PolitikaSongadim-baovao
BAOMBA ARTIZANALY, MIARA-MANONJA, HETSIKY NY MPIANATRA,…: Mivandravandra ireo teti-dratsin’ny mpanohitra
Mibaribary tsy takona afenina amin’ny rehetra ankehitriny ny paikadin’ny mpanohitra entina hambolena fanakorontanana eto amin’ny tany sy ny firenena. Nanomboka tany amin’ny fanaovana fanambarana milaza “fahasahiana hijoro” izany, mitohy any amin’ny fijapiana hetsiky ny mpianatra sy fanetsehana mpianatra mihitsy aza. Vao andro vitsy koa izao isika no nahare ny fipoahana baomba artizanaly tetsy Tsiadana, ary mandeha amin’izao ny fandaharana miara-manonja izay hamafazana lainga sy fanaratsiana rano fotsiny ny Fanjakana mijoro ankehitriny.
Tato anatin’ny taona vitsy izay no efa tsy nandrenesana intsony izany baomba vita tanana na artizanaly izany teto amintsika. Ny faran’ny herinandro teo anefa, tovolahy roa indray no fantatra fa nanao “fausse manipulation” tetsy Tsiadana ka nipoahan’ny baomba nentin’izy ireo ihany. Naratra mafy vokatr’izany izy roa lahy ireo, izay samy mbola manaraka fitsaboana avokoa amin’izao fotoana izao. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe nokasaina napoaka taiza ireto baomba nentin’izy roa lahy ireto? Tsy tokony hahagaga anefa izany raha ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny no jerena. Azo antoka fa misy hifandraisan’ny lehibe amin’ny fanambaran’ireo mpanohitra izay tsy mitsahatra mivoy « campagne de dénigrement » eto amintsika, hisian’ny korontana. Ny loharanom-baovao mari-pototra no nahalalana fa voatonontonona amin’ity raharaha ity ny antoko mpanohitra. Ireto farany izay mikendry fatratra ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy eto amintsika, hahazoana fahefana tsy amin’ny fomba demokratika.
Mampiasa vola be
Mibaribary tsy takona afenina koa etsy ankilany ny finiavan’ny mpanohitra hamorona fihetsiketsehana ara-tsosialy maro samihafa eto amintsika, hanaratsiana endrika ny Fitondram-panjakana. Niainga tamin’ny grevy nataon’ny mpianatry ny ENS izany, izay tsy menatra akory ireo lohandohan’ny mpanohitra milaza fa efa fotoana hihetsehana izao fa ampy izay. Ny tsy takatr’ireo mpanohitra anefa dia efa fantatra ny fampiasana vola be ataon’izy ireo hanetsehana ny mpianatra hanao grevy. Mbola nanamafy ny fisian’io vola miparitaka eny amin’ny anjerimanontolo io ny mpitondra tenin’ny Governemanta ny herinandro lasa teo. Teto amintsika tokoa mantsy, raha tsiahivina, saika ny mpianatra amin’ny anjerimanontolo hatrany no lasa atao fitaovana politika hanetsiketsehana fitondrana. Araka ny loharanom-baovao mari-pototra hatrany, sendika maromaro koa no efa mitady ho tafiditra ao amin’ny vovon’ny mpanohitra amin’ny fanaovana grevy ankehitriny. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpampianatra FRAM.
Fivorian’ny TIM sy HVM?
Amin’ny ankapobeny, hevitra efa voaomana hatry ny ela ny an’ny mpanohitra. Rehefa volana janoary tahaka izao tokoa mantsy dia tsy vitsy ny olona no misedra fahasahiranana satria vita fety, lany ny vola, ny vary mbola tsy miakatra, sarotra ny manala ny iray volana. Nararaotin’ny mpanohitra izany satria noheverin’izy ireo fa ho zakany mora foana ny Malagasy, izay ao anaty krizy. Efa natomboka tamin’ny fitetezana toerana maro teto Madagasikara aloha izany, saingy toa tsy nahazo olona akory. Na nahazo olona aza toa nanararaotra andro tsena ny tena marina. Dikany, aty amin’ny fampiasam-bola hanetsehana vahoaka indray izany izao no paikadin’ny mpanohitra. Hiaraha-mahita rahateo ny fanatanterahan’ireo mpanao gazety sy lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny fanoherana fandaharana miara-manonja amin’izao fotoana. Mazava ho azy, hevitra feno fankahalana sy fandrangitana ary fanaratsiana ny Fitondram-panjakana ranoray no ataon’izy ireo amin’izany. Fandaharana izay mifanindra an-dalana tanteraka amin’ireo karazana zava-miseho etsy sy eroa. Entina hilazana fa efa voaomana tanteraka ny an’ny mpanohitra izao zava-misy rehetra izao.
Araka ny loharanom-baovao mari-pototra ihany koa, toa hoe efa nisy fivoriana manokana teo amin’ny TIM sy ny HVM tato ho ato? Antoko roa miara-dalana izay fantatra amin’ny asa fanoherana eto amin’ny firenena. Raha toa ka ny TIM hatrany no voatonona matetika tao ho ao, tsy afa-miala amin’ny asa fanakorontanana miseho ankehitriny koa ny HVM tarihin-dRajaonarimampianina Hery satria anisany efa nanao fanambarana amin’ny mety hisian’ny tsy fitoniana eto Madagasikara ity Filoha teo aloha vao tsy ela. Ary koa, fantatra fa anisan’ireo mamatsy vola manokana ireo fihetsiketsehana rehetra ataon’ny fanoherana ankehitriny ity Filoha teo aloha ity.
Ny Fanoratana.




