Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina
BERYL 29,14KG SAIKA HAONDRANA AN-TSOKOSOKO: Teratany vahiny valo saron’ny Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany
Ahitam-bokany hatrany ny famongorana ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna ataon’ireo mpitandro filaminana misahana izany. Vatosoa Beryl milanja 29,14 kilao indray no saron’ny Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany teto an-drenivohitra, ny talata 6 Jolay lasa teo. Teratany vahiny miisa valo no voasambotra amin’ity raharaha ity ary efa mandeha ny fanadihadiana ...
Vatosoa Beryl avy any Andilana Avaratra milanja 29,14 kilao no saron’ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny tany eto an-drenivohitra, ny talata lasa teo. Teny am-pelatanan’ny mpividy vato tsy ara-dalàna no nahatrarana izany, ary tsy nisy mihitsy ny antontan-taratasy na fanamarinana ny fitazonana ireo vato ireo rehefa nanatanteraka ny fisavana ny tomponandraikitra. Teratany vahiny miisa valo no voasambotra amin’ity raharaha ity ary efa mandeha, noho izany, ny fanadihadiana. Marihina fa napetraka amin’ny fitahirizana azo antoka ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ireo vatosoa ireo, mandra-piandrasana ny vokatry ny fanadihadiana. Nanambara ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Fidiniavo Ravokatra, nandritra ny fametrahana ireo vatosoa beryl ireo tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara fa « ny famongorana hatramin’ny farany ny fitrandrahana an-tsokosoko ,ny fivarotana sy ny fikirakirana tsy manara-dalàna ny vatosoa sarobidin’ny firenena no ahafaha-mitondra fampandrosoana tokoa ho an’ny Firenena ».Tsara ny manamarika fa misy ny lalàna mifehy sy mamaritra ny antontan-taratasy ahafaha-manatanteraka ny asa manodidina ny fitrandrahana, ny fitazonana, ny fivarotana, ny fanondranana, ny fitaterana, na izay endrika rehetra fikirakirana harena an-kibon’ny tany.
Fanatsarana sy fanavaozana…
Mitohy hatrany ny fanadiovana sy fanatsarana ary fanavaozana apetraky ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, amin’ny fitantanana ny sehatra iandraiketany. Maro ireo lalàna mifehy ny harena kibon’ny tany, toy ny fametrahana ny fandraisana anjara ny Fanjakana, ny fijerena ny tombontsoa ny mpitrandraka. Anisan’izany koa ny tombontsoa azon’ny vahoaka.
Ankoatra izay, nahitam-bokany ny hetsika natao momba ny ady amin’ny fitrandrahana sy fivarotana vatosoa an-tsokosoko eto Madagasikara. Raha tsiahivina, botry iray nitatitra hazo sarobidy no tratran’ny zandary ao amin’ny borigadin’ny Zandarimariam-pirenena ao Manatsandry, Distrikan’i Marovoay tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antafian’Arangajao, ny 29 jona lasa teo. Olona roa no voasambotra tamin’izany ary notazomina tao amin’ny Borigadin’ny Zandarimaria ao Manantsandry. Nampahafantarina avy hatrany ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao amin’ny Tribonalin’i Mahajanga sy ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany, momba izany raharaha izany, afaha-mandray fepetra hentitra, momba ny fitrandrahana harena kibon’ny tany tsy ara-dalàna.
Marina (Mpianatra asa) sy LR.




