Songadim-baovao

ASA FANAOVAN-GAZETY : Miroso ny fikarakarana ny karatra maha matihanina

Tontosa omaly ny fivoriana voalohan’ireo mpikambana ao amin’ny Vaomiera Itambarana miandraikitra ny fanaovana ny Karatra ho an’ny Mpanao Gazety matihanina, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fivoriana izay azo sokajiana ho dingana iray voalohany hirosoana mankany amin’ny fikarakarana ny karatra ho an’ny Mpanao Gazety matihanina, izay antoka mitondra any amin’ny fanavaozana ny biraon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara. Araka izany, natomboka tamin’ny fifidianana izay ho filoha mpanatanteraky ny vaomiera ny fivoriana, ka Andriamatoa Jean Aimé Rambeloson, avy amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Zokiolona no voafidy tamin’izany. Araka ny fanazavan’ny teo anivon’ity Vaomiera ity, ho firosoana amin’ny asa, dia hampiantso fivorian’ireo mpikamban’ny vaomieram-paritany sy vaomieram-paritra ny Vaomiera Nasionaly amin’ny fiandohan’ny taona 2021. Tanjona amin’izany ihany koa ny hanadiovana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Azo antenaina, noho izany, fa hitondra ainga vao ho an’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety indray io taona hitsidika io satria efa an-dalana ny fikarakarana ny karatra maha matihanina. Azo antoka fa tsy ho ela aorian’izay dia hirosoana ihany koa ny fifidianana izay ho birao vaovaon’ny Holafitry ny mpanao gazety indray.

Fermer