Songadim-baovaoToekarena
BANKY FOIBEN’I MADAGASIKARA: Namoaka ny “eAriary”, vola elektronika ampiasaina amin’ny andavanandro
Ny eAriary dia vola elektronika, tsy raisin-tanana, fa natao ampiasaina andoavana ny filàn’ny tsirairay amin’ny andavanandro eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Aivo Andrianarivelo. Notsindriany fa ny vola elektronika nahazatra hatramin’izay dia tamin’ny alalan’ireo orinasam-pifandraisana telo misy eto amintsika izay manao tolotra fifanakalozana ara-bola amin’ny alalan’ny finday. Ireny dia fomba fandoavam-bola fa tsy vola, raha ny fanazavany. Izany hoe, manana finday ilay olona dia mandrotsaka vola ao amin’ilay kaonty ao amin’ny finday, ary iny avy eo no ampiasaina andoavam-bola any amin’izay aleha rehetra. Na koa andefasana vola any amin’izay tiana andefasana.
Ny eAriary kosa etsy ankilany, dia vola amin’ny endriny “digital” na “electronique”, izay hoe tsy raisin-tanana, avy amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Marihina fa mitovy lenta sy mitovy lanja amin’ny vola rehetra ny eAriary, izay azon’ny olona ampiasaina amin’ny fandaniana sy ny filàna andavanandro.
Tombony maro
Mora kokoa ny fampiasana ny eAriary noho ireo Mobile money mahazatra ankehitriny, araka ny fanazavana. Tsy ny saran’ny fifanakalozana ihany koa no zava-dehibe amin’ny Banky foibe fa ny fampiasan’ilay olona ilay vola elektronika. Araka izany, ny teknolojia izay ho ampiasain’ny Banky foiben’i Madagasikara ao anatin’izao tetikasa izao dia teknolojia hahazoan’ny sarambabem-bahoaka mampiasa amin’ny sarany mora kokoa. Ity vola elektronika ity ihany koa ny hanampy ny Fanjakana amin’ny fanomezana vola ho an’ny vahoaka amin’ireny fanampiana sosialy ireny. Io tolotra io ihany koa dia hahafahana mandoa vola any amin’ireo sampandraharaha isan-karazany toy ny banky , ny Jirama, sy ny sisa. Ho an’ny ao amin’ny Jirama manokana izao dia tombony lehibe ny fisian’ity haivao nentin’ny Banky Foibe ity noho ireo halatra sy tsy fanarahan-dalàna misy ao amin’ity orinasa ity ka mahatonga fahaverezam-bola.
Miroso amin’ny fanaovana andrana ity eAriary ity ny Banky Foiben’i Madagasikara amin’izao fotoana, araka ny fanombohana ofisialy natao tetsy amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analakely omaly.



