PolitikaSongadim-baovao

BEFANDRIANA NORD : Nanamafy ny mbola hifidianany ny kandidà Andry Rajoelina ny vahoaka

Nitohy tamin’ny Faritra Sofia ny fampielezan-kevitra ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Nanambara ny fitiavany ny Faritra Sofia ny kandidà laharana fahatelo ary nahitsy ny vahoaka nanamafy ny mbola hifidianany ny kandidà Andry Rajoelina…

Teo amin’ny toerana malalaka manoloana ny Lapan’ny tanàna ao an-toerana no nihaonan’ny kandida laharana fahatelo tamin’ny vahoaka. Tonga marobe ny olona. Tokony afakomaly moa no teto taorian’ny tany Ambatoria. Fa feno zavona sady ratsy ny andro dia nahemotra omaly. Tsy nahakivy ny vahoaka anefa izany fa tonga marobe ny olona teto. Nanambara i Andry Rajoelina fa noho ny fitiavany an’i Befandriana Avaratra dia tonga izy. Amin’ny fiainana na inona na inona sakana na inona na inona sedra, hoy izy, dia mila mino ary mila mikiry hatrany. « Fantatro fa tia ahy ianareo ka tonga aho anio. Fantatro fa efa tia ahy ianareo omaly, tia ahy androany ary mbola hitia ahy rahampitso sy aminy ho avy, hoy izy. Nanamafy kosa ny vahoakan’i Befandriana fa tia ary tsy miala amin’ny laharana fahatelo. Tsy miova loko.

Taminy izaho teto farany mbola be dia be ny lalan-tany teto fa izao efa betsaka no vita goudron sy pavé raha ny fanazavany. Rehefa marary dia sahirana ireo renim-pianakaviana noho izay fijalianareo izay dia nandefasana ambulance 4×4 médicalisée taty. Mila mifanampy isika ary mila mifanohana. Ny asa rehetra natomboka sy ireo mikatso ihany koa, dia tsy maintsy vitaina sy faranantsika. Tsy maintsy i Andry Rajoelina no hitokana azy ireo », hoy izy. Nasongadiny ny mikasika ny kianja manarapenitra izay fanamby nataoko taminareo. Tsy matotra ny mpandraharaha nanao ny asa satria azony ny vola dia lasa izy. Hanome toromarika aho fa ao anatin’ny efa-bolana, dia tsy maintsy vitaina io kianja manarapenitra io ary ho avy eto aho hitokana azy.

 Amin’ny andro sarotra no ahitana ny tena namana

Anisan’ny sompitr’i Madagasikara i Sofia ka hanampy ny mpamboly ny kandidà Andry Rajoelina, hanampy ny fikambanam-behivavy, ny tanora aminy fe-potoana manaraka. Mbola mijaly amin’ny Jirama ny vahoaka eto.  Hapetraka ny  « parc solaire » ngeza be. Tsy hila gazoala intsony ary tsy ho tapatapaka intsony ny jiro afaka volana vitsy. Mbola maro koa anefa ireo tsy manana jiro Jirama. « Hanakaiky anareo aho ary hitondra hazavana isaky ny tokantrano afaka volana vitsy. Ataoko tsy mampiasa labozia sy jiro pétrole intsony ianareo », hoy hatrany ny kandidà laharana fahatelo.

Araka izany, nanamafy ny vahoaka teto Befandriana Nord fa mbola hifidy an’i Andry Rajoelina aminy fifidianana hotanterahina ny 16 novambra izao. 69,66% ny vato azony teo tamin’ny 2018. Ianareo izay hifidy ahy sy hanova tantara miaraka amiko dia tsy ataoko miaina amin’ny maizina intsony. Vao lany izy dia hizara « kit solaire » isan-tokantrano.

I Andry Rajoelina no Filoha tia tanindrazana, manakaiky vahoaka ka izy no hofidian’i Befandriana. Niaiky ny olona teto fa ny fotodrafitrasa tsy nisy nanao tao anatin’ny 60 taona dia vita avokoa. Rehefa misy taratasy ilaina dia voatery makany Mandritsara. Amin’izao efa mandeha ny asa fanamboarana tribonaly ao ka hanala fahasahiranana ny vahoaka. Misy milaza hoe tsy ilaina ny EPP sy ny Kianja. Ilain’ny vahoaka ireo. Efa kely sisa dia ho vita ny biraon’ny polisim-pirenena eto. Noho ireo asa vita be dia be ireo dia vonona hifandray tanana amin’i Andry Rajoelina ny vahoakan’i Befandriana Avaratra ary tsy hiala aminy.

Anisan’ny olona mamboly sy mamokatra ny ao Befandriana. Nanao izay ezaka rehetra aho, hoy izy, hampiakatra ny farimpiainan’ny olona. Efa vitantsika ny fotodrafitrasa fa ny ataontsika manaraka dia hitsinjo sy hampivoatra ny farimpiainan’ny olona. Ny vehivavy, ny tanora, ny tsy an’asa sy ny tantsaha.  Nanambara ny kandida laharana fahatelo fa hijery manokana ny hampiakarina ny vidiny. Anisan’ny laharam-pahamehana ho azy ny hametraka  « usine d’extraction ». izay hanodina ny lavanila isaky ny faritra mba ho fitsinjovana manokana ireo tantsaha mpamboly.

Mbola tsy miova ny fitiavan’i Mandritsara…

Ny vahoakan’i Mandritsara no nihaona voalohany tamin’ny kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina omaly talata. 77% ny vato azon’i Andry Rajoelina teto taminy 2018 ary tao no nahazoany taha ambony indrindra. Mbola tsy miova ny fitiavan’i Mandritsara ny laharana fahatelo. Vahoaka sesehena no nanatrika ny fihaonana omaly, izay notanterahina teto amin’ny kianja fanaovam-baolina tao an-toerana. Mbola marobe koa anefa ireo nanaraka azy teny am-pahatongavana teny amin’ny toerana fipetrahan’ny fiaramanidina ka tsy tafiditra tao an-kianja. Mbola manamafy ny vahoakan’i Mandritsara fa handrotsaka ny laharana fahatelo aminy 16 novambra ho avy izao.

« Marobe ny faritra nalehako fa hafa ny teto Mandritsara. Feno hipoka ny kianja. Niasa i Andry Rajoelina teto Mandritsara ary noporofoin’i Mandritsara izany. tena tia an’i Rajoelina i Mandritsara. Tsy mihatsaravelatsihy rahateo ny mponina eto fa naneho ampahibemaso ny fanohanany. Tanana hadino hatrany hatramin’izay fa hatramin’ny dimy taona niasan’i Andry Rajoelina dia natao izay hahatrarana ny fahatarana amin’ny fanaovana fotodrafitrasa manakaiky vahoaka sy ilain’ny vahoaka », hoy izy. Efa mandeha ny ankehitriny ny fanamboarana kianja manarapenitra  ary efa ho vita. I Andry Rajoelina no tsy maintsy hitokana izany. Mitombo ny mponina kanefa tsy mifanaraka amin’izany ny fotodrafitrasa misy. Na ny trano fandidiana sy ny hopitaly tsizarizary. Toy izany koa ny « Maternité ». Izay no nanapahana hevitra manao hopitaly eto. Efa kely sisa dia ho vita ny hopitaly goavambe ho an’ny vahoaka eto Mandritsara. « Rehefa marary ny eto dia tsy misy « scanner » fa voatery mandeha any an-toeran-kafa. Raha vao vita ny hopitaly manarapenitra eto dia hametrahana « scanner », raha ny nambaran’ny kandidà laharana fahatelo. « Miasa mafy isika tsy misy zavatra tonga lafatra 100% fa raha ny velirano natao rehetra sy ny fampanantenana natao dia vita 90% raha ny teto Mandritsara. Betsaka ny filoha nifandimby teto Madagasikara fa iray ihany no tena tia anareo sy nahavita zavatra betsaka indrindra teto Mandritsara », hoy izy.

Mendrika fotodrafitrasa…

Nitoka-monina i Mandritsara hatramin’izay fa akaikin’ny fo ary tsy maintsy ampandrosoina. Nanampy ireo mpanao fanatanjahantena nandray anjara tamin’ny « jeux des îles » aho, hoy izy. Marobe ny tanora mpanao fanatanjahantena eto Mandritsara. Ho azy ireo,  nanangana Gymnase lehibe isika, ary  efa ho vita satria mendrika fotodrafitrasa azo anaovana fifaninanana goavana ny tanora eto Mandritsara.

« Marobe ny zanantsika mandeha an-tongotra alavitra be rehefa hianatra. Izay no nanaovantsika sekoly marobe ka anisan’izany ny EPP Amparibe, EPP Maroboka, EPP Ambaripaika. Mbola be dia be ny zanatsika mianatra amin’ny tany ka izao isika nanao EPP manarapenitra ary misy ordinatera », hoy ny kandidà laharana fahatelo.

Mbola marobe ny tsy manana jiron’ny JIRAMA eto Mandritsara. 500 ariary isaky ny alina ny labozia ampiasan’ny mponina eto. Mahatratra 15 000 ariary isam-bolana. ny sasany mahalany solitany 30 000 ariary isam-bolana. Nanambara i Andry Rajoelina fa nilaina tokoa ny nanao fotodrafitrasa hanatrarana ny fahatarana. Fa amin’ny fe-potoam-piasana manaraka, hanakaiky ny vahoaka izy ary hijery ny filan’ny vahoaka andavanandro. « Rehefa lany « premier tour » ka mihoatra ny 50% aho dia omeko panneau solaire miaraka amin’ny jiro isan-tokantrano ianareo eto. Izaho mampanantena hanazava anareo isaky ny tokantrano », hoy i Andry Rajoelina. Tonga dia notolorana teto ireo solontenan’ny vahoakan’i Mandritsara.

Tsy maintsy atao tonga ny fampandrosoana

Mananara Avaratra no distrika notsidihan’i Andry Rajoelina fahatelo omaly. Feno hipoka ny kianja eto an-toerana. Betsaka ny distrika nifidy an’i Andry Rajoelina fa anisan’ny tompondaka i Mananara tamin’ny 2018. 92% no azony teto tamin’ny fihodinana faharoa. Voaporofo fa tsy niova loko i Mananara. Feno hipoka ny kianja. Na somary kasoka aza ny feon’ny kandida laharana faha-3 noho ny fitetezam-paritra misesisesy tsy ankijanona nandritra izay fampielezan-kevitra izay dia tonga izy nanaporofo fa akaiky azy koa i Mananara Ary zava-dehibe aminy ny mifanatri-tava amin’ny vahoaka eto. « Satria tiako i Mananara dia nataoko izay nahatongavana eto », hoy izy.

Ary dia nambarany fa tsy maintsy ataontsika tonga eto Mananara ny fampandrosoana ary tsy maintsy ataontsika mandroso ity distrika ity.

Tao anaty faritra Analanjirofo i Mananara Avaratra taloha ary dia alavitra teto ny fampandrosoana. Izay no antony nanaovana ny Faritra Ambatosoa. « Manomboka izao dia tsy maintsy tonga eto Mananara ny fanampiana rehetra sy ny tamberim-bidy rehetra amin’ireo harena marobe misy eto », hoy i Andry Rajoelina.

Tetikasa « route du soleil »

Manana tetikasa goavana aho, hoy i Andry Rajoelina teto Mananara Avaratra. Dia ilay « route du soleil », izay miainga ao Manakara mandalo Maroantsetra, mitety distrika maro ka mipaka hatrany Fort Dauphin. Efa mandeha koa izao ny fanamboarana ny RN5 miala ao Soanierana Ivongo mandra-pahatonga eto Mananara dia hataontsika goudron.

Tao anatin’izay 5 taona izay,  tsy misy ny tonga lafatra fa izaho miteny fa raha fampandrosoana raha tsy hiresaka afa-tsy ny teto Mananara manokana dia azo tsapain-tanana izany. Izaho manana trosa be amin’ny vahoakan’i Mananara ary tsy maintsy efaiko isaky ny tokantrano izany trosa izany satria i Mananara no anisan’ny nifidy ahy be indrindra taminy 2018. Hijery manokana ny vehivavy, ny tanora, ny tantsaha aho. Tsy maintsy ampiako ianareo ary tsy maintsy ataotsika mandroso i Mananara », hoy izy.  92% no nifidianan’i Mananara an’i Andry Rajoelina tamin’ny fihodinana faharoa. Rehefa lany izy amin’ity fifidianana 16 novambra ity dia homena « kit solaire »daholo ny tokantrano rehetra eto. Hitondra fahazavana manerana ny distrika no tanjony.

Betsaka koa ny mpamboly eto. Anisan’ny tena mpamboly jirofo i Mananara. Efa miakatra avo roa heny ny vidiny amin’izao satria raha 10 000 ariary izany taloha dia efa lasa 20 000 ariary ankehitriny. Miaro ny tantsaha aho, hoy izy, ary haiko fa misedra olana isika amin’ny vidin’ny lavanily. Io tsy maintsy itadiavana vahaolana, hoy ny nambarany. Aminy taona ho avy dia hametraka « unité d’extraction de vanille » amin’ny faritra rehetra mamokatra lavanily ny laharana fahatelo. Ahodintsika eto ny lavanily dia lavanily efa vita fikarakarana no aondrantsika any ivelany. Miakatra ny vidiny, hoy izy. Nifanome toky araka izany i Andry Rajoelina sy ny vahoakan’i Mananara Avaratra fa hifanampy sy hifanohana amin’ny fampandrosoana. Aminy 16 novambra izao ary dia nanamafy ny teto fa hifidy 100% ny laharana fahatelo.

Rado Harivelo

Fermer