Songadim-baovao
Befandriana Avaratra : Voasambotry ny zandary ireo roa lahy mpamotsy omby halatra
Tao anatin’ny iray volana, inefatra sahady ny famotsiana omby saron’ny zandary tao amin’ny Kaomandin’ny kaompania Mandritsara. Vao ny 20 febroary lasa teo, olona roa tra-tehaka tao Sabotsibe Befandriana Avaratra, sarona noho ny resaka famotsiana omby halatra. Mandeha ny fanadihadiana…

Ny 20 febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora maraina no voasambotra Tra-tehaka tao an-tsena fivarotana omby antsoina hoe Sabotsibe Befandriana Avaratra, i Monja sy Mihandry, izay samy mipetraka ao amin’ny Fokontany Manongarivo, kaominina ambonivohitra Befandriana avaratra, mpivarotra omby, ny 20 febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Ny antony fisamborana, noho ny fahitana patanty amin’ny anaran’i Mara Mandignazy, mipetraka ao amin’ny fokontany Mangokely, kaominina Ambanivohitra Marovoay. Marihina fa ity farany dia efa niditra am-ponja noho ny famotsiana sy fivarotana omby halatra tao Marovoay, araka ny angom-baovao tany an-toerana. Omby 12 no nentiny namidy ka ny efatra tamin’ireo, efa lafo an-tsokosoko tany ivelan’ny tsena, raha mbola nisy valo kosa, nentiny tao an-tsena Sabotsibe Befandriana Avaratra. Misoratra amin’ny anaran’i Mara Mandignazy, ny fito amin’ireo omby ireo raha misoratra amin’ny Zahasoa kosa, ny iray. Tsy misy fanomezam-pahefana tamin’i Monja sy ny namany hivarotra omby amin’anaran’i Mara Mandignazy io. Tsy mifanaraka amin’ny FIB ny laharan’ny kavina amin’ny omby. Ireo pasipaoro avy any Namakia nitondrana ireo omby ireo, dia tsy misy fitomboka sy sonia. Ireo fitomboka sy sonia amin’ny taratasy fampivarotana dia i Monja no manao izany, amin’ny sonian’i Mara, izay halatra sonia.
Inefatra nisehoana famotsiana omby tao anatin’ny iray volana

Vokatr’ireo zava-mitranga ireo, notanana amin’ny valan’ny kaominina Ambanivohitra Morafeno ireo omby valo. Nampandrenesina ny manampahefana rehetra tao an-toerana. Natao andrimaso ireo tompon’antoka tamin’ny fanaovana famotsiana omby ary hanaovana ny famotorana. Hiakatra fampanoavana tsy ho ela, izy ireo, aorian’ny fanadihadiana lalina. Nambaran’ny Kaomandin’ny kaompania Mandritsara, ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana, omaly, fa « tao anatin’ny iray volana, inefatra sahady ny resaka famotsiana omby saron’ny zandary taty an-toerana. Noho izany, hentitra izahay ny amin’ny tsy maintsy hamongorana hatrany ifotony ireo mpanao famotsiana omby halatra ». Mitohy ny ady amin’ny famotsiana omby halatra, izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana. Tonjozotra fahefatra napetraky ny Seg Jly Serge Gellé rahateo ny ady amin’ny famotsiana omby halatra, izay tanterahina ankehitriny, raha ny fanampim-panazavan’ny Kaomandin’ny Kaompania Mandritsara.



