Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
BAREA AN’I MADAGASIKARA: Fantatra avokoa ireo mpilalao 29 hiatrikan’i Ethiopie sy i Niger
Lalao indroa miantoana no hatrehin’ny ekipam-pirenena malagasy ny baolina kitra, Barea an’i Madagasikara, amin’ity volana Marsa ity. Ny lalao voalohany dia hatao any Ethiopie ary ny lalao faharoa, izay hifanandrinana amin’ny Niger, dia ho tanterahina ao amin’ny kianja Barikadimy Toamasina.
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly maraina ny lisitr’ireo mpilalao 29 mirahalahy handrafitra ny Barea an’i Madagasikara. Nanova paikady ny mpanazatra ary niezaka nampitombo ny isan’ireo mpilalao nantsoina handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ireo lalao indroa miantoana hatrehany. Ny lalao voalohany dia hifandrinana amin’i Ethiopie, ho tanterahany any «Bahir Dar » 400 km mialan’Addis-abeba renivohitra, ny 24 martsa ho avy izao. Madagasikara kosa no hampiantrano ny lalao hikatrohana amin’i Niger ny 30 martsa 2021 izao. Tafiditra ao anatin’ny andro fahadimy sy fahenina amin’ny fifanitsanana ny Amboaran’i Afrika na ny CAN 2022, izay atao any Cameroun ireo lalao roa ireo, raha ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitra hatrany.
Misy ny mpilalao avy eto an-toerana, ary misy ihany koa ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany no nantsoina handrafitra ny Barea, ankoatra ireo efa fantatra mahazatra. Tamin’izany indrindra no nilazan’ny mpanazatra Nicolas Dupius fa ho isan’ireo antsoina hanatevin-daharana ny Barea i Faneva Andriatsima, kapiteny teo aloha, izay efa misotro ronono raha toa ka afaka manotrona ireo lalao roa ireo ny tenany. Ity farany izay mbola manana ny herijika rehetra ahafahana mahazo vokatra tsara amin’ireo lalao roa ireo, hoy hatrany ny mpanazatra nanamafy. Andrasana, araka izany, izay ho valinteniny.
Any Barikadimy no handraisana an’i Niger
Nandritra ity valandresaka nataon’ny Komity mpanatanteraka ny Federasionina Malagasy ny baolina kitra sy ny mpanazatra Nicolas Dupuis ity no nanambaran’ity farany fa any amin’ny kianja Barikadimy Toamasina no atao ny lalao hihaonana amin’ny Niger, ny 30 martsa ho avy izao. Tamin’izany indrindra no nitondrany fanamarihana mahakasika ny famindrana ity lalao ity any barikadimy, raha toa ka i Mahamasina no noheverina handray ny lalao. « Efa nitsidika ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny tenako ary hitako ny fandrosoan’ny asa izay tena mihazakazaka tokoa. Tsapako ny ezaka ataon’ireo rehetra mpikarakara, tena manarampenitra kianja ary azo antoka ny hanaovana ny lalao fifanitsanana amin’ny Amboara manerantany eo Mahamasina amin’ny volana Jona » hoy i Dupuis. Nohamafisin’ny mpanazatra fa any Toamasina kosa ny lalao hifanandrinana amin’ny Niger no atao. Kianja manaraka ny fenitra takian’ny FIFA ary efa nandraisantsika lalao iraisampirenena maro ary hantenaina fa hahazoana fandreseana amin’io lalao io ny Kianjan’i Barikadimy, araka ny nambarany hatrany. Nanao antso ho an’ny rehetra ny tenany mba hiaraka hihentana amin’ny fiatrehana izao kiondalana hizoran’ny Ekipam-pirenena izao. Isika rehetra manohana Barea !
Sata (mpianatra asa)
Mpiandry Tsatokazo 1-ADRIEN Melvin 2-RANDRIAMAMY Mathyas Todisoa Francois 3-RAKOTOASIMBOLA Zakanirina 4-DABO Ibrahim Vodilaharana 5-MOREL JEREMY Michel 6-RAMANJARY Theodin 7-MOMBRIS Jerome 8-OUASSIERO Jean Sylvio Francois 9-RAZAKANANTENAINA Pascal 10-METANIRE Romain 11-RAZAFINDRABE Rajo 12-RAKOTONDRAZAKA Andoniaina Irakiraka 13-RAVELOSON RAYAN NY Aina Arnaldo 14-ANDRIANANTENAINA Anicet 15-AMADA IBRAHIM Samuel 16-ILAIMAHARITRA Marco 17-RAKOTOARISOA Solojantovo Jean Aime (Doddy) 18-RANDRIAMBOLOLONA Zotsara 19-CALOIN Dimitry 20-ANDRIANARIMANANA Andriamirado Aro Hasina 21-LAPOUSSIN LOÏC Andre Terry Mpanafika 22-NOMENJANAHARY Lalaina Henintsoa 23-VOAVY Paulin 24-ANDRIAMAHITSINORO Charles Carolus 25-ABDALLAH HAKIM Daniel 26-RAKOTOHARIMALALA Njiva Tsilavina Martin 27-RAMALINGOM Alexandre Francois 28-RAZAFINDRASATA Tsito 29-MANAMPISOA Lalaina



