Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

ASA TSY ARA-DALÀNA ANATY SERANAM-PIARAMANIDINA : Olona telo voasambotra, nidoboka am-ponja ny roa

Tsy kely lalana ny ratsy! Araka ny fampitam-baovao, dia fiarakaretsaka tsy ara-dalàna roa nogiazana sy mpibata entana telo lahy nosamborina, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ny tao amin’ny Kaompania seranam-piaramanidina Ivato no tompon’antoka tamin’ny fanadihadiana sy ny famotorana ny raharaha. Ireo olona nosamborina, rehefa tratra nanao asa fibatana entana tsy nanara-dalàna, sady nandrahona anaty seranana. Izy ireo izay, tsy mandray vola ariary fa “Euro” sy Dolara ihany. Tsy vitan’izay, fa manao herisetra amin’ireo mpandeha,  mpanatitra ary mpitsena eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato eny. Taorian’ny fiakarana teny amin’ny Fampanoavana teny Anosy, afakomaly,  izy ireo, dia notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny roa. Tiana  ny manamarika fa tsy vao izao no nisy tranga tahaka izao, eny amin’ny seranam-piaramanidina fa misy tranga maro hafa.

Manana ny didy aman-dalàna mifehy azy manokana ny fitaterana an’habakabaka sy ny seranam-piaramanidina. Ny asa sy tolotra rehetra ao dia tsy maintsy manaraka ny fenitra takina sy ny rafitra ara-dalàna. Araka ny lalàna mifehy azy ireo, fa izay rehetra mandika ny lalàna mandrara ny fanaovana asa tsy ara-dalàna ao anatin’ny faritry ny seranam-piaramanidina dia hiharan’ny sazy fitazonana am-ponja 1 ka hatramin’ny 3 volana na mandoa lamandy 5 hetsy ka hatramin’ny 5 hetsy sy iray tapitrisa ariary na ny iray amin’ireo.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer