PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

ASA FANAOVAN-GAZETY: Manan-jo hanana birao vaovao ny holafitra

Isany nanontanian’ny depiote ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, omaly teny amin’ny CCI Ivato, ny mahakasika ny tsy fifankahazoana eo amin’ny Minisitera sy ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety. Nilaza ny minisitra fa efa telo taona izao no lany fe-potoam-piasan’ ireo birao ankehitriny ka manan-jo hahazo birao vaovao ny holafitra. Ny fomba hahatongavana amin’izay fifidianana izay kosa no misy tsipahin’ireo birao sasany ao amin’ny holafitra ankehitriny.

Nanazava ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa zavatra voalohany toherin’ny Biraon’ny Holafitra ankehitriny, ny mahakasika ny vaomiera ikambanana isasahana, izay hiandraikitra ny fanomezana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety. Io karatra io no hahafahana ihany koa miroso amin’ny fifidianana ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety vaovao. Ny lalàna mahakasika ny vaomiera ikambanana isasahana, ao amin’ny andininy faha-55, ao anatin’ny lalàna lf 2020-006, mifehy  ny serasera amin’ny Haino Vaky Jery, dia milaza mazava fa misy solontenan’ny mpanao gazety ao anatin’ny vaomiera, misy koa solontenan’ny Holafitry ny mpanao gazety. Tsara marihana fa ny ekipan’ny Minisitera ankehitriny no nanao io fampidirana ny solontenan’ny Holafitry ny mpanao gazety io ho ao anatin’ny vaomiera ikambanana isasahana, izay tsy nisy izany ny lalàna teo aloha. Tanjona ny mba hahafahana mametraka amin’ny toerana izany holafitra eto amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Misy koa anefa solontena iray avy amin’ny minisitera, ary solontena avy amin’ny tompona haino aman-jery. Ireo no voalazan’ny lalàna. « Atao par voie reglementaire ny fanatanterahana izay. Araka izany, nanao “texte reglementaire” ny minisitera tomponandraikitra, izay nametraka hoe manana solontena telo ny holafitra ao anatin’io vaomiera io, izay mpikambana avy hatrany ny Filoha, solontena iray avy amin’ny minisitera, solontena iray avy amin’ny mpanao gazety zokiolona, ary solontena roa avy amin’ny tompona haino aman-jery”, hoy ny Minisitra. Izany hoe, iray amin’ny fito amin’ireo mpikambana ao anaty vaomiera izany no avy  amin’ny minisitera. Midika izany fa tsy mitombina ny filazana fa mikasa hanao ampihimamba ny vaomiera ny minisitera.

Filoha lefitra isaky ny Faritra

Etsy ankilany, isany hanenjehan’ny Holafitry ny mpanao gazety ny minisitera ankehitriny koa dia ny fomba fifidianana ny biraon’ny Holafitra, izay niova araka ny lalàna lf 2020-006. Nanamafy ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa ny famolavolana lalàna no anjara asan’ny fahefana mpanatanteraka. Raha ho an’ny lalàna mifehy ny serasera manan-kery amin’izao fotoana io, dia tsy nisy mihitsy fanitsiana nentin’ny fahefana mpanatanteraka mahakasika azy io, tamin’ny fotoanandrony, na izany tamin’ny filankevitry ny minisitra, na ny filankevitry ny Governemanta. Rehefa nandalo ny antenimiera roa tonta kosa ny volavolan-dalàna no nisy ny fanitsiana nentin’ny parlemantera. Ary anisany fanitsiana nentin’ny teo anivon’ny Antenimierandoholona ny mikasika ny fomba fifidianana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety. Raha tsiahivina dia noho ny fandalana ny fitsinjaram-pahefana no nanovan’ny Antenimierandoholona ny Filoha lefitry ny Holafitra ho isaky ny Faritra fa tsy ho isaky ny Faritany, toy ny teo aloha intsony. Tsara tsindriana ihany koa anefa fa na ny Filohan’ny Antenimierandoholona aza dia nilaza tamin’izany fotoana fa naka ny hevitry ny Holafitry ny mpanao gazety, nialohan’ny nanaovana io fanitsiana io. Mbola nolanian’ny Antenimieram-pirenena ihany koa izany, fa tsy nanisy fanovana intsony ny Depiote. Midika fa tsy nisy nidiran’ny Minisiteran’ny Serasera ankehitriny mihitsy ny fanovana io fomba fifidianana vaovao ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety io.

Fermer