PolitikaSongadim-baovao

BEN’NY TANANA ETO ANALAMANGA:Vonona handray anjara amin’ny fifidianana Loholona

“Misy milaza fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana Loholona amin’ny 11 Desambra.  Fa iza moa ireny olona miteny ireny? Izahay aza mbola tsy miteny akory kanefa izahay no tena voakasika mivantana amin’ny fandrotsaham-bato amin’ny fifidianana”, hoy Rakotoarimanana Henintsoa, Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy, sady Filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna eto amin’ny Faritra Analamanga. Izy izay nilaza fa tsy voatery izay miteny foana akory no  manana ny marina sy ny rariny  eto amin’ity  firenena ity, fa  misy koa olona vonona hiara-hiasa sy mbola manohana  izao fitondram-panjakana izao.  Antony nahatonga azy, sy ireo ben’ny tanàna lany  teto amin’ny Faritra Analamanga nivondrona ka nanangana ny “Association des Jeunes Maires Analamanga” (AJMA). Manao politika  tanteraka ny fikambanana, araka ny fanazavana. Ary manohana tanteraka ny   Filoha Andry Rajoelina sy ny  Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny.

Ben’ny tanàna 102 hatreto                            

« Isika rehetra miara-mandroso ». Io no teny filamatry ny fikambanana.  Ny fitoviana fomba fijery ara-politika no anisany nampivondrona ireto ben’ny tanàna ireto. Marihana fa misy amin’izy ireo no tsy lany tamin’ny antokon’ny Fitondrana tamin’ny fifidianana kaominaly teo. Saingy resy lahatra kosa amin’ny fiarahamiasa amin’ny Filoha Andry Rajoelina. 140 no isan’ny ben’ny tanàna mandrafitra ny  Faritra Analamanga. Ny 102 amin’ireo no efa namaly ny anto sy nanaiky ny hanatevin-daharana ao anatin’ny fikambanana. Nanome toky ireto ben’ny tanàna ireto  fa handray anjara sy handrotsa-bato amin’ny fifidianana Loholona amin’ny   11 desambra ho avy izao. “Koa satria izahay manohana ny   Filoha Andry Rajoelina, dia vonona  izahay  hanohana izay kandida atolotry ny Filoha ho amin’ny     fifidianana Loholon’I Madagasikara amin’ny 11 desambra izao”, hoy   Rakotoarimanana Henintsoa.

Fifanampiana

Ankoatran’ny resaka politika, isany antom-pisian’ny fikambana ny fifanampiana sy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny samy  ben’ny tanàna. Araka ny fanazavana, misy ireo  ben’ny  tanàna no mety efa havanana kokoa amin’ny resaka                         fitadivana mpamatsy vola na mpiara-miombon’antoka, dia        izay no       ilàna ny fifanankalozana ao anatin’ny fikambanana. Tanjona ny hisitrahan’ny kaominina tsirairay fampandrosoana marina eto Analamanga. Ankoatra ny Filoha mpitarika ny fikambanana, dia misy filoha mpanampy koa, isaky ny distrika mandrafitra            ny Faritra Analamanga. Isan’izany ny distrikan’Andramasina, Ankazobe, Ambohidratrimo, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo.

Fermer