PolitikaSongadim-baovao
ATSIMO ATSINANANA: Hamaly fitia ny vahoaka, vonona hampandany ny Kandidà Rajoelina
Tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana no nanohizan’ny kandidà Andry Rajoelina ny fampielezan-kevitra. Vangaindrano, Farafangana, Manakara. Tsy mivadi- belirano ny kandidà Andry Rajoelina ny vahoaka fa vonona ny hamaly fitia hampandany azy, araka izay tratra noho ireo fotodrafitrasa maro vita sy ny fanohanana nataony…
Tsy mitsahatra ny manatontosa ny fampielezan-kevitra i Andry Rajoelina, misalotra ny Volomboasary. Nanamafy ny kandidà laharana fahatelo fa tia an’ny mponin’i Vangaindrano ary ao am-pony ny vahoaka ao amin’ity distrika eo anivon’ny Faritra Atsimo Atsinanana ity. »Mankatia anareo aho ary ato am-poko mandrakariva ianareo », hoy izy raha nanomboka ny fampielezan-keviny tao an-toerana.
Distrika mamokatra sy manana mponina mavitrika i Vangaindrano, ary mila tohanana sy ampiana, raha ny fomba fijerin’ny kandidà Andry Rajoelina. Hanampy an’ireo tantsaha hamokatra kokoa sy hampitombo ny fahefa-mividin’izy ireo, araka izany. ny kandidà laharana fahatelo. Manan-karena jirofo mantsy i Vangaindrano ka hanampy tosika an’io seha-pihariana io ny kandidà laharana fahatelo. »Hatsangantsika eto ny ozinina fanodinana jirofo ho lasa lohamenaka (Huile essentielle), haodina eto amintsika ihany io ary hanome asa sy hampitombo ny fahefa-mividin’ny mponina. Efa tafiditra ao anatin’ny tetikasa « One district, one factory » na distrika iray , orinasa iray na ny Odof izany, ary efa eny ambony sambo io ozinina io. Nisy fitomboany rahateo ny vidin’ny kilaon’ny jirofo fanondrana, ka raha 15 000 ariary izany teo aloha dia niakatra ho 25 000 Ariary izany ankehitriny.
Tsy ho hadino intsony i Vangaindrano, ary hataon’ny kandidà laharana fahatelo laharam-pahamehana ny fanorenana fotodrafitrasa ao an-toerana. »Ianareo no ataoko lohalaharana amin’ny fe-potoam-piasako manaraka », hoy Rajoelina Andry. Somary nisy fahatarana noho ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19 mantsy ny fanorenana fotodrafitrasa tao amin’ity distrika ahitana ny foko Antesaka ity. Hisy, araka izany, ny fanorenana Hopitaly manara-penitra sy ny kianja manara-penitra ao Vangaindrano, raha ny fampanantenan-dRajoelina Andry, kandidà laharana fahatelo. Isan’ireo distrika nahazo fanampiana betsaka kosa anefa, ny tao an-toerana, taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza maro nifanesy.
»Ho avy matetika eto Prezidà hanampy anareo. Hijery anareo tanora sy ny isan-tokantrano », hoy izy nahitsy. Nambaran’ny kandidà laharana fahatelo fa hiainga isaky ny kaominina eny ifotony amin’izay ny fampandrosoana amin’ny dimy taona manaraka hitondrany ny Firenena. »Hiainga eny amin’ireo Ben’ny tanànana ireo tetikasa rehetra », hoy ihany i Andry Rajoelina. »Ny olona hafa mbola mampanantena, isika efa niasa ary mbola vonona ny hanohy », hoy izy.
Zava-dehibe ny fahavitan’ny lalana…
Na dia nafana sy nigaingaina aza ny andro aty amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy, tsy nahasakana ny vahoakan’i Farafangana ho tonga marobe teo amin’ny kianja fanaovam-baolina eto an-toerana izany hiaino sy hitafa mivantana tamin’ny kandidà laharana faha-3 Andry Rajoelina. Raha ho an’i Farafangana dia efa vita ny safidy fa fandatsaham-bato sisa no hatao amin’ny 16 novambra ho avy izao. Hanome 80% farafahakeliny ny laharana fahatelo no tanjona ho an’i Farafangana. Io no valim-pitia hatolotr’izy ireo an’i Andry Rajoelina noho ireo fotodrafitrasa marobe vita sy andalam-panamboarana tao anatin’ny dimy taona, manerana ny distrika. Nohamafisin’ny loholona Ndremanjary Jean André na Iaban’i Kemba io fanohanana io nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony.
« Betsaka izay faritra sy distrika notsidihiko izay. Betsaka naneho fitiavana ahy. Efa imbetsaka aho no tonga teto Farafangana fa hitako sy mivantana amin’ny foko ny fitiavanareo ahy. Tia an’i Prezidà i Farafangana. Izay no tsy hahafoizako anareo satria tena tia hatramin’ny farany. Omaly, androany, rahampitso tsy miova loko i Farafangana », hoy izy. Notsiahiviny fa tamin’izy nilatsaka Filoha tamin’ny 2018, tonga teto niresaka tamin’ny Raiamandreny, Loholona, Sojabe, Ampanjaka teto an-tanàna. Zavatra iray no angatahanay aminao, hoy izy ireo. Mampijaly anay hatrizay fa izay tsy mila fampanantenana. Raha vitanao ny lalana Vohipeno – Farafangana dia tsy hivadika aminao intsony izahay. Vita ny lalana dia ireo ianareo. Misaotra anareo Raiamandreny. Io lalana tsy nisy nanao. Zavatra maharitra no atao. Vohipeno- Farafangana dia ny Colas no nanao azy, hoy izy, amin’izay maharitra satria fitiavantsika maharitra. Tsy misy mahasaraka antsika. Fanamboarana lalana izany, fandresena lahatra mpamatsy vola, fitiavana no tena manakaiky vahoaka fa tsy misy afaka hisandoka eto. Nasongadiny fa ny lalana no mampandroso sy mamoaka vokatra. Ankoatra an’i Vohipeno – Farafangana, hatao « goudron » Irondro- Manakara – Vohipeno- Farafangana – Vangaindrano. Hovitaina « goudron » manontolo RN12 A. Vangaindrano – Fort Dauphin.
Ny fampandrosoana tsy vita roa na efa-taona. Betsaka no mijaly amin’ny Jirama. Mbola tapaka ny jiro. Ny gazoala ilaina mampihodina jirama 3000 litres isanandro. 5 milliard 300 tapitrisa ar isan-taona. Hanova tantara Farafangana isika. Tsy mety amiko hoe anaty haizina. « Efa anaty sambo any, izay nafarana orinasa Hiaewei matanjaka no hamatsy hitondra herinaratra hapetraka eto. Masoandro io azo avadika angovo. Ametraka angovo 3MW afaka enim-bolana, ka tsy hijaly jiro intsony i Farafangana », hoy izy nandritra ny kabariny. I Midongy Vondrozo, Vangaindrano hanaovana « parc solaire » daholo. Betsaka ny filoha nifandimby, fa iray ihany no tena miasa hanova an ‘i Madagasikara sy hampandroso an’i Madagasikara raha ny nambaran’ny kandidà laharana fahatelo.
Marobe ny fotodrafitrasa natao ka voakasika ny fahasalamana, ny fampianarana, fony Andry Rajoelina no nitondra. » Ankoatra izay, namboarintsika ny Tranobe Lapan’i Mpanjaka tranoben’i Anamba, tamin’ny fahamaizan’ny tranobe 13. Tsy nitady olon-kafa zareo fa nangataka tamiko. Tsy nisalasala izaho nampijoro ka nanangana Tranobe 13, Tranoben’ireo Raiamandreny. Tahaka izany koa ny Rovan i Madagasikara, izay natsangana ho reharehan i Madagasikara. Misaotra anareo raiamandreny matoky ny asa nataontsika teto Farafangana tsy voatanisa, hoy hatrany ny kandidà Andry Rajoelina.
Hakotroka ny valim-pifidianana ao Manakara…
Noporofoin’i Manakara, omaly, fa tsy ambakan’ny distrika sy faritra hafa i Manakara fa tena tia an’i Andry Rajoelina. Hatrany amin’ny fiantsonan’ny fiaramanidina, marobe ny tanora nihazakazaka sy nihira ary niteny hoe : « Tianay be ianao Prezidà ». Marobe ny olona mijery antsika mivantana na eto na any ivelany, amin’izao fotoana izao, mahita zareo fa miaraka amin’i Andry Rajoelina i Manakara. « Isan’ny tompondaka i Manakara tamin’ny fitiavana an’i Andry Rajoelina. Tamin’ny fifidianana farany dia 72% no nomenareo ahy, mino aho fa amin’ity 2023 ity dia 85 % no homenareo. Tamin’ny 2018 tonga teto aho, teo amin’ny Kaominina teo aho no nanao fampielezan-kevitra, fa hatramin’izay nahatongavako teto mbola tsy nisy fitsenana makotrokotroka toy zao ary mino aho fa ny valim-pifidianana koa dia ho toy izany », hoy ny kandidà laharana fahatelo. Ny momba ny Tetezan’ i Manakara Be. Tamin’ny fanjanahantany dia « double voie » izy io, kanefa simba ary nosoloina « simple voie ». Avy eo indray tapaka, saingy tsy nisy nanamboatra intsony. Izaho kosa nanao velirano fa hanamboatra azy ho « double voie », hoy ny kandidà laharana fahatelo. Tonga teto aho nitokana azy ary ravoravo vahoakan’i Manakara.
Nisy hopitaly teto namboariko tamin’ny tetezamita, niala teo amin’ny fitondrana aho dia nopotehina na dia efa vita 85% aza. Nasongadiny fa tsy mila mpandrava. Io kianjan’i Barea io lehibe eto amin’ny Ranomasimbe Indiana. Misy olona milaza hanongana kianja io anefa raha izy, hono, no mitondra. Nanteriny fa i Manakara tsy maintsy anamboarana kianja Manarapenitra, ravoravo ny foko vita ny velirano satria ato isika no manao fampielezan-kevitra. « Hametraka fanamby isika, raha 72,33% ny nahalany ahy filoha teto Manakara tamin’ny 2018, amin’ity 2023 ty dia. mangataka aho mba farafakeliny 83%. Rehefa tratra izay dia hitondra fahazavana isan-tokatrano aho iray volana aorian’ny valim-pifidianana. Hitondra « kit solaire » misy jiro roa afaka hamahanana finday. « Mino sy matoky aho fa raha ny fitiavan’i Manakara tratrantsika izany 85% izany », hoy izy nanamafy.
Rado Harivelo.



