Songadim-baovaoSosialy

BAKALOREA ANY TOLIARA: Mpianatra 62 nanao hosoka, olona 17 hafa tratra nisolo toerana mpiadina

Nizotra tao anatin’ny filaminana ny fanatanterahana ny fanadinana bakalorea ho an’i Toliara, nandritra ny andro roa voalohany. Na izany aza dia nisy ny fahatrarana hosoka sy tsy fanarahan-dalàna, araka ny tatitra nataon’ny Filohan’ny Oniversiten’i Toliara Veriza Roberto Francis, tamin’ny takarivan’ny talata lasa teo. Hosoka ara-taratasy “fraude” sy fampiasana finday miisa 20 no tra-tehaka nandritra ireo roa andro voalohan’ny fanadinana ireo. Ankoatra izay dia olona hafa miisa 12 ihany koa no tratra misolo toerana mpiadina na ilay antsoina hoe “substitution de candidature”. Na nisy aza ireo olona maro voapaingotra ireo, tsy nahasakana hatrany ireo hafa mbola hirona amin’ny tsy fanarahan-dalàna izany. Nandritra ny andro fahatelon’ny fanadinana omaly dia fantatra fa niampy 42 indray ireo mpiadina tratra nanao hosoka. Olona hafa miisa 05 no mbola tra-tehaka nisolo toerana mpiadina. Tao anatin’ny telo andro nanatanterahana ny fanadinana bakalorea, araka izany, dia mpianatra miisa 62 nanao hosoka sy olona hafa miisa 17 tratra nisolo toerana mpiadina no voapaingotra tany Toliara I.
Tsy ekena ary tsy hisy ny indra-fo ho an’ireo izay manao fandikan-dalàna. Noho izany dia fepetra noraisina ny fandroahana ireo mpiadina tratra nanao hosoka mba tsy hihazo ny toeram-panadinana intsony sy tsy afaka manohy ny fanadinana. Ireo naka ny toerana mpianatra kosa dia nalefa any amin’ny mpitandro filaminana mba hanaovana fanadihadiana. Fanatanterahana bakalorea madio no tanjona, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Araka izany dia hamafisina hatrany ny paikady fitiliana sy ny fisavana mba ho fiantohana ny filaminan’ny fanadinana bakalorea ao Toliara. Vokatr’izany fepetra noraisina izany no mbola nahazoam-bokatra omaly. Manentana ireo Ray aman-dReny sy ny mpiadina mba hanaja hatrany ireo fepetra rehetra izay napetraka mikasika ny bakalorea ireo tompon’andraikitra. Mankahery ireo rehetra mpiantsehatra ao anatin’ny fanatanterahana izany fanadinana izany koa satria izy ireo no miantoka ny fahadiovan’ny bakalorea.

Ho an’ny teto Antananarivo indray, nandeha tamin’ny fampahalalam-baovao sy niparitaka tao amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky fa misy ny fanangonana vola avy amin’ireo mpiadina, omena ireo mpiambina any amin’ny efitranom-panadinana, ka hahafahan’izy ireo mifanoro sy mifampiresaka. Voalaza fa tao amin’ny ivontoeram-panadinana EPP Analakely no nitrangan’izany. Rehefa nahare io tranga io dia natao laharam-pahamehana tao anatin’ny fandaharam-potoana fitsidihana ifotony ny fisitsidihana tao amin’io ivontoeram-panadinana io omaly. Tonga namakafaka sy nanamafy ny fahatongavan-tsaina ho an’ny tsirairay amin’ny andraikitra maha mpanabe azy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa Pr Chaminah Loulla. Fotoanan’ny fanovàna izao, hoy izy, ka nanentana ny rehetra hiara-hanova ny lesoka nisy teo aloha ny tenany, hiara-hiasa, hiara-hitandrina mba hampahay ny mpianatra. Tsy azo ekena ny gaboraraka eo amin’ny fanadinam-panjakana ary mandray ny andraikiny amin’izany ny Ministera.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer