Songadim-baovao

BESALAMPY : Botry iray sarona nitondra hazo sarobidy miisa 115 isa

Sarona tao amin’ny vavarano antsoina hoe Marotondro ny botry iray nitondra hazo sarobidy miisa 115 antsoina hoe voamboana, ny alarobia 28 jona lasa teo. Saika haondrana an-tsokosoko izy ireo, izo saron’ny zandary sy ny polisy niaraka tamin’ny sefo distrikan’ i Besalampy. Notaterina any Besalampy ireo hazo sarobidy ireo, ny farany herinandro lasa teo…

Ilay botry sarona nitondra ireo hazo sarobidy voarara.

Rehefa nahazo vaovao avy tamin’ olona tsara sitrapo ny mpiasan’ny distrika sy ny zandary ary ny polisy ao Besalampy, ny Alarobia 28  jona lasa teo,  fa misy botry iray atao hoe « Lantrede » manondrana hazo sarobidy an-tsokosoko amin’ny toerana antsoina hoe Ambondrobe,  fokontany Besalampy-Haut, Kaominina ambonivohitra sy distrikan’i Besalampy. Niara-nidina tany an-toerana ny zandary roa sy polisy efatra niaraka tamin’ ny mpiasan’ny distrika iray.  Tratra teo amin’ny vavarano antsoina hoe Marotondro tokoa ilay Botry ary efa misy hazo  » palissandre  » na voamboana sy gnianakaraky maro tao anatiny. Mbola maro koa ny tatÿ ivelany, izay mbola tsy voaondrana, saingy afa-nandositra ireo  » équipages « -n’ io Botry io. Nisy, araka izany, fepetra noraisina ka nambenana ilay botry sy ny hazo sarobidy tratra, izay mitotaly 115, ny efa voaondrana sy ny sisa, mbola tsy voaondrana taty ivelany. Nanakarama olona mahay mitondra botry ny Lehiben’ny distrikan’i Besalampy,  ka nentina tany an-toerana naka ilay Botry niakatra any Besalampy.

Karohina fatratra i Tsibidy sy i Lala…

Ampahany amin’ireo hazo voamboana tratra.

Miisa 56 ny hazo sarobidy zakan’ ilay Botry ary efa tonga ao Besalampy, afakomaly, tamin’ ny 11 ora sy 30 minitra antoandro. Ny mpikamban’ny  OMC, izay notarihin’ ny Lefitra voalohany Lehiben’ ny distrika no nitarika azy, niaraka tamin’ ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Besalampy. Ny masoivohon’ APMF ao Besalampy kosa, no niatrika ny fahatongavan’io Botry io teny amin’ny seranan-tsambo eto Besalampy. Nanarama olona indray ny Lehiben’ ny distrika hampidina ireo hazo sarobidy tratra ireo avy ao anaty Botry sy hitondra azy eny amin’ny distrika.

Nanarama olona maromaro koa izy niambina ny hazo sarobidy tratra, izay mbola tsy tonga miisa 59 ka hiverina any Marotondro indray io Botry io haka azy vantany vao tafidina ireo 56 efa tonga ao Besalampy. Araka ny filazan’ ireo mponina manodidina ny toerana nahatraranaireo  hazo sarobidy ireo, olona roa lahy antsoina hoe Tsibidy sy i Lala, izay samy avy any Nosy-Be  Hell ville mpanapaka hazo. Manarama mponina ao an-toerana ihany izy ireo,  izay miovaova isan’andro. Samy tsy tratra tao Marotondro koa moa izy roa lahy ireo, fa ny fanafody gasy, azy ireo no tratra tao amin’ny trano izay ipetrahany. Karohina fatratra izy ireo, araka izany. Efa notazomina ao amin’ny Kaomisaria ilay Mohara azy roa lahy. Ny tompon’ny botry kosa, dia  avy any Belo / Mer, saingy mbola lasa any Belo / Mer izy namonjy ny rainy maty, ka tsy niatrika ny fanondranana ireo hazo sarobidy tratra, izay nataon’ireo ekipany ireo.

Fermer