Songadim-baovaoSosialy
BAKALOREA 2025: Tombanana hivoaka afaka 3 herinandro ny valim-panadinana
Nitondra ny teny fisaorana ho an’ny fianakaviamben’ny Ministera avy amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa Pr Chaminah Loulla omaly ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera Pr Salava Julien, noho ny nahatontosana ny fanadinana bakalorea 2025. Nahitana fahombiazana ny fiaraha-mientana sy ny firaisankinan’ny rehetra. Nizotra araka ny tokony ho izy ary tsy nisy ny laza adina nivoaka alohan’ny fotoana, hoy ny Tale Jeneralin’ny Fampianara Ambony Dr Behaja Alan Basile. Ankilany, mbola nohamafisin’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fampiofanana arak’asa Rasoloarisoa Marie Marcelline fa nizotra ara-dalana tsy nisy tomika ny fanadinana bakalorea teknika notanterahana tao anatin’ny roa herinandro. Tsy nisy ny olana tamin’ny ankapobeny, satria efa tsara homana ny ekipa teknika rehetra. Na izany aza dia natao foana ny ezaka fanamafisana rehetra, hoy ny Minisitra, indrindra ny tany amin’ny lafiny fiarovana ny laza adina. Nohazavainy fa ny fivoahan’ny laza adina mialoha no fahavalo voalohan’ny mpiadina sy ny fanadinana. Manimba ny toe-tsain’ny ankizy tanora ny fisian’izany tranga izany, mahatonga azy ireo hiraviravy tanana tsy hianatra ka manantena fahafahana fotsiny na tsy hiezaka aza. Hampiakatra ny lentan’ny fampianarana no tanjona, hoy Minisitra, ka mila hiadivana hatramin’ny farany ny mety ho endrika famotehana ny fanadinam-panjakana. “Mamantsika ao an-tsain’ny ankizy fa ilaina foana ny ezaka izay vao tafita”. Amin’ny ankapobeny, araka izany, nahatanteraka ny fanambiny ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, nandritra iny taom-panadinana lasa teo iny.
Ao anatin’ny dingan’ny fitsarana ireo taratasim-panadinana tamin’iny fanadinana bakalorea farany teo iny, araka izany, ireo tompon’andraikitra ankehitriny.Tamin’ny zoma lasa teo no vita ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja matematika, ho an’ny sokajy ankapobeny (A,C, D, L, S, OSE), raha ny tatitra avy amin’ny loharanom-baovaonay. Ankoatra io matematika io dia misy ireo taranja efa nahavita ny fitsarany, ary misy ihany koa ireo taranja hafa mbola hanohizana izany ankehitriny. Mbola maro ny fikirakirana atao amin’ireo taratasim-panadinana sy ny naoty aorian’izao fitsarana azy izao. Raha ny tomban’ny loharanom-baovaonay hatrany dia mety afaka 3 herinandro any no hivoaka ny valim-panadinana bakalorea 2025 ho an’ny eto Antananarivo. Izany hoe mety hivoaka mialoha ny datin’ny 21 aogositra 2025. Iray volana taorian’ny nanombohan’ny fanadinana.
Sarobidy Sidonie.



