KolontsainaSongadim-baovao
BOKY « LAHABÔLANA BETSIMISARAKA »: Haneho ireo karazana lahabolana na literatiora am-bava misy ao amin’ny foko Betsimisaraka
Hivoaka ny alakamisy 05 jona 2025 izao ilay boky mitondra ny lohateny hoe «Lahabôlaña Betsimisaraka », nosoratan’i Elisé Romuald. Ao amin’ny tokotaniben’ny Tranombokim-pirenena, Anosy, no hanaovana ny lanonana, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eo ambany fiahian’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sy ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha sady Andriambon’ny Fikambanan’ny Zanak’i Toamasina (FIZATO), Imbiki Anaclet. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny foaraben’ny boky sy fanamarihana ny iray volan’ny teny malagasy.
Natokana hampahafantarana ny karazana lahabolana na literatiora am-bava misy ao amin’ny foko betsimisaraka ity boky ity. Kendrena, hoy ny mpanoratra, ny hanomezana lanja sy hiarovana ireo harena ara-kolontsaina ireo ary indrindra ny hitehirizana sy hampitana izany ho an’ny taranaka mifandimby.
Amin’ny maha zanaky ny faritra Analanjirofo ny mpanoratra dia nambarany fa anisan’ny anjara biriky entiny ho fampivelarana ny kolontsaina sy zava-kanto avy amin’ny faritra fiaviana ny nanoratana ity boky ity. Eo koa ny fandraisana anjara amin’ny fikarohana akademika momba ny literatiora am-bava. Ankoatra izay ny fanentanana ny rafitra sy sokajin’olona samihafa momba ny maha zava-dehibe ny fisian’ny fiteny sy zava-kanto vita amin’ny teny sy fiteny samihafa isam-paritra.
Voarakitra ao anatin’ 192 pejy ny karazana lahabolana voasoratra amin’ity boky ity, ary misokajy telo lehibe, dia ny Lahateny fandresen-dahatra, toy ny rasavôlaña, ôhabôlaña, hantambôlaña. Eo koa ny Hira vako-drazana sy rindran-teny faneho an-tsehatra, fanafanana lanonana, toy ny ôsiky, jijy/tôkatôka, sôva, fankahitry, hira dôlan-jaza. Ary ny Sokajy mitantara sy fitaizan-tsaina, toy ny angano sy korambe, ankamantatra, ankanoñoño, ankifidy.
Anisan’ny kendrena hahazo tombony amin’ity boky ity ny mpianatra sy mpampianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ; ny mpianatra sy mpikaroka momba ny haiteny sy fiteny ary literatiora sy haiolona eny amin’ny Anjerimanontolo ; eo koa ny rafitra sy sehatra samihafa momba ny fanabeazana sy kolontsaina, ny mpikanto teny sy soratra ary mpisehatra amin’ny haino vaky jery ; indrindra ny fianakaviambe betsimisaraka na eto an-toerana na any ampitan-dranomasina.
Marihiana fa hisy boky hamidy amin’ny vidiny 35 000 ariary eny an-toerana mandritra ny hetsika.



