Toekarena

ATERINETO: Mirona amin’ny fanenam-bidy sy fampiakarana ny habetsaky ny tolotra ireo orinasam-pifandraisana

Miezaka mitondra vahaolana manoloana ny fitarainan’ny mpanjifa momba ny vidin’ny aterineto ambony ireo tompon’andraikitra tandrify izany. Izay indrindra no nahatonga ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) nifampiraharaha niaraka tamin’ireo orinasam-pifandraisana eto Madagasikara ka hampiroborobo ny fampisitrahana aterineto ho an’ny daholobe amin’ny alalan’ny fanenam-bidy. Manomboka mirona amin’izany fampidinana vidin’ny aterineto izay ireo orinasam-pifandraisana eto amintsika ankehitriny. Ho an’ny orinasa Orange Madagascar manokana, nohazavain’ny tompon’andraikitra fa efa ela izy ireo no naminavina tolotra mifandraika amin’izany. Maro amin’ireo mpanjifan’izy ireo ihany koa no nanao fangatahana tolotra aterineto amin’ny sarany latsaky ny 50 000ariary. Rehefa izany, nampahafantarin’ny Orange Madagascar omaly ny tolotra vaovao Wifiber Go izay hahazoana tolotra aterineto 100Go amin’ny vidiny 49 000ariary, azo ampiasaina mandritra ny iray volana. Fantatra fa anisan’ny vidina aterineto mora indrindra aty Afrika io atolotry ny orinasam-pifandraisana io.
Tsy voafetra hatreo, nampiakatra ny habetsaky ny tolotra aterineto ihany koa ry zareo ao amin’ny Orange. Raha toa ka 150Go ny tolotra Wifiber Go+ teo aloha dia niakatra ho 250Go no azo ampiasana ankehitriny. Tafakatra hatramin’ny 500Go ny aterineto azo ampiasaina ao anatin’ny tolotra Wifiber Discovery raha toa ka 300Go izany tany aloha. Ary mahatratra hatramin’ny 900Go no sitrahana ao anatin’ny Wifiber Prime. Tanjon’ity orinasam-pifandraisana ity, araka izany, ny hahafahan’ny vahoaka rehetra misitraka tolotra aterineto amin’ny kalitao tsara, mandray anjara amin’ny fahafehezana ny teknolojia vaovao sy nomerika.
Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer