PolitikaSongadim-baovao

« BEFF 2025 » : Notsongain’ny Printsy Albert II de Monaco hanatrika ny Filoha Rajoelina

Nigadona ny tolakandron’ny sabotsy tao Nice – (Departemantan’i Côte d’Azur) – France ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina hanatrika ny « United Nation conference Ocean » na UNOC andiany fahatelo, izay hatao ao amin’ny « Port Lympia » Nice ny 9-13 Jona 2025. Mialoha ny fanatrehana ny lanonana fanokafana ny « UNOC 3 », afakomaly alatsinainy,  dia nihazo ny Principauté de Monaco ny delegasiona malagasy tarihan’ny Filohan’ny Repoblika afakomaly. Anisan’ireo Filoham-panjakana sy Filoham-pirenena notsongaina manokana  nahazo fanasana avy amin’ny Printsy Albert II de Monaco mantsy ny Filoha Andry Rajoelina hanatrika ny lanonam-pamaranana ny Fikaonandoha momba ny Toekarena Manga sy ny Famatsiam-bola – na BEFF 2025, izay mifanojo koa ny « Andro manerantany ho an’ny Ranomasimbe ».

Tamin’ny 11 ora no nigadona tao amin’ny Grimaldi Forum Monte-Carlo – Monaco ny Filoha Andry Rajoelina ary noraisin’ny Printsy Albert II de Monaco teo am-pidirana. Nisy fifandraisan-tanana sy fiarahana naka sary ary fifanakalozana fohy teo amin’ny Filoha malagasy sy ny Printsin’ny Principauté de Monaco. Manamarika fa vahiny manan-kaja sy voaasa manokana ny Filoha Andry Rajoelina ary manamafy ny fiarahamiasa an-taonany maro teo amin’ny Firenena roa tonta, izay mifantoka amin’ny sehatra sosialy sy maha-olona, indrindra fa amin’ny fahasalamana sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Anisan’izany ny nananganana ny Ozina Nutrisud ao Tolagnaro, izay mamokatra fanampin-tsakafo ho an’ny ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny Faritra Anosy sy Androy. Fiarahamiasa iarahan’ny Fikambanana Fitia, izay tarihan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina sy ny Fondation Mérieux. Miara-dia amin’ny Filoha Andry Rajoelina ao Monaco manatrika ny lanonana famaranana ny BEFF 2025 ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Max Andonirina Fontaine.

Fifamatorana eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara

Anisan’ny nanatrika ity lanonana famaranana fikaonandohan’ny BEFF tao amin’ny salle des Princes ao anatin’ny Grimaldi Forum ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron izay manatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Monaco (7-8 Jona) ary nanasa koa ny Filoha Andry Rajoelina hanatrika ity lanonana famaranana ny « BEFF 2025 » ity ho mariky ny fifamatorana misy eo amin’i Madagasikara sy Frantsay, taorian’ny fitsidihana ara-panjakana teto Madagasikara ny 23-24 Aprily 2025. Tazana nandritra ny famaranana ny BEFF ihany koa ny Prince de Galles William, ny Filohan’ny Repoblika fédérative an’i Brésil, Luiz Inacio Lula Da Silva, ny Filohan’ny Repoblika Costa Rica, Chaves Robles, izay mpiara-mikarakara ny UNOC 3 miaraka amin’i Frantsa, ny Filohan’ny Repoblikan’i Cap Vert, José Maria Neves. Izy ireo koa izay anisan’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana maherin’ny 50 hanatrika ny lanonana fanokafana ny fihaonamben’ny Firenena mikambana momba ny Ranomasimbe andiany fahatelo UNOC 3, izay nisokatra omaly ao Nice.  Anisan’ny mandray anjara amin’ny BEFF 2025 koa ireo mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika toa ny Banky iraisam-pirenena, FMI, ary PNUD.

Nangonin’i Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer