Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

ATLETA NIBATA FANDRESENA IRAISAMPIRENENA : Nankasitrahan’ny Fitondram-panjakana ireo nitondra avo ny voninahi-pirenena

Noraisin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, omaly tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ireo atleta namiratra sy mendrika nitondra avo ny voninahi-pirenena, amin’ny tompondaka manerantany sy tompondakan’i Afrika azy ireo. « Miaraka mankalaza izany fandresena izay norombahinareo izany, satria nanakoako ny lazan’i Madagasikara, ka mendrika ny fankasitrahana tokoa izao fahombiazana goavana nentinareo an-tanindrazana izao. Tsy misy ny kisendrasendra, ny maha tompondaka, fa misy ezaka natao tao, izay ahafahanao mitondra sy mibata izany fandresena izay », hoy ny Filoha nandritra ny lahateniny. Rehefa hikirizana ny zavatra, dia tsy maintsy tonga amin’ny fandresena. Fantatsika fa ao anaty ady mafy tokoa mantsy no vao mainka maha sarobidy ny fandresena. Fa nohamarininareo ilay fiteny hoe : « tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto. Ary tsy misy nofy tsy ho tanteraka izany, raha toa ka ataonao am-pitiavana sy hikirizana ny zavatra rehetra », hoy izy.
Maneho firaisam-po ny Malagasy rehetra….
Atleta 35 mianadahy ireo nibata fandresena, ka nandrombaka medaly volamena, volafotsy sy alimo tamin’ny fifaninanana ho tompondaka manerantany sy eto Afrika, teo amin’ny taranja misy tsirairay avy, Ao anatin’izany ny taranja jiujitsy, ny tsipy kanetibe, ny fibatana fonjamby, ny judo, « tennis de table », « échec », lomano ary ny « kick boxing ». Ny fandresena nobataina dia maneho ny firaisam-pon’ny Malagasy rehetra izay manohana, raha ny nasongadin’ny Filoha.
Sambany isika nahazo medaly marobe ohatran’izao hatramin’izay naha Madagasikara an’i Madagasikara. Anisan’izany farany teo, dia tompondaka erantany, tamin’ny alalan’i Zigle na i Jean François Daniel, tamin’ny alalan’ny « tir de précision ». Vao farany teo isika, dia ireto manoloana antsika ireto, dia tompondakan’i Afrika isika, tamin’ny taranja « kick boxing ». Araka ny notenenin’ny filohan’ny federasiona teo hoe, 13 no atleta nifaninana tany, fa 10 no nahazo medaly volamena. Voalohany isika fa tsy farany, ary miezaka isika amin’ny lafiny rehetra, raha ny fanampim-panazavana.
Notolorana lelavola…
Ho an’ny tompondakan’i Afrika, tsirairay avy, izay nahazo medaly volamena, dia mahazo 4 tapitrisa Ar. Ho an’ireo nahazo tompondaka eran-tany tsirairay avy dia mahazo 5 tapitrisa Ar. Ho an’ny medaly volafotsy, tompondakan’i Afrika, 3 tapitrisa Ar. Ireo nahazo medaly volafotsy, tompondaka eran-tany, dia 4 tapitrisa Ar. Ho an’ireo nahazo medaly alimo kosa, dia 2, 5 tapitrisa Ar ho an’ny medaly alimo, raha 3 tapitrisa Ar ho an’ny tompondaka eran-tany. Ho an’ireo mpanazatra sy ekipa teknika, mahazo « prime » mitovy amin’ny medaly azon’ny tsirairay. Ny fandresena azo, tsy ho azy ireo irery, fa ho an’ny vahoaka malagasy tsy vaky volo. Ny fanatanjahantena dia mampiray, mampivondrona ary mampifankatia ny Malagasy rehetra, raha ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina hatrany.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer