SosialyTrangam-piaraha-monina

BAKALOREA 2025: Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 31 jolay, manomboka anio ny fisoratana anarana

Nampahafantatra ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa tamin’ny zoma lasa teo fa ho tanterahana ny alatsinainy 21 jolay hatramin’ny zoma 25 jolay ny fanadinana bakalorea 2025 sokajy ankapobeny. Mitohy hatramin’ny 31 jolay 2025 kosa izany ho an’ny sokajy teknika. Misokatra manomboka anio 03 febroary ny fisoratana anarana hahafahana miatrika ny fanadinana ary mifarana amin’ny 25 aprily 2025.

Miandraikitra ny fitantanana, ny fandrindrana, ary ny fanatanterahana ny fanadinana bakalorea ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES). Tsy toy ireo fanadinana CEPE (Certificat d’Etudes Primaires Elémentaires) sy BEPC (Brevet d’Etudes du Premier Cycle) izay samy tanterahana eny amin’ny ambaratonga ambany ny fanadinana bakalorea. Raha toa ka efa fantatra mialoha ny fiandohan’ny taom-pianarana ny datin’ny fanadinana CEPE sy BEPC ho an’ny taona ho avy dia volana vitsivitsy mialoha ny datim-panadinana kosa vao fantatra ny mahakasika ny bakalorea. Ho an’ny fanadinana bakalorea amin’ity taona 2025 ity dia tamin’ny faran’ny herinandro teo no namoaka ho hitan’ny rehetra ireo tsara ho fantatra mahakasika izany ny Ministera tompon’andraikitra.

Araka izany, misongadina ao anatin’ny fampahafantarana navoakan’ny MESUPRES ny daty hanatanterahana ny fanadinana bakalorea 2025. Ho tanterahana eo anelanelan’ny 21 hatramin’ny 31 jolay izany. Izany hoe manomboka ny alatsinainy 21 hatramin’ny zoma 25 jolay no hiatrika ny adina ireo nisafidy ny sokajy ankapobeny. Io herinandron’ny 21 jolay io ary mbola mitohy ny alatsinainy 28 hatramin’ny alakamisy 31 jolay 2025 kosa ny fanadinana ho an’ireo mpianatra hiatrika ny bakalorea teknika.
Rehefa voafaritra ny datim-panadinana dia miroso avy hatrany amin’ny fandraisana ireo antonta-taratasy fisoratana anarana ho fandraisana anjara amin’ny bakalorea ny tompon’andraikitra. Misokatra manomboka amin’ity anio ity, araka izany, izay fisoratana anarana amin’ny fanadinana bakalorea 2025 izay ary mifarana amin’ny 25 aprily 2025, amin’ny 06 ora hariva. Mandray ireo fisoratana anarana ireo ny sampan-draharaha misahana ny bakalorea eny anivon’ireo Oniversite rehetra manerana ny Nosy. Manentana ny hanajana io fe-potoana fisoratana anarana io ireo tompon’andraikitra satria tsy hisy ny fanomezan-dalana manokana ho an’ireo izay tara.
Mahakasika ny saram-pisoratana anarana kosa, 15 000ariary isaky ny ankizy izany ho an’ireo kandida avy amin’ny sekoly. 50 000ariary ny saram-pisoratana anarana ho an’ireo kandida mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana. 100 000ariary ho an’ireo kandida vahiny nianatra teto Madagasikara.

Tsy hanaiky ny hisian’ny lesoka intsony ny Minisitra

Taom-pianarana vitsy lasa izay no nahitana lesoka tamin’ny fivoahana laza adina mialoha hatrany ny tamin’ny fanadinana bakalorea. Tsy hanaiky ny hisian’ny lesoka toy izany intsony ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa Pr. Chaminah Loulla. Izany indrindra no antony nampivondronana ireo mpandray anjara sy mpisehatra rehetra voakasiky ny fikarakarana sy fanatontosana ny fanadinana bakalorea, natao tany Toamasina tamin’ny volana desambra 2024. Nivoitra nandritra ny fivoriana ny tombana ho an’ny fanadinana bakalorea 2024. Teo ihany koa ny fotoana nitondrana fanatsarana sy fanomanana ireo fanadinana ho avy. Tamin’izany no nanomezan’ny Minisitra toromarika mahakasika ny fijerena amin’ny antsipirihany ireo teboka heverina ho kely kanefa manan-danja ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana bakalorea. Ny Fitondram-panjakana iray manontolo mihitsy no miara-misalahy mifanome tan-tsoroka amin’ny fanatontosana ny fanadinana kakalorea ka midika izany fa zava-dehibe eto aminy firenena io fanadinam-panjakana io. Tokony samy hanatontosa ny asany ara-dalàna ny tsirairay, hoy ny Minisitra, satria misy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena ny hadisoana kely izay atao. Noho izany dia ho sarotiny sy tsy handefitra ny tenany, tsy hanaiky ny hisian’ny lesoka amin’ny fanadinana manaraka. Nisy moa ny asam- baomiera nataon’ireo  mpizaika nandinihina ny lafiny teknika, ny fiarovana, ny ara-bola ary ny informatika. Ireo vaomiera efatra ireo no nikaon-doha sy nandroso vahaolana izay hampiharina avy hatrany amin’ny fikarakarana ny fanadinana bakalorea 2025.

Fanatsarana hatrany ny voka-panadinana

Tanjona ho an’ny fanadinana bakalorea 2025 ny hanatsarana hatrany ny voka-panadinana. Raha tsiahivina ny vokatra tamin’ny taon-dasa dia niisa 218 395 ireo mpiadina manerana ny Nosy ka ny 128 551 tamin’izy ireo no afa-panadinana. Izany hoe manome taha 58,86%. Faritany nahitana mpianatra afa-panadinana betsaka indrindra ny tany amin’ny faritanin’i Toamasina izay nahazoana taham-pahafahana 66,07%. Manaraka azy ny faritanin’i Toliara miaraka amin’ny taham-pahafahana 63,01%. Tsy lavitra manaraka izany ny faritanin’i Mahajanga izay manana taham-pahafahana 61,89%. 56,31% ny taham-pahafahana ho an’Antananarivo, 55,20% ho an’i Fianarantsoa, ary 53,31% ho an’Antsiranana.

Hahafahana manatratra io tanjon’ny fanatsarana ny voka-panadianana io ny fampitomboana hatrany ny fotoana fanaovana famerenana. Nanazava ny mpampianatra taranja matematika iray tafaresaka taminay fa manao ny ezaka rehetra hanafainganana ny famitana ny fandraharam-pianarana izy ireo mba hananana fotoana lavalava hanaovana fampiharana sy famerenana. Ezahina vitana hatramin’ny roavolana fahefatra amin’ity tetiandrom-pampianarana ity ny lesona rehetra. Izany hoe farafaharatsiny ho vita hatramin’ny faran’ny volana aprily. Hatokana ho an’ny famerenana sy fanamafisam-pahaizana ny volana mey, jona sy jolay.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer