PolitikaSongadim-baovao
BEN’NY TANANA SY MPANOLONTSAINA : Manohy ny asany vonjimaika mandrapahavitan’ny fifidianana
Namoaka ny heviny ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) omaly mahakasika ny fahataperan’ny fepotoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna eto Madagasikara. Fantatra tao anatin’izany fa mitohy manohy ny asany vonjimaika izy ireo mandrapahavitan’ny fifidianana, izay ho atao amin’ity taona ity.
Niteraka adihevitra teo amin’ny tontolo politika teto amintsika ny fahataperan’ny fepotoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, efa roa herinandro mahery izay. Nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny mahakasika ny fitantanana ny Kaominina satria ny fifidianana mbola vao ho avy. Omaly, namoaka ny heviny ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpaporenana (HCC), izay namaly ireo fanontanina maro apetraky ny mpanara-baovao. Fantatra àry fa mitohy manohy ny asany vonjimaika ireo Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna manerana ny Nosy mandrahatongan’ny fifidianana Kaominaly vaovao. Hisy ihany koa ny fanendrena delegasiona manokana raha toa ka misy tsy fahafahan’ilay ben’ny tanàna teo aloha intsony mandray ny toerana, toy ny fialana mivantana amin’ny andraikitra ao amin’ny kaominina, ny fanendrena ilay ben’ny tanàna amina andraikitra hafa. Mifandraika amin’ity tranga farany ity manokana ny zava-misy eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ankehitriny, izay tsy manana Ben’ny tanàna intsony noho ny nahavoatendry an’Andriamatoa Naina Andriantsitohaina ho Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany. Andrasana, araka izany, ny fanendrena ny delegasiona manokana itantana an’Antananarivo Renivohitra mandrapahavitan’ny fifidianana. Marihina fa voafetra ihany ny asa azon’ireo Ben’ny tanàna misahana asa vonjimaika ireo mandrapahavitan’ny fifidianana.
Hatreto, tsy mbola nisy fanolorana daty nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotana misahana ny fifidianana (Ceni) mahakasika ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna. Araka ny angom-baovao dia heverina ny hanatanterahana izany amin’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona ity. Tsy maintsy mbola hirosoana koa mantsy etsy ankilany ny fifidianana Solombavambahoaka.




