PolitikaSongadim-baovao

ASA HO AN’NY VAHOAKA: Niantso ireo Minisitra ho eny an-kianja ny Filoha Rajoelina

Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo fa tsy tokony eo amin’ny birao ihany no ahitana ireo minisitra isan-tsokajiny fa tokony hita miasa miaraka amin'ny vahoaka eny an-kianja.

Taorian’ireo lahadinika rehetra nifampiresahana nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo dia nanao fanaraha-maso ny momba ireo fanampiana nalefa ho an’ireo distrika nitondra takaitra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza HONDE ny Filohan’ny Repoblikan, rehefa avy nidina ifotony nijery ny tena zava-misy tany an-toerana, ny herinandro lasa teo. Nanomboka ny alatsinainy teo no efa miparitaka ao amin’ny fokontany miisa 28 ao Toliara ireo vary mora amin’ny vidiny 500ar ny kapoaka. Misy 10 taonina kosa ireo nalefa any Androka sy Itampolo izay vinavinaina ho tonga any an-toerana anio.

Nohamafisin’ny Filohan’ny Repoblika fa mila fanaraha-maso akaiky ny fivarotana ireo vary mora ireo, izay tokony hatao in-telo isaky ny herinandro ary atao mangarahara eo imason’ireo fokonolona. Nanome toromarika ihany koa ny Filohan’ny Repoblika ny tsy maintsy hahatongavan’ireo karinem-pokontany hatrany amin’ireo kaominina farany lavitra indrindra mba hahafahana mizara ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro hanarahana ny asa sosialy atao ho an’ny vahoaka. “Nohamafisiny hatrany fa tsy tokony eo amin’ny birao ihany no ahitana ireo minisitra isan-tsokajiny fa tokony hita miasa miaraka amin’ny vahoaka eny an-kianja”, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra.

Ankoatra izay, efa manakaiky ny fandraisana ny Fihaonana an-tampon’ny Komision’ny Ranomasimbe Indiana ka nanome toromarika hatrany koa ny Filoha ny tsy maintsy hisian’ny fivorian’ny mpikarakara rehetra in-droa isaky ny herinandro farafahakeliny ho an’ireo mpikarakara rehetra voakasika. Ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika no hitarika izany fivoriana izany.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer