Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
BAREAN’ I MADAGASIKARA: Tsy voan’ny Covid-19 i Zotsara
Noho ny vaovao izay nampisavorovoro ny sain’ny mpankafy baolina kitra, taorian’ny lalaon’ny Barea sy ny Elefanta tany Abidjan farany teo, dia nitondra fanavazana ny mpanazatra ny ekipam-pirenena, Nicolas Dupuis, omaly, fa tsy misy voan’ny Covid-19 ny delegasiona malagasy rehetra avy any Côte d’Ivoire.
Nisy ny vaovao niely fa tratran’ny Covid-19 i Randriambololona Zotsara, milalao ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy. Hatairana, halahelo no nandraisan’ireo mpankafy kitra izany noho ity mpilalao ity izay manana ny maha izy azy eo anivon’ny Barea. Manampy izany koa, ny mety efa ho nifaneraserany tamin’ireo mpiara-milalao aminy ka mety nahatonga ny fifindran’ny aretina. Ny fanambaran’ny kapiteny teo aloha tamin’ny tambazotran-tserasera no anisany nanamafy io fahavoazan’i Zotsara io.
Tetsy ankilany anefa, natao fitiliana niaraka tamin’ireo mpilalao rehetra namany i Zotsara tamin’ny fahatongavany teto Madagasikara ny Sabotsy lasa teo. Voamarina taorian’ny fitiliana farany natao azy fa tsy tratran’io valanaretina io velively ny tenany ary mbola nanamporofo izany tamin’ny tambazotran-tserasera ny mpanazatra Nicolas Dupuis omaly. Porofon’izany koa, ny nanaovan’i Zotsara ny fanazaran-tena niaraka tamin’ireo Barea namany omaly. Nohamafisin’ny mpanazatra ihany koa fa tsy misy voan’ny Covid-19 ny Staff rehetra tonga eto Madagasikara. Ilaina fitandremana, araka izany, ny fanapariahana ny vaovao omena ny olona amin’ny fotoana toy izao mba tsy hiteraka savorovoro amin’ny sain’ny vahoaka. Marihina fa mety hiteraka fahakiviana ho an’ireo mpankafy sasany, na koa, eo amin’ny samy mpilalao ny fanambarana vaovao amin’ny tranga toy itony.
Nakotrokotroka ny fitsenana ny Barea…
Taorian’ny zava-bitan’ireo ekipam-pirenena Malagasy tamin’ny Can 2019 lasa teo, vory lanona tanteraka ny vahoaka ny Toamasina nitsena ny Barean’ i Madagasikara, ny tolak’androny Sabotsy 14 novambra lasa teo tao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy . Maro ireo nanara-dia ny fiara nitondra ireo Barea nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina hatrany amin’ny hotely Calypso izay hipetrahan’izy ireo ao an-toerana. Hiboka hafaliana tanteraka ireo mpankafy noho ny fahatsapan’izy ireo fa reharehan’ny Malagasy iray manontolo ny Barean’i Madagasikara. Tamin’ny filaminana tanteraka no niatrehan’ireo mpankafy izany fahatongavana izany satria nisy hatrany ny fanajana ny fandaminana nataon’ireo manam-pahefana tao an-toerana. Tetsy ankilany, faly tanteraka ireo mpilalao Malagasy vokatr’io fandraisana azy ireo tamin’ny fomba tsy nampoizina io. Anisan’izany, Melvin Adrien izay nankasitraka ny vahoaka ny Toamasina iray manontolo tao anaty ny Kaonty facebook-ny ary nanambara fa efa maika ny hanome vokatra tsara ho an’ireo mpankafy kitra sy ny vahoaka Malagasy rehetra. “Hery lehibe ho anay sahady, hahafahanay hifanandrina amin’ny Ivorianina ny fanohanana toy izao”, hoy tenany. Tsiahivina fa amin’ny Talata 17 novambra ho avy izao no hotontosaina ao amin’ny Kianja Barikadimy ny lalao miverina ataon’ny Barea sy ny Elefanta. Ireo mpitia kitra Malagasy izay miandrandra fatratra ny fandresana amin’io fotoana io. Nanomboka omaly kosa, ho fanomanana fatratra io lalao endrasan’ny be sy ny maro io, efa nanao ny fanomanan-tena voalohany tao amin’ny kianja ny Barikadimy sahady ireo Barea.




