Songadim-baovaoToekarena
ASA FAMPANDROSOANA : Omena sehatra ireo manam-pahaizana malagasy avy any ivelany
Fandaharanasa iray ao anatin’ny tetikasa Tan-tsoroka ho an’ny Diaspora (TADY) ny Expert’Izy, manampy an’ireo fandaharanasa roa hafa efa ao, dia ny “Loharano” sy “Tady Dago”. Araka ny fanazavan’ny Tale Jeneraly misahana ny fiarahamiasa sy ny fampandrosoana eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ramatoa Lanto Rahajarizafy, ny “Expert’Izy” dia natao hanentanana ireo manam-pahaizana malagasy any ivelany handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Izany hoe, ireo rafitra aty Madagasikara, indrindra ireo any amin’ny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana na sehatra tsy miankina, ka manana filàna amina “expert”, dia mandefa ny antontan-taratasy izay ho fenoin’izy ireo. Rehefa fantatra ao anatin’ny antontan-taratasy izany filàna izany, izay tokony hifanaraka amin’ny teti-pampandrosoana an’i Madagasikara sy ny fampandrosoana ifotony, dia haparitaka amin’ireo diaspora manampahaizana manokana malagasy amin’ny alalan’ireo Masoivoho malagasy any ivelany. Izy ireo avy eo no mijery izay azo valiana amin’ireo filàna.
Mandritra ny efatra herinandro eo farafahabetsany no hijanona eto Madagasikara ireo “expert” malagasy ireo, hitondra ny fahaiza-manaony. Afaka mitohy hatrany anefa, aorian’izay, ny fifandraisana eo amin’ilay manam-pahaizana malagasy sy ireo izay nila azy aty Madagasikara, araka ny fanazavana hatrany.
Marihina fa raha tamin’ny 2022-2023 manokana, izay nanaovana fanadihadiana momba ireo diaspora manana fahaiza-manao monina any Frantsa sy Suisse, dia fantatra fa ny sehatry ny fampianarana, fahasalamana, fampandrosoana, ary ny fitantanan-draharaham-panjakana, no tena hiseharan’izy ireo. Tsy Eoropa ihany anefa no voakasika amin’ity fandaharanasa “Expert’Izy” ity fa manerana izao tontolo izao mihitsy, ka heverina fa hihitatra izay sehatra ho voakasika izay.
Haharitra herintaona moa ny fanatanterahana azy ity, ka “expert” malagasy avy any ivelany miisa 20 no andrasana ao anatin’izany. Raha tsiahivina, ny AFD no mamatsy vola ity tetikasa ity, ary ny Expertise France kosa no manome ny tan-tsoroka teknika sy ara-bola.



