Fanadihadiana Manokana
BAKALOREA 2024 : Mahatratra 218 359 ireo mpiadina, sorohina ny famoahana laza adina mialoha
Miisa 218 359 ny fitambaran’ireo mpianatra hiatrika fanadinana bakalorea any amin’ny sokajy ankapobeny sy teknika manerana ny Nosy amin’io herinandro io. Ho fisorohana ny famoahana laza adina mialoha dia nametraka fepetra maro mifandraika amin’izany ny tompon’andraikitra. Efa nisy ihany koa ny fisamborana olona misandoka ho manana laza adina eny amin’ny tambazotran-tserasera.
22 jolay 2024, daty fanombohan’ny fanadinana bakalorea ho an’ity taom-pianarana 2023-2024 ity. Haharitra hatramin’ny 26 jolay 2024 ny fanadinana ho an’ireo any amin’ny sokajy ankapobeny. Mbola mitohy ny 29 jolay hatramin’ny 01 aogositra kosa izany ho an’ireo nisafidy ny sokajy teknika. Midika izany fa fotoana farany hanaovana famerenana sy hanamafisana fahaizana ho an’ireo mpiadina ity herinandro ity. Manaporofo izany ny fahamaroan’ireo hetsika faradoboka atao amin’ny sekoly samihafa eto an-drenivohitra.
Ankilany, “mirindra araka ny tokony ho izy ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fanadinana bakalorea”, hoy ny fanamafisana nentin’ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa mpisolo toerana Fidiniavo Ravokatra omaly. Efa vonona ny lafiny fitaovana, ireo olombelona hiandraikitra izany, sy ny fandaminana rehetra. Isan’ireo fanavaozana entina mandritra ity andian’ny fanadinana bakalorea ity ihany koa ny fanomezan-danja ny teknolojia vaovao ahazoana mametraka laminasa. Izany hoe hisy ny fampiasana ny rindram-baiko BACCDATA 2024 ahafahana mahita amin’ny antsipirihany ny zava-misy isaky ny efitranom-panadinana. Tafiditra ao anatin’izany ny isan’ny mpianatra, ny jiro sy ny fitantanana amin’ny ankapobeny.
Mahakasika io jiro io indrindra, nisongadina nandritra ny fanadinana tamin’ny taon-dasa ny fampiasana labozia natao hitsilovana satria tratra maizina tamin’ny fanatanterahana ny fanadinana ny mpianatra. “Tsy hisy intsony izany amin’ity taona ity”, hoy ny fanomezan-toky nataon’ny Minisitra. Efa misy ny toromarika nomena ny tompon’andraikitra mahakasika io resaka jiro io.
Betsaka mpiadina hatrany any amin’ny sokajy A2 sy eto Antananarivo
Rehefa izany, miisa 218 359 ny mpiadina bakalorea manerana ny Nosy amin’ity taona ity. Nanaraka ny lalam-piofanana ankapobeny ny 207 097 amin’izy ireo. Mbola betsaka mpisafidy hatrany anefa ny any amin’ny sokajy A2 izay ahitana mpiadina miisa 126 766. Manaraka azy ny sokajy D ahitana mpiadina miisa 28 202, ary ny sokajy L misy mpiadina 15 340. Hifaninana any amin’ny sokajy S kosa ny 14 034 amin’ireo mpiadina sasany, any amin’ny sokajy A1 ny 10 502, ary mpiadina miisa 1 607 no hita any amin’ny sokajy C. Isan’ireo sokajy betsaka mpisafidy kosa ny OSE tamin’ity taona ity izay ahitana mpiadina miisa 10 646.
Mahakasika ny lalam-piofanana teknika indray, hiadina any amin’ny sokajy “professionnel et technique” ny 11 041 amin’ireo mpiadina miisa 11 262. Nisafidy ny “technologique” ny 221 ambiny.
Eo amin’ny lafiny fizarana mpiadina isaky ny Faritany, mbola betsaka kandidà hatrany ihany koa ny eto Antananarivo. Miisa 80 435 izy ireo no hiatrika izay fanadinana bakalorea eto Antananarivo izay amin’ity taona ity. 35 826 ny isan’ny mpiadina any Fianarantsoa, 33 322 any Toamasina, ary 27 418 any Toliara. Faritany vitsivitsy mpiadina kosa ny Mahajanga izay ahitana mpiadina miisa 24 736, sy ny any Antsiranana manana mpiadina miisa 16 622.
Tranga famoahana laza adina mialoha
Lesoka niseho tao anatin’ny fanatanterahana ny fanadinana bakalorea tato anatin’ny taona vitsivitsy izao ny fisiana tranga famoahana mialoha ny laza adin’ny fanadinana. Mbola niseho hatrany izany tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC natao farany teo. Fanamby apetraka, noho izany, ny tsy hiverenan’ny tranga toy izany intsony. Mifantokana amin’ny fanomanana sy ny tsy hisian’izany intsony ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana.
Maro ireo paikady napetraka mifandraika amin’izany ho an’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanadinana bakalorea eto Madagasikara. Isan’izany ny fiarovana tamin’ny famoronana ny laza adina isaky ny taranja. Raha toa ka laza adina 2 isaky ny taranja no noforonina hatramin’izay dia natao maromaro izany tamin’ity taona ity. Misy koa ny fepetra manokana noraisina momba ny famonosana sy ny fandefasana ireo laza adina manerana ireo foibem-panadinana manerana an’i Madagasikara. Raha toa moa ka ny MESUPRES no mikarakara ny fanadinana bakalorea hatramin’izay dia manamafy hatrany ny fifandrimbonana sy ny fifanomezan-tanany ankehitriny ny Fitondram-panjakana sy ny Governemanta, mba hahatontosa ny fanadinana amin’ny antsakany sy andavany. Mandray andraikitra feno amin’ny fandrindrana ny fanadinana any amin’ny fari-piadidiana misy azy ireo solontenam-panjakana toy ireo Prefet sy Lehiben’ny Distrika. Tsy adino ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo rantsamangaikan’ny Ministera any an-toerana. Manaporofo izany fa ny Fanjakana iray manontolo no mifarimbona manatontosa ity fanadinam-panjakana ity. “Azo antoka, araka izany, ny fepetra rehetra napetraka mba tsy hivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana”, hoy ny tompon’andraikitra.
Fampiharana lalàna
Manoloana ireo ranty eny amin’ny tambazotran-tserasera maneho fa manana laza adina dia manamafy hatrany ny fanentanana ihany koa ny Minisitra satria tsy azo heverina ny hisian’izany fivoahana laza adina tena izy izany. Fanentanana miantefa any amin’ireo mpianatra mba tsy ho voarebireby any anaty tambazotran-tserasera ka halaim-panahy handoa vola mba hahazoana laza adina mialoha. Tsy tokony hampirisika ny zanany amin’izany ihany koa ireo Ray aman-dReny.
Marihina fa handraisana fepetra mifanaraka amin’ny lalàna ireo mpanao ranty sandoka eny amin’ny tambazotran-tserasera ireo. Efa voasambotra ny mpitantana vondrona iray anaty Facebook izay misoloky mpianatra amin’ny alalan’ny laza adina tsy tena izy. Ankoatra ny tany Antsiranana dia efa an-dalam-panatanterahana ny asany ihany koa ankehitriny ny mpitandro filaminana mahakasika ny tranga hita teto Antananarivo, Antsirabe, Toamasina, ary Mahajanga. Miantso ireo mpiadina, ny Ray aman-dReny sy ny vahoaka mba ho tony, araka izany, ny tompon’andraikitra satria sandoka avokoa ireny laza adina mivoaka amin’ny tambazotran-tserasera ireny. “Raha misy toe-javatra mampiahiahy dia asaina ny rehetra hampita ny angom-baovao na antotan-kevitra aty amin’ny Ministera sy any amin’ireo tompon’andraikim-panjakana, mpitandro filaminana”, hoy ny fanentanana.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




