahamiasa sy ny fifampidinihana eo amin’ny lafiny rehetra mba hahatanteraka ireo tetikasa rehetra izay efa voafaritra sy mbola hamafisina miaraka amin’ity vondrona iray ity”, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra.
Mpiara-miombona antoka hafa
Ankoatra ny Banky iraisampirenena anefa, voaresaky ny Filankevitry ny Minisitra koa ny mahakasika ireo mpiara-miombona antoka hafa amin’I Madagasikara, toy ny Vondrona Eoropeanina. Ity farany izay hanome famatsiam-bola mitentina 492 Euros izay tafiditra amin’ilay tetikasa antsoina hoe “PIN (Programme Indicatif National) anatin’ny andiany faha-11 eo amin’ny “Fonds Européen de Développement”. Etsy ankilany, hisy 490 tapitrisa dolara avy amin’ny USAID eo amin’ny sehatra maro ara-toekarena sy ara-tsosialy. Fandaharanasa 15 misahana tetikasa 147 kosa no entin’ny Firenena mikambana eto amintsika ary hizoran’ny fiarahamiasa ankehitriny. “Eo andalam-pametrahana ny lamina vaovao isika ankehitriny ao anatin’ilay antsoina hoe: “Plan Cadre de Coopértion des Nations Unies pour le Développement Durable » , hoy ny fampitam-baovao. Marihana fa ireo tetikasa rehetra iarahana amin’ireo mpamatsy vola dia natao mifanandrify amin’ny PEM izay mamaritra ny fanatsarana entin’ny Fitondram-panjakana.
Zotra roa no ho vita afaka roa taona, hoy ny Fanjakana, mahakasika ilay tetikasa fanamboarana “téléphérique” eto an-drenivohitra. Isan’izany ny mampitohy an’Anosy sy Ambatobe izay handehanana anatin’ny 30 minitra, zotra mirefy 9,21km antsoine hoe « zotra mena » ahitana fiantsonana miisa efatra sy pylonnes miisa 19. Manelanelana an’Anosy sy Ambanidia kosa no zotra manaraka izay antsoina hoe “Zotra mavo”, mirefy 2,60km ny elanelana ary 10 minitra eo no hanaovana azy, izay ahitana fiantsonana 8 sy pylonnes miisa 56. « Cabines miisa 174 afaka mitondra olona 10 ka hatramin’ny 12 no hiasa amin’ireo zotram-pitaterana ireo ka mpandeha eo amin’ny 28 000 ka hatramin’ny 38 000 no ho voatatitra isan’andro. Hovitaina mialohan’ny hanaovana ny lalaon’ny Nosy eto amintsika ny taona 2023 ny asa », araka ny fantatra.




