Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

BEFOTAKA NORD: Trano miisa 27 may, tafakatra 75 ireo tsy manan-kialofana

Nisehoana trano may tao Befotaka Nord, tao amin’ny Vakim-paritra « La sirène », Fokontany sy kaominina Befotaka-Nord, ao anatin’ny Distrikan’Analalava, ny alin’ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Araka ny loharanom-baovao izay azo teny an-toerana, dia avy tao amin’ny tokantranon-dRtoa Marinesy, izay ipetrahan’ny zanak’anadahiny mbola mpianatra no nipoiran’ny afo, saingy tsy fantatra mazava ny antony nahatonga izany. Marihina fa vita amin’ny falafa sy atrandra ary mitafo fanitso avokoa ny ankamaroan’ny trano may ka nalaky nihitatra ny afo. Tsy misy ny naratra na aina nafoy nandritra io loza io. Vokatr’io fahamaizana goavana io, dia trano 27 tafo no kila forehitra. Tafakatra 75 ireo tsy manan-kialofana. Lelavola may tavela tao an-trano, nitentina 23 Tapitrisa Ar. Raha ny tombantombana momba ny tombam-bidin’ny entana rehetra may dia nahatratra 50 Tapitrisa Ar.

Namonjy teny an-toerana avy hatrany, ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Zana-tobim-paritra Befotaka vantany vao nandre ny loza, ka hanatontosa vonjy voina sy handamina. Tamin’ny fahatongavana teny an-toerana, dia efa maro ny trano  nirehitra, saingy efa niezaka namono sy mifehy ny afo ny fokonolona tato anatin’ny Fokontany Befotaka-Nord. Marihina fa manamorona ny lalam-pirenena fahenina, PK 342 io toerana io. Naharitra adiny roa ora izay vao voafehy tanteraka ny afo noho ny hamafin’ny tsio-drivotra Varatraza.  Nandray andraikitra koa ny avy tao amin’ny Fokontany sy ny kaominina, izay notarihan’ny lefitra voalohany ny Ben’ny tanàna, tamin’ny fikarakarana ireo tsy manan-kialofana satria maro amin’izy ireo no tsy nisy avotra mihitsy ny entana tao an-tranony.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer