Songadim-baovaoSosialy
ASA SOSIALY – AFF : Zazalahy 33 natao famorana maimaimpoana tao amin’ny boriborintany fahefatra
Toy ny fanaon’ny fikambanana Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana (AFF) isan-taona dia nisokatra ny sabotsy teo ny vanim-potoan’ny famorana taona 2025 teny Anosibe Ouest II Boriborintany faha IV, tao amin’ny Dispensaire Fahasoavana. Ankizy miisa 33 isa izay avy amin’ny fianakaviana tena sahirana no nisitraka izany mamaimpoana, ka 2 tamin’ireo ankizy no hita fa nanana olana ara-pahasalamana ka noraisin’ny Ramatoa Filohan’ny AFF, Haingo Ravatomanga an-tanana ny fitsaboana azy ireo.
Nambaran’ny Raim-pianakaviana nanan-janaka nisitraka ny hetsika sosialy fa nahafa-pahasahiranana azy ireo tanteraka ny fisian’ity famorana maimaimpoana notarihin’ny Fikambanana AFF ity, izay iarahany miasa amin’ny Dispensaire Fahasoavana.
Ny Filohan’ny Fikambanana AFF, Ramatoa Haingo Ravatomanga kosa, tetsy ankilany, dia nanamafy fa hetsika efa fanaovan’izy ireo isan-taona ity hetsika ity. Notsindriany fa miara-miasa amina mpitsabo matihanina izy ireo ao anatin’izao hetsika izao. Noho izany, tsy misy ahina ny mahakasika ny fahasalaman’ireo zaza natao famorana. Tsara ho fantatra fa misehatra amn’ny lafiny maro ny AFF, toy ny Fambolena, fiompiana, jono, tontolo iainana, fampianarana, angovo, fampiofanana, fampitaovana ireo sahirana mba hahafahanny mivelona ary mampandroso.




