Songadim-baovaoSosialy

ASA FIKAROHANA: Tokony hisy fiantraikany amin’ny fampandrosoana ny firenena

Manodidina ny 0,01% amin’ny tetibola ankapoben’ny Fanjakana no natokan’ny Fitondram-panjakana hatramin’izay ho an’ny sehatry ny fikarohana, raha ny nambaran-dRamatoa Rondro Bao Hanta, Filohan’ny fikambanan’ny mpikaroka mpampianatra eto Madagasikara. Ny firenena mikambana anefa, hoy izy, dia mametraka fa tokony ho 1% izany farafahakeliny, ary misy mihitsy aza firenen-kafa efa manokana ny 5% amin’ny tetibolam-panjakana amin’ny tontolon’ny fikarohana. Midika izany fa mbola mila ezaka goavana ny fanomezan-danja ny sehatry ny fikarohana eto amintsika.
Izany indrindra no anton’ny hetsika izay notanterahin’ny fikambanan’ny mpikaroka mpampianatra na ny “ACE” omaly. Lohahevitry ny hetsika natao teny amin’ny Akademia malagasy ny hoe « fandrafetana indray ny rohivoarin’ny tonton’ny siansa eto Madagasikara, mba hananan’ny tontolon’ny fikarohana sy ananan’ny mpikaroka ny anjara toerany eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena”. Araka izany, nisy ny dinik’asa ara-teknika nataon’ny ACE nahafahana namantatra ny tokony ho fenitra tratrarina amin’ny hoe “mpikaroka”. Nambaran’izy ireo fa betsaka ireo mpikaroka. Saingy matetika misy tsy mahalala akory hoe inona no andrasana aminy. Ho an’ny eny anivon’ny ivotoeram-pikarohana sy ny eny amin’ny Oniversite dia mahalala ny andrasana aminy. Fa misy kosa ireo mpikaroka ivelan’izany izay tsy mahalala.
Tafiditra tao anatin’ny dinik’asa izay natao omaly koa ny tokony hanamafisana ny fahaiza-manao omena ny mpikaroka mba hahafahana manatratra ny fenitra, sy hahafahan’ny mpikaroka mivelatra mba ho fototry ny fampandrosoana ny firenena tokoa. Ankoatra izay, nodinihina ihany koa ny mahakasika ny fifandraisana ao amin’ny Minisitera foibe. Izy ireo moa tsy hoe miankina amin’ny Minisitera mivantana fa ireo mpikambana ao amn’ny ACE no mpikambana ao amin’ny Minisitera. Tsara ho fantatra fa ny ACE dia mipetraka foana ho fikambanana mpanolo-kevitra, mba hifotoran’ny Minisitera foibe amin’ny fanapahan-kevitra raisina mikasika ny mpikaroka sy ny tontolon’ny fikarohana, araka ny fanazavana.
Araka ny fanampim-panazavana dia ao anatin’ny vina koa ny famokarana tahirin-kevitra teknika iray mba handrafetana ireo tolo-kevitra avy amin’ny ACE ho fampandrosoana ny firenena. Io tahirin-kevitra io dia homena ny mpanapa-kevitra rehetra eto amin’ny firenena.
Anisan’ny mpanohana ity hetsika ity moa ny YAS Madagascar, izay manome lanja hatrany ny tontolon’ny fikarohana eto Madagasikara.

LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer