PolitikaSongadim-baovao
BAKALOREA 2023 – SOKAJY A1, A2, C, D: Afaka mamerina ny adina Tantara sy Jeografia ireo mpiadina rahampitso
Voakorontana tanteraka ny fiatrehan’ireo mpiadina bakalorea ny taranja Tantara sy Jeografia omaly tolak’andro, noho ny fisian’ny laza adina nivoaka mialoha, ka voatery nampiatoana ny fanadinana ary niandrasana laza adina faharoa vaovao. Araka izany, nanapaka ny Filankevitry ny Minisitra omaly fa afaka mamerina ny adina tantara sy jeografia ireo mpiadina ao amin’ny sokajy A1, A2, C, D rahampitso, amin’ny 07ora sy 30mn. Manan-tsafidy, noho izany, ireo mpiadina, ka izay naoty tsara tamin’ireo taratasim-panadinana roa no horaisina.
Savorovoro sy korontana tanteraka no nateraky ny fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana tany amin’ireo foibem-panadinana nanerana ny Nosy omaly, ao anatin’ny fiatrehana ny Bakalorea 2023. Araka ny fantatra dia nisy namoaka mialoha tany amin’ny tambazotran-tserasera ny laza adina Tantara sy Jeografia, izay tokony hokatrohin’ireo mpiadina ny tolak’andron’ny omaly. Fepetra noraisin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa avy hatrany ny fanoloana laza adina hafa omena ireo mpiadina. Naharitra ora roa hatramin’ny ora telo anefa izany, ka raha tokony ho tamin’ny 1ora 30 atoandro no nanomboka ny adina, dia lasa tamin’ny 3ora30 sy 4h30 izany tany amin’ireo foibem-panadinana samihafa.
Velon-taraina tanteraka ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra izay zary lasa voakorontana ihany koa teo anatrehan’ny zava-nisy. “Tena miteraka fikorontanan-tsaina ho an’ny ankizy ilay izy. Lasa mitaintaina koa izahay Ray aman-dReny fa tokony handraisana fepetra”, hoy ny Ramatoa Mbolatiana, Ray aman-dRenin’ny mpianatra tao amin’ny Foibem-panadinana CEG Tsimbazaza raha tafaresaka taminay omaly. Ramatoa Bako kosa dia nilaza fa “tokony avy hatrany dia ilay laza adina faharoa no nomena ireo mpiadina hatramin’ny voalohany mba tsy nahavery ny fifantohan’ireo mpianatra”. Tamin’ny ankapobeny dia niraisan’ireo Ray aman-dReny rehetra ny fahasorenana sy ny fitaintainana ary ny tebiteby teo anatrehan’ny zava-nisy. Tsy vitsy rahateo ireo lavi-podiana kanefa ny fanadinana naharitra adin’ny 4, ho an’ny sokajy A, C, D, L, OSE, raha toa ka 2ora30 ho an’ny sokajy S. Izany hoe, nisy ireo tsy maintsy niatrika ny fanadinana hatrany amin’ny 08ora 30 alina.
Vantany vao niseho ity olana ity dia namoaka fampitam-baovao ny Orinasa Jirama fa manao ny fomba rehetra tsy hisian’ny fahatapahan’ny herinaratra mandritra ny fotoana anaovan’ireo mpiadina ny fanadinana. Tetsy ankilany, ho fitsinjovana ny fodian’ireo mpiadina dia niantso fiaraha-miasa tamin’ireo mpitatitra ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro mba hanitatra ny ora fiasany hatramin’ny 10 ora alina omaly 19 jolay 2023. Polisy miisa 1 600 ihany koa no nahetsika manokana hisahana ny fiarovana ireo mpiadina.
Haverina ny adina!
Omaly, nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra dia manameloka amin’ny hery rehetra ny fivoahan’ny laza adina tantara sy jeografia (histoire-géographie) tamin’ny fanadinana baccalauréat (sokajy A1, A2, C ary D) mialoha ny Filohan’ny Repoblika sy ny Governemanta iray manontolo.Tsy azo ekena, hoy ny tatitra, ny tranga nisy satria niteraka fanakorontanana, ary tsy filaminan-tsaina ho an’ny mpianatra, ary midika ho fanaovana takalon’aina mihitsy ireo mpianatra ireo izay nisedra olana tanteraka nandritra ny fiatrehana ny fanadinana ny tolakandron’ny Alarobia. Araka izany, nomena toromarika ny Minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mba hamerina ny adina tantara sy jeografia ho an’ny sokajy A1, A2, C ary D amin’ny Zoma maraina ho avy izao, izany hoe rahampitso, ka ny laza adina fiandry faharoa izay efa voaomana mialoha no hampiasaina, fa tsy ny laza adina tany am-piandohana sy ilay laza adina fiandry nanaovana ny adina omaly tolakandro.
Manana safidy anefa ny mpiadina na hamerina izany adina taranja tantara sy jeografia izany na tsia, raha mihevitra izy ireo fa efa nety taminy ny adina natao omaly dia afaka tsy mamerina intsony izy ireo. Ho an’ireo izay te hamerina kosa dia malalaka tanteraka ny hanao izany, ka ho an’ireo izay manapa-kevitra ny hamerina ny adina dia izay naoty tsara amin’ireo taratasim-panadinana roa no horaisina. Hisy kosa ny naoty fanampiny (bonus) izay omena ny mpiadina rehetra amin’ny sokajy A1, A2, C ary D amin’ny adina tantara sy jeografia manerana ny Nosy.
Marihana fa nisy ireo foibem-panadinana izay tsy nisy herinaratra no tsy maintsy nampiasa labozia, fa ny foibem-panadinana nisy herinaratra kosa dia tsy nanana olana tamin’ny ankapobeny afatsy toerana vitsivitsy izay nahitana olana ara-teknika tamin’ny famatsiana herinaratra, izay nezahina novahana faran’izay haingana avokoa. Marihina fa mitohy tsy miova amin’ny tetiandro efa mipetraka ny fanadinana bakalorea amin’ity anio ity.



