Fanatanjahan-tena
BAREAN’I MADAGASIKARA : Ambony ny herijika hahafaha-mandresy ny Etiopianina rahampitso
Efa tafiditra anaty fahavonona tanteraka ny Barea hiatrika an-ndry zareo Etiopianina rahampitso. Ambony be herijika na teo aza ireo olanolana isan-karazany niseho tato anatin’ny andro maromaro izay. Mitohy anio ny fanarazan-tena, ary samy miandrandra fandresena avokoa ny rehetra.
“Azo ambara ho voafitaka ihany aza ry zareo Etiopianina tamin’ireny zava-niseho ireny satria tsy nanampo ny fahatongavan’ireo mpilalao avy ao Eoropa rehetra”, hoy ny mpankafy kitra iray nanontaniana. Raha tsiahivina, taorian’ny famoahan’ny federasiona frantsay momba ny baolina kitra ireo lalàna vaovao, ny faran’ny herinandro teo, izay mamela indray ireo mpilalao ivelan’ny faritra Eoropa mamonjy ny ekipam-pirenena, arahina fepetra manokana vitsivitsy, dia afaka nanampy ny Barea indray ry Bolida, Mathyas, Jerôme Mombris, sy ny namany avy ao Eoropa. Noho izany, mpilalao dimy, ahitana an’i Rayan sy Marco izay voan’ny Covid-19, Morel sy Fontaine izay mbola maratra amin’izao fotoana izao, ary i Abel Anicet izay tsy nahazo fahafahana avy amin’ny kliobany no tsy hanatevin-daharana ny Barea amin’ireo lalao fifanintsanana faran’ny CAN, hihaonana amin’i Ethiopie sy i Niger, raha toa ka miisa sivy izy ireo no voalaza tany am-piandohana fa tsy afaka ny hamonjy an’ireo namany. Izany hoe, nivadika ho tombony ho antsika ny fisian’ireny sakantsakana samihafa ireny satria manova ny paikadin-ndry zareo Etiopianina.
Omaly no tafahaona tao Etiopia ireo avy any Eoropa sy ireo delegasiona avy eto Madagasikara. Namonjy avy hatrany Hotely nipetrahana izy ireo ny tapany maraina. Nanamarika ny tontolo andro omaly kosa ny fanazaran-tena voalohany ho an’ny Barea tao amin’ny Kianja ANNEXE Bahir Dar Stadium. Fanazaran-tena izay hitohy anio, miaraka amin’ny fitsapana ny Kianja Bahir Dar Stadium. Marihana fa saika natao omaly ihany ny fitiliana ny Covid-19 ho an’ny ekipa rehetra saingy noho ny tsy fahatongavan’i Carolus sy ny mpilalao iray hafa izay tsy tonga omaly, dia anio vao hotontosaina izay fitiliana izay.


