PolitikaSongadim-baovao
BEN’NY TANÀNA HARILALA RAMANANTSOA: Vonona hiara-hiasa amin’ny rehetra ho fampandrosoana ny tanàna
Naneho ny fahavononany sy ny fahasahiany ho fitadiavana izay fomba rehetra hoenti-manarina ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny Ben’ny tanàna vaovao, Ramanantsoa Harilala. Niantso ny rehetra hifanome tanana aminy ho fampandrosoana. Omaly no nandraisany ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo, tamin’ny alalan’ny fametrahana ny samboady maha tompon’andraikitra voalohan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra…
Nanomboka nandray ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, omaly, ny Ben’ny tanàna vaovao, Ramanantsoa Harilala, tamin’ny alalan’ny fandraisany ny samboady maha tompon’andraikitra, nandritra ny lanonana manetriketrika notanterahina teny amin’ny Parvis Analakely. Nilaza teo anatrehan’ny ambanilanitra izy, fa vonona sy sahy eo am-pamakivakiana ny dimy taona voalaza fa sarotra sy mideza, ary ho eo anilan’ny vahoakan’Antananarivo mandrakariva, hihaino sy hitady ny fomba rehetra hanarenana ny tanànan’Antananarivo. “Fitiavana lalimpàka ao am-poko ho an’Antananarivo no hijoroako, mba ho tanàna mandroso, milamina, maitso sy mahate-honina ny tanànantsika”, hoy izy. Niantefa tamin’ireo tompon’andraikitra tena mifampikasoka amin’ny vahoaka ny Ben’ny tanàna Harilala Ramanantsoa, niantsoany fiaraha-miasa tamin’izy ireo ampahibemaso, dia ny Sefo Fokontany, Lehiben’ny Distrika, Delegen’ny Boriborintany, ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Kaominina, sy ny sisa. Notaominy hiara-hijery izay fomba hanarenana ny tanàna ka ho tena vahaolana. Nampiany, fa “Isika miaraka sy miay hina no mampiseho finiavana hanarina an’Antananarivo”. Tsy nohadinoiny koa ireo Fikambanam-behivavy mpanasa lamba, izay nilokalokany nandritra ny fampielezan-kevitra nataony fa hiara-hiasa sy hifanampy aminy. Torak’izay ireo manan-kilema sy zokiolona, ary mpitondra fivavahana samihafa.
“An’Antananarivo manontolo aho”…
Teo anatrehan’ny fahalaniany Ben’ny tanàna tamin’ny alalan’ny vondron’antoko, dia nankasitraka ny vovonana IRMAR nanolotra sy nampandany azy izy. Nanambara anefa izy, fa ny fisahanany andraikitra maha Ben’ny tanàna tsy hanadinoany ny lafiny Politika, satria noho ny fanohanany sy ny fahatokisany azy no antom-pisiany eo amin’izao fotoana. Nomarihany anefa, fa na lany tao anaty vondron’antoko aza izy, dia an’Antananarivo, ary ny politika tsy tokony ho sakana intsony ho fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo. Vonona hiara-hiasa amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, miaraka amin’ireo tsy miankina ho tena fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo. Nomarihany, fa “Isika rehetra miara-mandroso sy miara-mandresy, dia mandresy ny fankahalana sy ny hanoanana ary ny fifankahalana, satria antsika rehetra Antananarivo”. Ny fifidianana Ben’ny tanàna ny 11 desambra 2024 teo moa, no nahalany azy ho Ben’ny tanàna indray, raha efa Filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, nandritra ny volana vitsivitsy teo aloha. Izy no nahazo vato be indrindra tao anatin’izany, izay miisa 102 600, amin’ny taha 42,66% tamin’ireo mpifaninana miisa 06 niaraka taminy. Ny Prefen’Antananarivo, ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo, no namaky ny didim-pitsarana nivoaka nampandany azy, teny amin’ny Parvis. Ny Minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany kosa, no nanalotra ny samboady taminy. Ny Prefen’Antananarivo, izay niarahaba azy tamin’ny alalan’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta.
Nangonin’i Stanislas R.




