
PolitikaSongadim-baovao
BETROKA : Vonona ny hanome 75 % ho an’ny kandidà Andry Rajoelina amin’ny fifidianana
Raha asan-dahalo sy tsy fandriampahalemana no nampalaza an’i Betroka, taona vitsy lasa izay. Tsy nisy andro tsy nahenoina vaovao mikasika halatr’omby sy vono olona. Niova izany ankehitriny, nanambara ny vahoakan’i Betroka fa milamina ny tanàna ary mandry fahalemana ny mponina. Vao niakatra teo amin’ny fitondrana ny Filoha Andry Rajoelina, ny taona 2019 dia nataony laharam-pahamehana ny famongorana ny halatr’omby sy ny famerenana ny fandriampahalemana tao Betroka sy ireo distrika manodidina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Antony nametrahana ny « Base Opérationnelle Avancée »a (BOA) ary nampitomboina ny isan’ireo miaramila sy zandary miasa any Atsimo. Notolorana ireo fitaovana maro manarapenitra toy ny angidimby sy fiara tsy mataho-dalana koa ny Tafika hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Rehefa nilamina ny tany dia afaka niasa sy nifantoka tamin’ny asa fivelomany andavanandro ny vahoaka. Ireo no tena maharesy lahatra ny vahoakan’i Betroka hanamafy indray ny fatokisany sy ny fanohanany ny kandidà Andry Rajoelina. Araka izany, handrotsaka ny laharana fahatelo ny vahoakan’i Betroka, aminy 16 novambra ho avy izao. 66% no vato azon’i Andry Rajoelina teto Betroka taminy 2018. Amin’ity 2023 ity dia manome toky izy ireo fa hanamontsana ny « record » ka hahatratra hatrany aminy 75% ny vato homena ny laharana fahatelo. Ny lonaky tao Betroka koa dia nanolotra satroka bônetra, lefona fanorolahy ho entina miady sy lamba folanelina an’i Andry Rajoelina ho mariky ny fitiavana sy fahatokisana atolotra azy, araka ny fomban’ny foko Bara. » Tsy misy miviovio i Betroka ary miteny izahay Raiamandreny fa 100% Betroka amin’ity fifidianana ity », hoy izy. Nitsodrano ihany koa ary nanambara fa ho lany filoham-pirenena i Andry Rajoelina.
Nanotrona ny kandidà laharana fahatelo teto Betroka ny depiote Nicolas Randrianasolo sy ireo depiote lany tany amin’ny faritra Atsimo ary ireo Ben’ny Tanàna voafidy taty an-toerana.
Hanohy ireo asa efa natomboka nandritra ny 5 taona ny kandidà laharana fahatelo. Nohamafisiny teto ny fitiavany manokana an’i Betroka sy ny Faritra atsimon’ny Nosy. Fantatr’i Betroka ny fitiavako ny faritra Atsimo. Raha misy akaikin’ny foko sy ampandrosoiko dia ny Atsimo fa indrindra i Betroka. Fitia mifamaly, araka izany, ny an’i Andry Rajoelina sy Betroka. Izay fitiavana izay no mahatonga ahy hiasa mafy hoy izy. Efa nanova ny tantara isika ary mbola hiaraka hanova ihany koa. Nambaran’i Andry Rajoelina, araka izany, fa hovaintsika ny tantaran’i Betroka ary izay tsy vita teto hatramin’izay dia hovitaintsika.
Marobe ny fotodrafitrasa…
Marobe ny lalana natao rarivato tao an-tampon-tanàna. Misy amin’ireo efa lalana tamin’ny Repoblika voalohany. Anisan’ny fanamby natao ny nanombohana ny RN 13 miala Taolagnaro, Manambaro, Amboasary Sud hatreo Ambovombe. Io efa mandeha. Teto dia nanambara ny kandidà fa miala Ihosy hatreto Betroka dia hatao goudron ihany koa. « Betsaka ny mpitondra nifandimby fa iray ihany ny tena tia an’i Betroka sy hanavotana an’i Betroka. Efa ao ny tetibola hamitana anio tetikasa io. Na iza na iza kandida hoavy eto hampanantena dia iray ihany no hahavita izany RN 13 izany », hoy izy. Ny an’ny hafa fampanantenana poakaty. Tsy andrasana vita io fa ny lalana 5 km mandalo eto an-tampon-tanàna aloha no hatao voalohany hovitaina goudron. Na avadika ambony na avadika ambany dia iray ihany no hanavotra an’i Betroka. Nihena be ny asan-dahalo izay no antony nametrahana ho velirano voalohany ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana. Izay no nametrahantsika ny Base Opérationnelle Avancée (BOA) izay efa ho vita 80% raha ny fanazavan’ny kandidà laharana fahatelo. « Faniriako ny hitondra hazavana isaky ny tokantrano. Efa nanafatra parc solaire 1 Mgw isika ho famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Afaka enim-bolana dia ho vita ny « parc solaire » eto Betroka. Isika efa manatanteraka fa ny hafa mbola mampanantena. Ny tokatrano rehetra eto Betroka ao anatin’ny enim-bolana manaraka dia hozaraina « kits solaires » azo avy amin’ny masoandro. tsy hovidiana io fa fanomezana. Manao fanamby amin’ny vahoaka eto Betroka fa fitia mivaly fitia. Raha 66% no azo tamin’ny fifidianana 2018, dia vonona hanome 75% an’i Andry Rajoelina i Betroka amin’ny fifidianana 16 novambra izao. Nanentana ny mponina haka kara-pifidianana sy handeha hifidy ary hiambina sy hiaro ny safidy ny kandidà laharana fahatelo.
Tsy natao zanak’Ikalahafa Ihosy…
Rehefa avy any Betroka dia namonjy ny tao Ihosy, ny omaly folakandro, ny kandidà Andry Rajoelina. Ny vahoaka eto tsy mitsahatra mitombo nefa ny fotodrafitrasa teto hatramin’izay tsy nanaraka ny filan’ny vahoaka ary hadino foana ianareo, betsaka ireo marary mila fitsaboana tsy maintsy entina any Antananarivo, Fianarantsoa na Toliara. Tsy mendrika izany ny vahoaka eto Ihosy, araka ny nambaran’ny kandidà Andry Rajoelina. Nanomboka tamin’ny 1960 dia miisa 18 ny hopitaly namboarina, izay no antony nanaovana ny fahasalamana hatao manakaiky vahoaka. « Hopitaly 28 no naorintsika nanomboka izaho nitondra
satria Ihosy mila fandrosoana, tsy atao zanak’ikalahafa, antony nanaovako hopitaly manara-penitranitra eto Ihosy ary ho vita amin’ny taona ho avy izay misy « maternité » sy « bloc opératoire », hopitaly toy zany no mendrika ny vahoakan’Ihosy », hoy izy nanamafy.
Ny fampandrosoana tsy vita iray na roa na dimy taona fa amin’ny 5 taona manaraka io hamirapiratra ary handroso i Madagasikara, indrindra ihosy
Tsy miovaova ny loko…
« Hanao fanamby isika, 68% ny fahatokisana nomenareo ahy tamin’ny 2018, efa betsaka zany satria mpomba an’i Andry Rajoelina Ihosy ary tsy miovaova loko. Mba ahafahantsika mahazo jiro daholo dia mila manova tantara isika manaporofo hoe Ihosy tsy miala amin’i Andry Rajoelina », hoy ny kandidà laharana fahatelo. 68% tam’ny 2018 no nomenareo ahy, angatahako mba hatao 78% izany. Rehefa omenareo 75% mihoatra aho, ny fianakaviana rehetra tsy manana jiro dia omena kit solaire iray volana aorian’ny ahalaniako, omena, « kit solaire » miaraka amin’ny jiro solaire 2, raha ny fanazavany. Ireo manana jiron’ny Jirama, matetika izy io no tapaka, tsy tian’ny kandidà Andry Rajoelina hiaina anaty haizina intsony ny ao Ihosy. « Ny tahan’ny masoandro eto be dia be, efa nanafatra tany Chine aho, afaka volana vitsy ametrahana « parc solaire » 3 Megawatts eto hitarihana jiro isan-tokatrano », hoy hatrany i Andry Rajoelina. Isan’ny fampielezan-kevitra nampitain’ny kandidà Andry Rajoelina fa afaka volana vitsy dia hatao tara na « goudron » ny lalana miainga eo Ihosy hatrany Betroka. « Tsy voninahitra no mahafatifaty ahy fa ny hampandroso an’i Madagasikara. Tiako daholo ny faritra eto Madagasikara fa nisy fizarana vilana teto hatramin’izay, hadino foana ny taty Atsimo, nanaovako, ary mbola hanaovako fotodrafitrasa marobe aty. Nasehoko tamin’ny mpamatsy vola fa ho ataonay izay tsy nataonareo, nanaovantsika Pipeline miala ao Efaho hatrany Ambovombe, mirefy 97km ary efa manomboka izany », hoy hatrany ny kandidà Andry Rajoelina.
Rado Harivelo




