PolitikaSongadim-baovao

ASA FANAOVAN-GAZETY : Mpanao gazety miisa 1 509 hisitraka karatra maha matihanina ny Janoary 2022

Notontosaina tetsy Anosy ny lanonana nanoloran’ny vaomiera itambarana isasahana misahana ny famoahana ny karatra maha matihanina ireo antontan-taratasin’ny mpanao gazety nanao fangatahana hahazo karatra amin’ny birao maharitry ny holafitra vaovao (OJM). Nifanindran-dalana tamin’izany koa ny fifanaovan-tsonia fifanarahana eo amin’ny OJM sy ny Minisitera momba ny fampiasana ireo efitrano natokana ho birao iasan’ny holafitra any amin’ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina isam-paritra.

Mpanao gazety manerana ny Nosy miisa 1 509 no hahazo ny karatra maha matihanina ny volana Janory 2022 izao, araka ny tatitra nentin’ny vaomiera niandraikitra izany. Zava-dehibe ny fahatontosan’izany ho an’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety Malagasy izay manaporofo amin’ny firosoana hatrany any amin’ny maha tena matihanina ny asa fanaovan-gazety sy ny rafitra natao handrindra ny asa. Hisokatra amin’io Janoary 2022 io ihany koa ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo mpanao gazety mbola tsy voasoratra maniry hahazo ny karatra, ary mahafeno ny fepetra.

Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety (OJM), Monica Harifeno Rasoloarison, dia natao ho manarapenitra sy manaraka ny toetr’andro tanteraka ity karatra ho avoaka amin’ny volana Janoary izao ity. Ankoatra ireo mombamomba ny mpanao gazety tsirairay, dia isan’ny ho hita amin’ny karatra ihany koa ny « QR Code », izay natao indrindra hisorohana ny fanaovana hosoka ny karatra. Efa nisy omaly ny fampisehoana ny mahakasika ity karatra ity nataon’ny OJM sy ireo teknisianina miaraka aminy. « Manomboka izao rehefa misy hetsika hanasana mpanao gazety dia azon’ny mpikarakara atao ny manamarina ny tena mpanao gazety marina amin’ny alalan’io QR Code io », hoy Filohan’ny OJM.

Hipetraka ho « Conseil de discipline » ny OJM

Nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo nandritra ny lahateniny fa ezaka goavana no vitan’ny Minisitera amin’ny fametrahana amin’ny toerana sahaza azy ny sehatry ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, izay tsy nataon’ny fitondram-panjakana ambanin-javatra velively. Isan’ireo dingana goavana sy misongadina amin’izany ny fahalanian’ny lalàna mifehy ny Serasera amin’ny haino vaky jery, izay nanomboka nihatra ny volana Septambra 2020. Manomboka izao hanana fahefana malalaka ny holafitra hitsirika ny fampiasana ny karatra sy ny fanomezana izany ho an’ mpanao gazety. Hipetraka ho « Conseil de discipline » ihany koa ny Holafitry ny mpanao gazety manomboka izao, hijery ireo fihoaram-pefy ataon’ny mpanao gazety tsy ankanavaka. Tsy midika velively ho tsy maty manota ny fananan’ny mpanao gazety karatra. Sambany hoy Ramatoa Minisitra vao mba hanana ny antsoina hoe « Tableau de l’ordre des journalistes de Madagascar » isika ary voalohany ihany koa amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

Fermer