PolitikaSongadim-baovao

ASA FAMPANDROSOANA : Tsy nataon’ny Filoha zanak’Ikalahafa Ambatondrazaka

Tsy arakaraky ny fanatsatsoana sy ny fanakianana ataon’ny olona sasany fa tsy latsa-danja amin’ireo distrika maro eto Madagasikara Ambatondrazaka ankehitriny. Betsaka ny fotodrafitrasa efa vita sy mbola andalam-pahavitany any an-toerana. Entina hanamporofoana fa tsy nataon’ny Filoha Andry Rajoelina zanak’Ikalahafa ity renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro ity. Omaly, nisy ny fidinana nataon’ny Filoha, niaraka tamin’ireo delegasiona notarihiny, tao Ambatondrazaka.

Raha ny fanakiviana sy ny fanatsatsoana ataon’ny avy ao amin’ny fanoherana dia tahaka ny fampanantenana poakaty no nataon’ny Filoham-pirenena ho an’ny vahoakan’Ambatondrazaka, ny taona 2019 lasa iny. Fony izy nandalo tao Ambatondrazaka tokoa mantsy, ny faraparan’ny taona 2019 dia nampanantena fotodrafitrasa maro, hampandrosoana ity renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro ity. Ankehitriny, efa misy amin’izy ireny no vita, ary ao koa ireo mbola andalam-pahavitany. Isany notokanana omaly izao ny seranam-piaramanidina ao Feramanga izay nohavaozina. “Tsy hitoka-monina intsony ny tanàn’Ambatondrazaka fa misokatra ankehitriny ny seranam-piaramanidina eto Feramanga. Hampandroso sy hampifandray an’Ambatondrazaka amin’i Madagasikara iray manontolo ny fametrahana izao fotodrafitrasa izao”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fitokanana izany omaly. Vita tara tanteraka ihany koa ny lalana miainga avy eo amin’ity seranam-piaramanidina ity mivoaka amin’ny lalam-pirenena faha-44, araka ny efa nampanantenain’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fandalovany tao an-toerana tamin’ny taona 2019. Ankoatra izay, nijery ny firosoan’ny asa fanamboarana ny “Pont Kafe”ihany ko any Filoham-pirenena nandritra ny fitsidihany tao Ambatondrazaka. 60% ny asa no vita ankehitriny, araka ny fampitam-baovao. Nampiakarina ny hahavon’ ity tetezana ity ary narafitra mba tsy ho difotry ny rano intsony rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra.

Epp Manarapenitra

Tsy diso anjara tamin’ny fisitrahana Epp Manarapenitra ihany koa Ambatondrazaka. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tokoa manty ny EPP Manarapenitra Sabotsy Ambatondrazaka. Araka ny fanazavana, hahazaka mpianatra miisa 600 ity sekoly ity ary ahitana ny kilasy « préscolaire » hatramin’ny Taona fahadimy. Ankoatra ny fotodrafitrasa vaovao sy ny fampitaovana rehetra ao anatiny, dia nahazo fitaovam-pianarana vaovao avokoa ireo mpianatra, miaraka amin’ireo boky fianarana taranja samihafa sy ny rakibolana. Fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ny hananganana fotodrafitrasa mendrika ho an’ireo zaza mianatra amin’ireo sekolim-panjakana manerana ny nosy mba hamporisihana azy ireo hazoto sy hifantoka hatrany amin’ny fianarana.

Tokatrano 6000 hisitraka Tosika Fameno

Ho fanohanana ny vahoakan’Ambatondrazaka noho ny krizy nateraky ny Covid-19, dia nisy tohana ara-tsosialy natolotry ny Fanjakana ho azy ireo. Araka izany, tokantrano sahirana maherin’ny 6000 no hisitraka ny Tosika Fameno. Efa nisy ny fizarana tamin’ny volana septambra lasa teo ary fanombohana ny andiany faharoa no notanterahina omaly. Haharitra telo volana ny fitsinjarana ity fanampiana ity, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Ny fanatanterahana izao dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Paositra Money sy ny PAM.

Fermer